dimanche 12 janvier 2020

Alahady 12 Janoary 2020 - Eks 3 : 15 - 22

15Dia ampio hoe: «Ny TOMPO Andriamanitry ny razanareo, ilay Andriamanitr’i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba, no naniraka ahy ho atỳ aminareo.» Izany no anarako mandrakizay, ary izany no hahatsiarovana Ahy isaky ny taranaka mifandimby. 16Mandehana, vorio ny loholon’i Israely ka ilazao hoe: «Ny TOMPO Andriamanitry ny razanareo, ilay Andriamanitr’i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba, no efa niseho tamiko ka nilaza fa nitsinjo anareo sy nahita ny fomba afitsoka anareo atỳ Ejipta; 17koa tapa-kevitra Izy fa hanaisotra anareo hiala amin’ny fahoriana atỳ ho any amin’ny tanin’ny Kanahanita sy ny Hetita, ny Amôrita sy ny Perizita, ary ny Hivita sy ny Jebosita, dia tany tondra-dronono sy tantely.» 18Hihaino anao ireo Israelita; koa mandehàna ianao sy ny loholon’i Israely mankany amin’ny mpanjakan’i Ejipta, ka lazaonareo aminy hoe: «Niseho taminay ny TOMPO Andriamanitry ny Hebreo, ilay Andriamanitray, koa mba avelao izahay handeha lalana telo andro ho any an-taniefitra hanolotra sorona ho AZY.» 19Kanefa fantatro fa tsy hamela anareo handeha ny mpanjakan’i Ejipta raha tsy terem-pahefana mahery.

20Izany no hanehoako ny fahefako tsy hay tohaina ka hamelezako an’i Ejipta amin’ny zava-mahagaga rehetra izay hataoko ao anatiny, ary aorian’izany vao halefany ianareo. 21Homeko tombontsoa eo imason’ny Ejiptianina ity vahoaka ity ka tsy hitondra tanam-polo mody. 22Ny vehivavy israelita tsirairay avy dia samy hangataka amin’ny vehivavy ejiptianina ao aminy na manodidina azy firavaka volafotsy sy volamena mbamin’ny fitafiana. Hampitondrainareo ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo ireny, ka hataonareo fongana ny Ejiptianina.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12