dimanche 18 décembre 2016

Alahady 18 Desambra 2016 - Mik 5 : 1 - 5

1Dia hoy ny Tompo hoe:
«Ianao, ry Betlehema Efratà,
isan'ireo tanàna kely indrindra ao Joda ianao!
Kanefa avy aminao no hamoahako
ilay ho Mpanjaka an'i Israely.
Efa hatramin'ny fahagola no niandohany,
dia hatramin'ny andro taloha elabe.»
2–Noho izany, ny Tompo dia hanolotra ny vahoakany
amin'ny fahavalo
mandra-piavin'ny andro hahatera-dahy ny vehivavy iray;
ka izay sisa velona, amin'ireo rahalahiny
voasesi-tany,
dia hiverina ho any amin'ireo Israelita namany.
3Ary hitsangana hitondra ny vahoaka
izany mpanapaka nampanantenaina izany,
hombàn'ny hery sy heniky ny famirapiratana
avy amin'ny TOMPO Andriamaniny.
Dia handry feizay ny vahoakany,
satria ho lehibe hatrany am-paran'ny tany
izany mpanapaka izany:
4izy no hitondra fiadanana!
–Raha tonga hanafika ny tanintsika ny Asirianina
ka hitsofoka hatraty an-dapantsika,
dia hanangana mpitari-tafika marobe hamelezana azy isika.
5Ary handresy amin'ny sabatra sy lefom-pohy
ireo mpitari-tafika ireo
ka hifehy an'i Asiria, tanin'i Nimrôda.
Izany mpanapaka izany mihitsy
no hanafaka antsika amin'ny Asirianina
izay hihoatra sisitany
ka ho tonga hanafika ny tanintsika.


Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12