mercredi 20 mars 2019

Alarobia 20 Martsa 2019 - Jos 14 : 6 - 15

6Indray andro dia nanatona an’i Josoa tany Gilgala ny olona sasany avy amin’ny fokon’i Joda; isan’ireny i Kaleba zanakalahin’i Jefonè, avy amin’ny tarik’i Kenaza. Dia hoy i Kaleba tamin’i Josoa:

–Tsaroanao tsara ny teny izay nolazain’ny TOMPO tamin’i Mosesy lehilahin’Andriamanitra ny momba ahy sy ianao tany Kadesy-Barnea. 7Efapolo taona aho tamin’izay no nirahin’Andriamanitra raha nirahin’i Mosesy, mpanompon’ny TOMPO, avy tao Kadesy-Barnea mba hisafo ity tany ity; ary nony niverina aho, dia nanao tatitra taminy araka izay tao am-poko, 8Ireo namana izay niara-niakatra tamiko dia nanaketraka ny fon’ny vahoaka, fa izaho kosa nifikitra tanteraka tamin’ny TOMPO Andriamanitro. 9Tamin’izay andro izay dia nianianan’i Mosesy aho fa ho anjara roa lova ho ahy sy ny taranako mandrakizay ny tany izay noteteziko, noho izaho nifikitra tanteraka tamin’ny TOMPO Andriamanitro. 10Efa 45 taona izao no nanomezan’ny TOMPO izany baiko izany tamin’i Mosesy fony ny Israelita namakivaky ny taniefitra. Hatramin’izay aho mbola novelomin’ny TOMPO araka ny teniny, ka jereo ankehitriny fa efa 85 taona aho izao. 11Kanefa mbola matanjaka ihany aho izao tahaka ny tamin’ny andro nanirahan’i Mosesy ahy hisafo ny tany. Eny, mbola manana hery tahaka ny fahizany tokoa aho na hiady na hanao asa hafa. 12Koa ankehitriny àry, omeo ahy irỳ tendrombohitra irỳ izay efa nampanantenain’ny TOMPO ahy tamin’izany fotoana izany; satria efa henonao tamin’izay fa ao ny Hanakita no mipetraka anaty tanàna lehibe sady misy manda. Raha momba ahy ny TOMPO, dia horoahiko tao ireo, araka izay efa nolazain’Izy TOMPO.

13Dia nitsodrano an’i Kaleba zanakalahin’i Jefonè i Josoa ka nanome an’i Hebrôna ho lovany. 14Izany no nahatonga an’i Hebrôna ho lovan’ny taranak’i Kaleba mandraka androany; satria i Kaleba, zanakalahin’i Jefonè sady anisan’ny tarik’i Kenaza, dia nifikitra tanteraka tamin’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely; 15Fa ny anaran’i Hebrôna, talohan’ny nahazoan’i Kaleba azy, dia Kiriata-Arbà na hoe tanànan’i Arbà, satria i Arbà no olo-malaza indrindra tamin’ny Hanakita.

Dia nitsahatra ny ady ka nandry feizay ny tany.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12