mardi 19 mars 2019

Talata 19 Martsa 2019 - II Tan 30 : 17 - 27

17Nisy maro manko tamin’ny vahoaka tafangona no tsy mbola nidio tena; dia ny levita no nampamonoina ny biby fanolotra amin’ny Paska ka nisolo izay rehetra tsy madio mba hampisy hasina ny sorony amin’ny TOMPO. 18Ny ankamaroan’ny olona, indrindra fa ireo anisan’ny foko efraimita sy manasita ary jisakarita sy zebolonita, no tsy nidio tena, kanefa nihinana ny sakafo Paska ihany, na dia tsy araka izay voasoratra aza. Saingy nivavaka ho an’ireny i Hezekià ka nanao hoe: «TOMPO tsara fo ô, mba mamelà 19izay olona efa nanomana ny fony manontolo hitady Anao TOMPO Andriamanitry ny razany, na dia tsy madio araka izay takîn’izao zava-masina izao aza izy.» 20Ary nohenoin’ny TOMPO i Hezekià ka navelany heloka ny vahoaka.

21Ny Israelita izay tao Jerosalema dia nankalaza tamin-kafaliana lehibe nandritra ny herinandro izany fetin’ny mofo tsy misy leviora izany; isan’andro ny levita sy ny mpisorona no nidera ny TOMPO nombàn’ny zava-maneno mafy feo mba ho fanajana AZY. 22Ary ny teny nataon’i Hezekià dia nanohina ny fon’ireo levita rehetra izay feno fahazotoana tokoa ho an’ny TOMPO. Nihinana ny sakafo Paska nandritra ny herinandro ny olona ka sady nanolotra sorom-pihavanana no nisaotra ny TOMPO Andriamanitry ny razany. 23Ny vahoaka rehetra tafangona teo dia niombon-kevitra ny amin’ny mbola hanohizana herinandro indray ny fankalazana; ka dia nataony tamin-kafaliana koa izany, 24satria i Hezekià mpanjakan’i Joda dia nanome ombilahy arivo sy ondry aman’osy fito arivo, ary ny manampahefana koa nanome ombilahy arivo sy ondry aman’osy 10 000 ho an’ny olona. Ankoatra izany, maro ny mpisorona no nanao fidiovan-tena. 25Faly ny besinimaro niangona teo; dia ny Jodeanina sy ny mpisorona mbamin’ny levita ary koa izay rehetra anisan’ny Israelita tavaratra na ireo nivahiny ho an’ny fety na ireo nonina tao Joda. 26Fifaliana goavana no tao Jerosalema; fa hatramin’ny andron’i Salômôna, zanakalahin’i Davida sady mpanjakan’i Israely, dia tsy mbola nisy tahaka izany tao an-tanàna. 27Nony farany, nitsangana ny levita mpisorona ka nitsodrano ny vahoaka; ary nohenoin’Andriamanitra ny tonombavak’ireo satria tafapaka tany an-danitra izay fonena-masiny.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12