vendredi 29 mars 2019

Zoma 29 Martsa 2019 - II Tan 29 : 1 - 11

1Feno 25 taona i Hezekià fony tonga mpanjaka; ary naharitra 29 taona no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia i Abià, zanakavavin’i Zakarià. 2Ary nanao izay mahitsy eo imason’ny TOMPO i Hezekià, tahaka izay rehetra nataon’i Davida razambeny.

3Tamin’ny volana voalohan’ny taona voalohany nanjakany, dia novohany sady namboariny avy ny varavaran’ny tranon’ny TOMPO. 4Ary nasainy tonga ireo mpisorona sy levita ka nangoniny teo amin’ny Kianja Atsinanana

5ary nilazany hoe:
–Henoinareo aho, ry taranak’i Levỳ! Ankehitriny midiova tena ianareo, diovy koa ny tranon’ny TOMPO Andriamanitry ny razanareo, ary esory amin’ny Toeramasina ny zavatra maloto ara-pivavahana. 6Fa nivadika tamin’ny TOMPO Andriamanitsika ny razantsika sy nanao izay ratsy eo imasony ary nandao Azy; niamboho ny TOMPO ireo ka tsy niatri-maso ny fonenany intsony. 7Nohidiany ny varavarana amin’ny lalantsara fidirana, navelany ho faty ny jiro, ary tsy nandoroany vovo-javamanitra sady tsy nanolorany sorona dorana manontolo ho an’Andriamanitr’i Israely intsony tao amin’ny tempoliny. 8Ka dia niharan’ny fahatezeran’ny TOMPO i Joda sy i Jerosalema; ary hataony ohatra hampihoron-koditra sy hampahonena ary hoenti-maneso, toy izao mbola hitanareo maso izao. 9He! matin’ny sabatra ireo vatan-dehilahy razantsika, ary ny vady aman-janany dia efa natao sambo-belona. 10Koa nanapa-kevitra aho ny hanao fanekempihavanana amin’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely mba hiala amintsika ny fahatezerany mirehitra. 11Ianareo kosa, manaova fanarenan-javatra ankehitriny ka aza malaina, satria ianareo no voafidin’ny TOMPO hiatrika Azy mba hanao fanompoam-pivavahana aminy sy ho mpandraharahany ary ho mpandoro vovo-javamanitra ho Azy.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12