mercredi 6 mars 2019

Alarobia 06 Martsa 2019 - Deo 7 : 1 - 12

1Ny TOMPO Andriamanitrareo no hampiditra anareo any amin'ny tany izay hidiranareo mba halainareo ho fananana. Firenena maro, firenena fito izay lehibe sy mahery noho ianareo, no horoahin'ny TOMPO hiala eo anoloanareo: dia ny Hetita sy ny Girgasîta, ny Amôrita sy ny Kanahanîta, ny Perizîta sy ny Hivîta ary ny Jebosîta. 2Rehefa hatolotry ny TOMPO Andriamanitrareo ho eo ambany fahefànareo ireny ka horesenareo, dia ataovy ringana tanteraka. Aza manao fanekempihavanana aminy na mamindrafo aminy. 3Aza mampifanambady ny zanakareo aminy; ny zanakavavinareo tsy homenareo ho vadin'ny zanakalahiny, ary ny zanakavaviny tsy halainareo ho vadin'ny zanakalahinareo. 4Fa havilin'ireny vahiny ireny tsy hanaraka ny TOMPO ireo taranakareo ka hanompo andriamani-kafa; dia hirehitra aminareo ny fahatezeran'ny TOMPO ka haringany vetivety ianareo. 5Fa izao kosa no ataovy amin'ireny firenena ireny: ny alitarany, horavanareo; ny tsangambaton-tsampiny, hovakivakînareo; ny tsato-kazo fanajany an'i Aserà, hokapainareo; ary ny sarin-tsampiny voasokitra, hodoranareo. 6Ianareo manko dia vahoaka voatokana ho an'ny TOMPO Andriamanitrareo; ianareo no efa nofidin'ny TOMPO Andriamanitrareo tamin'ny firenena rehetra ambonin'ny tany mba ho vahoaka fananany sarobidy indrindra.

7Tsy hoe ianareo maro noho ny firenena hafa rehetra no nampiraiki-po ny TOMPO taminareo sy nifidianany anareo, satria vitsy noho ny firenena hafa rehetra aza ianareo. 8Fa raha nentin'ny TOMPO tamin'ny fiarovana mahery ianareo sy navotany tamin'ny toeram-panandevozana teo ambany fifehezan'ny Farao mpanjakan'i Ejipta, dia satria tian'ny TOMPO ianareo ary tandroviny aminareo ny fianianana nataony tamin'ny razambenareo.

9Aoka ho fantatrareo fa ny TOMPO Andriamanitrareo no hany Andriamanitra tena Izy. Mitandro ny fanekempihavanany sy ny fitiavany hatramin'ny taranaka faharivo Izy amin'izay tia Azy sy mitandrina ny didiny; 10fa an-karihary sady tsy an-kitaredretra kosa no amaliany sy andringanany an'izay mankahala Azy. 11Koa tandremo ny didy sy lalàna amam-pitsipika izay andidiako anareo anio mba hotanterahinareo.

12Raha ireo fitsipika ireo no henoinareo ka imasoanareo hotanterahina, dia hotandrovin'ny TOMPO Andriamanitrareo aminareo ny fanekempihavanana sy ny fitiavana izay nianianany tamin'ny razambenareo.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12