samedi 31 décembre 2016

Sabotsy 31 Desambra 2016 - Efe 1 : 1 - 14

1Avy amiko Paoly ity taratasy ity, dia izaho apôstôlin'i Kristy* Jesoa noho ny sitrapon'Andriamanitra.
Mamangy anareo atỳ Efeso aho, dia ianareo vahoakan'Andriamanitra* sady mpino tafaray amin'i Kristy Jesoa. 2Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy i Jesoa Kristy Tompo!

3Hankalazaina anie ilay Andriamanitra sady Rain'i Jesoa Kristy* Tompontsika! Fa nitahy antsika Andriamanitra tamin'ny fitahiana rehetra araka ny Fanahy Masina ka nataony miray amin'i Kristy isika sady tonga mponina any an-danitra. 4Tsy mbola nahary ny tontolo Izy, dia efa nifidy antsika hiray amin'i Kristy; ka ho masina sady tsy hisy tsiny eo anatrehan'Andriamanitra isika. Noho ny fitiavany antsika, 5dia natokan'Andriamanitra isika mba ho Azy, mba ho tonga zanany amin'ny alalan'i Jesoa Kristy, fa izany no safidin'ny sitrapony. 6Hiderantsika an'Andriamanitra anie ny fahasoavana mamirapiratra izay nomeny antsika maimaimpoana ao amin'ilay Zanany* malalany.

7Ny ra nafoin-Janany no nahazoantsika ny fanavotana, dia ny famelana ny hadisoantsika. Izany no nanehoan'Andriamanitra ny harem-pahasoavany, 8izay natosany be dia be tamintsika ka nahazoantsika fahendrena amam-pahalalana feno. 9Dia nampahafantarin'Andriamanitra antsika ilay tsiambaratelon'ny sitrapony, araka ny safidy noheveriny hotontosaina ao amin'ny Zanany. 10Eny, hotanterahiny mandra-pahatongan'ny fotoanandro farany izany tsiambaratelo izany: dia ny hampivondrona ny zavatra rehetra, ny any an-danitra sy ny eto an-tany, ao amin'i Kristy Filoha tokana.

11Tafaray amin'i Kristy izahay ka tonga anjara lovan'Andriamanitra; satria natokany rahateo izahay, fa izany no fandaharan'Ilay manao ny zavatra rehetra araka izay efa nokasain'ny sitrapony. 12Hideranay an'Andriamanitra be voninahitra anie izany, satria izahay no nanantena voalohany an'i Kristy.

13Tafaray amin'i Kristy koa ianareo, satria efa renareo ilay hafatra marim-pototra, izany hoe ny Vaovao Mahafaly* izay nitondra ny famonjena taminareo, ary efa ninoanareo i Kristy. Ka dia nasiana tombokase maha fananan'Andriamanitra ianareo, tamin'ny nanomezana anareo ny Fanahy Masina Izay nampanantenaina. 14Io Fanahy Masina io no antoka hahazoantsika ny lova natokan'Andriamanitra ho an'ny vahoakany*, mba hahatanteraka ny fanavotana ireo olona natao mba ho fananan'Andriamanitra, hiderantsika ny voninahitr'Andriamanitra izany!

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12