8Tianay, ry havako, ny hahalalanareo ny fahoriana nanjo anay tany amin’ny faritany Azia; nitambesatra loatra taminay izany ary tafahoatra ny zakanay, ka tsy nanantena intsony izay hoe mbola ho velona izahay. 9Tsapanay tao amin’ny tenanay fa voaheloka ho faty izahay, mba tsy hitokianay amin’ny tenanay, fa hitokianay amin’Andriamanitra Izay manangana ho velona ny efa maty. 10Izy no nanafaka anay tamin’ny fahafatesana nananontanona anay, ary dia mbola hanafaka any hatrany; eny, Izy no antenainay fa hanafaka hatrany, 11satria ianareo koa hanampy anay amin’ny fivavahana ataonareo ho anay. Dia ho maro ny olona hisaotra an’Andriamanitra ny aminay satria maro no nangataka mba hahazoanay izany fitahiana izany.
12Izao manko no ireharehanay: ny fieritreretanay dia vavolombelona manambara fa ny fomba nitondranay tena teto amin’izao tontolo izao, indrindra teo aminareo, dia tamin’ny fahatsorana sy hitsimpo nomen’Andriamanitra; satria ny fahasoavan’Andriamanitra no nitarika anay fa tsy ny fahendren’olombelona. 13-14Ka izay soratanay amin’ny taratasinay dia izay vakînareo sy azonareo tsara. Ary manantena aho fa araka ny efa fantapantatrareo ihany ankehitriny, dia ho fantatrareo tanteraka izao zavatra izao: amin’ny andro hiavian’i Jesoa Tompo, dia ho reharehanareo izahay toy ny maha reharehanay anareo.