vendredi 15 mars 2019

Zoma 15 Martsa 2019 - Isa 62 : 6 - 12

6Ry Jerosalema ô, efa nametrahako mpiambina
eny ambonin'ny mandanao eny,
ka tsy mahazo mangina ireo na andro na alina:
«Ianareo izay mampahatsiaro ny TOMPO,
aza mitsaha-manao izany ianareo!
7Aza avela hitsahatra Izy
mandra-panarenany azy indray
ka hametrahany an'i Jerosalema
ho voninahitra manerana ny tany.»

8Dia nataon'ny TOMPO izao fianianana izao:
«Araka ny hery amam-pahefana feno ananako,
dia mianiana aminao Aho, ry vahoakako,
fa tsy hamela ny vary novolenao
ho sakafon'ny fahavalonao intsony,
ary tsy hamela ny divay nisasaranao
hosotroin'ny vahiny intsony;
9fa izay mijinja ny vary ihany
no hihinana azy ka hidera Ahy TOMPO,
ary izay nioty ny voaloboka ihany
no hisotro ny divay eo an-kianjan'ny tempoliko.»

10Ry mponin'i Jerosalema, mivoaha tao an-tanàna,
mivoaha amin'ny vavahady,
anokafy lalana ny vahoaka mody,
ataovy mitovy tantana ny arabe
ka esory ny vato eo aminy
ary atsangano ny faneva hanaingana ireo firenena.
11Injay nisy baiko nampitain'ny TOMPO
hatrany amin'ny faran'ny tany!
Koa lazao amin'ny olona ao Tsiôna hoe:
«Indro tonga ny Mpamonjinareo,
indro entiny miaraka aminy ny karama azony
ary eo anoloany ny valin-kasasarany.»
12Ny besinimaro, na ianareo na iretsy,
dia hantsoina hoe «ilay vahoaka masina»,
«ireo olona navotan'ny TOMPO»;
ary ianao, ry Jerosalema, dia hatao hoe:
«ilay irîna», «ilay tanàna tsy foy.»

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12