dimanche 4 décembre 2016
Alahady 04 Desambra 2016 - Mat 5 : 13 - 16
13–Ianareo no sira hanasoa ny tany; fa raha ny sira no tonga matsatso, hatao ahoana indray no fanome hasina azy? Tsy misy antony intsony izy fa dia ariam-potsiny any ivelany hohitsakitsahin'ny olona. 14Ianareo no fahazavana ho an'izao tontolo izao; tsy azo afenina ny tanàna miorina eo an-tampon-tendrombohitra. 15Ary tsy misy mampirehitra jiro ka hametraka azy ao ambany vata famarana; fa eo ambony fitoeran-jiro no apetrany mba hanazava izay rehetra ao an-trano. 16Aoka hamiratra eo imason'ny olona toy izany koa ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa soa ataonareo ka hanomezany voninahitra ny Rainareo Izay any an-danitra.
-
1Ary niteny tamin'i Ahaba mpanjaka i Elià izay Tisbita anisan'ny mponina tao Gilehada hoe: –Velona ny TOMPO Andriamanitr'i Isra...
-
29Fa novalian'i Petera sy ny apôstôly hoe: –Andriamanitra no tsy maintsy ekena fa tsy ny olombelona. 30Efa natsangan'ilay Andriaman...