lundi 26 décembre 2016

Alatsinainy 26 Desambra 2016 - I Tan 29 : 10 - 20

10Dia nankalaza ny TOMPO teo imason'ny olona rehetra tafangona teo i Davida ka nanao hoe:

–Hankalazaina anie Ianao, ry TOMPO Andriamanitr'i Israely razambenay; hankalazaina anie Ianao hatrizay ka ho mandrakizay! 11Anao, TOMPO ô, ny halehibiazana sy hery; Anao ny voninahitra sy hamirapiratana ary fiandrianana; satria Anao ny zava-drehetra any an-danitra sy etỳ an-tany! Ianao, TOMPO ô, no mpanjaka; Ianao no asandratra ho filohan'ny zavatra rehetra. 12Avy aminao ny harena sy ny voninahitra*; ary Ianao no mifehy izao rehetra izao. Eo an-tananao ny fahefana sy ny hery, ka Ianao no mahalehibe sy manamafy ny zavatra rehetra. 13Koa misaotra Anao izahay, ry Andriamanitray ô, sy midera ny anaranao be voninahitra. 14Fa zinona moa aho, ary zinona moa ny mpiray firenena amiko, no hanan-kery hanolotra fanomezana an-tsitrapo toy izao? Eny, avy aminao ny zavatra rehetra; ary ny avy taminao ihany no nanomezanay Anao. 15Fa toy ny vahiny sy mpivahiny an-tanin'olona izahay eo anatrehanao, tahaka ny razanay rehetra rahateo; miserana tahaka ny aloka ny andronay etỳ an-tany, ka tsy azo ianteherana. 16Ry TOMPO Andriamanitray ô, ireo harena rehetra novononinay ireo, hanorenana tempoly* ho Anao mba hanajana Anao ilay Masina, dia avy taminao; ary Anao rahateo izy rehetra. 17Fantatro, ry Andriamanitro ô, fa mandinika ny ao am-pon'ny olona Ianao ary mankasitraka ny hitsim-po. Raha izaho, dia tamin-kitsim-po no nanolorako an-tsitrapo ireo fanomezana rehetra ireo; ary ankehitriny, dia amin-kafaliana no ahitako ny vahoakanao izay vory eto, nanolotra an-tsitrapo ny fanomezany ho Anao. 18Ry TOMPO Andriamanitr'i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba razanay ô, tahirizo mandrakizay izany toe-tsaina sy toe-po ananan'ny vahoakanao izany ka ataovy mitodika aminao hatrany ny fony; 19ary omeo an'i Salômôna zanako ny fo vonona manontolo hitandrina ny didinao sy baikonao ka hanatanterahany azy rehetra sady hanorina ny tempoly lapanao izay efa nanomanako fitaovana.

20Dia hoy i Davida tamin'ny olona rehetra tafangona teo:
–Aoka ianareo hankalaza ny TOMPO Andriamanitrareo!
Dia nankalazain'izy rehetra ilay TOMPO Andriamanitry ny razany; sady niondrika izy ka niankohoka teo anatrehan'ny TOMPO sy teo anatrehan'ny mpanjaka.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12