1Nandefa trondro lehibe hitelina an’i Jônà ny TOMPO. Koa nitoetra telo andro sy telo alina tao an-kibon’ilay trondro i Jônà. 2Tao izy no nanandratra izao vavaka izao tamin’ny TOMPO Andriamaniny 3ka nanao hoe:
Tao an-katerena aho, TOMPO ô,
no velon-taraina taminao,
ka namaly ahy Ianao;
tao anatin’ny toeran’ny maty
no niantsoako vonjy taminao,
ka nihaino ahy Ianao.
4Natsipinao tao amin’ny lalina aho,
dia tao an-kibon’ny ranomasina.
Nanafotra ahy ny riaka;
natosakao tamiko avokoa
ny alon-dranonao aman’onjanao.
5Dia hoy aho anakampo hoe:
«Indro aho voaroaka tsy ho eo imasonao, Tompo ô,
kanefa mbola manatrika ny tempolinao masina ihany.»
6Efa mby hatendako ny rano;
nanafotra ahy ny ranomasina,
ary ny ahidrano nisaringotra amin’ny lohako.
7Tany amin’ny fanambanin’ny tendrombohitra
no nahatafalatsaka ahy,
ka nihidy tamiko mandrakizay
ny vavahadin’ny sehatry ny maty.
Nefa Ianao, ry TOMPO Andriamanitro ô,
nampiakatra ahy velona avy tao an-davaka.
8Raha iny efa ho faty iny aho,
dia nahatsiaro Anao, TOMPO ô,
ary ny vavaka nataoko taminao
dia tonga tao an-tempolinao masina.
9Fa izay mivavaka amin’ny andriamani-tsiizy
dia aoka hiala amin’ireny sampy ifikirany ireny.
10Fa izaho kosa amin-kira fiderana
no hanolorako sorona aminao,
ary hanefako ny voady izay nataoko.
Anao, TOMPO ô, ny famonjena!
11Ary notenenin’ny TOMPO ilay trondro mba hamoaka an’i Jônà, dia naloany ho eny amin’ny tany maina izy.