14Anongilano sofina izao lazaiko izao, ry Jôba.
Miatoa kely aloha ka diniho
ny zava-mahagaga ataon’Andriamanitra.
15Fantatrao ve ny fibaikoan’Andriamanitra ireny
sy ny mahatonga ny tselatra eny amin’ny rahona?
16Fantatrao koa ve ny mampihevaheva ny raho-matevina?
Ny manao ireny zava-mahagaga ireny
dia Ilay tanteraka amin’ny fahalalana;
17Ianao kosa dia mafana loatra anaty fitafianao,
rehefa vesaran’ny andro migaingaina ny tany
noho ny rivotra manempotra avy any atsimo.
18Afaka nanampy an’Andriamanitra ve ianao,
fony Izy nanefy ny habakabaka
sy nahamafy izany toa fitara-by?
19Mba ampianaro anay ireto àry, ry Jôba,
izay holazainay amin’Andriamanitra.
Fa tsy hitanay izay hotenenina
noho ny haizin’ny tsy fahalalanay.
20Tsy hangataka ny hiteny aminy aho;
sa maniry ny hataony levona ve ny tenako?
21Tampotampoka teo dia tsy hita ny fahazavana
fa voatakon-drahona ny masoandro.
Avy eo dia nisy rivotra nitsoka
sy nampisava izany rahona izany.
22Tara-bolamena no nipoitra avy any avaratra,
ary famirapiratana mahatahotra
no indro manodidina an’Andriamanitra.
23Izy no ilay Tsitoha tsy haintsika akaikezina,
sady lehibe amin’ny hery ananany;
fatra-pitandro ny rariny sy ny fahamarinana Izy
ka tsy mba mampahory ny olona.
24Koa izany no tokony hanajana an’Andriamanitra;
fa tsy jereny kosa izay mihambo ho hendry.