samedi 24 décembre 2016
Sabotsy 24 Desambra 2016 - II Tes 1 : 11 - 12
11Izany no ivavahany lalandava ho anareo. Koa mangataka amin'Andriamanitsika izahay mba hataony mendrika ny fiainana niantsoany anareo ianareo. Mangataka izahay mba ho tanterahiny amin-kery avokoa ny fanirianareo hanao soa ary hataony lavorary koa ny asa ateraky ny finoanareo; 12dia homenareo voninahitra ny anaran'i Jesoa Tompontsika, sady ianareo koa homeny voninahitra. Izany no vokatr'ilay fahasoavana avy amin'ilay Andriamanitsika sy i Jesoa Kristy* Tompo.
-
1Ary niteny tamin'i Ahaba mpanjaka i Elià izay Tisbita anisan'ny mponina tao Gilehada hoe: –Velona ny TOMPO Andriamanitr'i Isra...
-
29Fa novalian'i Petera sy ny apôstôly hoe: –Andriamanitra no tsy maintsy ekena fa tsy ny olombelona. 30Efa natsangan'ilay Andriaman...