vendredi 3 janvier 2020

Zoma 03 Janoary 2020 - Est 7 : 1 - 10

1Dia lasa ny amperôra sy i Hamàna nankany amin’i Estera mpanjakavavy, ho ao amin’ilay fanasana faharoa. 2Ary teo am-pamaranana ny sakafo, dia hoy indray ny amperôra tamin’i Estera:
–Inona no angatahinao sy tadiavinao? Fa na dia hatramin’ny antsasaky ny fanjakako aza, dia homeko anao izany ary ho azonao tokoa.

3Dia namaly i Estera mpanjakavavy ka nanao hoe:
–Ry andriamanjaka, raha mba mahazo fitia eo imasonao ary raha sitrakao izao, dia aoka hotsimbininao aina ny tenako sy ny mpiray firenena amiko fa izany no angatahiko sy tadiaviko.

4Namidy manko ny tenako sy ny mpiray firenena amiko mba haringana sy hovonoina ho ripaka; fa raha tàhiny namidy handevozina fotsiny izahay, dia ho nangina ihany aho satria tsy tokony hanahiranana anao izany fampahoriana izany.

5Dia nanontany an’i Estera mpanjakavavy ny amperôra Kserksesa nanao hoe:
–Iza moa ilay olona mikasa hanao izany ary aiza no misy azy?

6Ka novalian’i Estera hoe:
–Io Hamàna ratsy fanahy io no fahavalonay sy mpankahala anay!

Dia raiki-tahotra teo anatrehan’ny amperôra sy ny mpanjakavavy i Hamàna. 7Ary tezitra mafy ny amperôra, dia niala teo amin’ny fanasana ho eny amin’ny zaridainan’ny lapa. I Hamàna kosa nahatsapa fa misy loza hamelezan’ny amperôra azy ka nijanona nangataka tamin’i Estera mpanjakavavy izy mba hotsimbinina ny ainy; 8ary niankohoka teo am-parafaran’i Estera mihitsy aza i Hamàna. Tamin’izay indrindra ny amperôra no niverina avy teo an-jaridaina ho ao an’efitrano fanasana ka vaky vava hoe:
–Dia sahin’ilehio koa ve ny misavika ny mpanjakavavy, eto anatrehako, ato an-dapako?

Vantany vao niloa-bava ireo teny ireo ny amperôra, dia nisy mpanompony nanarona ny tavan’i Hamàna. 9Fa i Harbonà, anisan’ireo tandapa, dia nilaza tamin’ny amperôra hoe:
–Ry andriamanjaka, i Hamàna dia efa nampanamboatra hazo hanantonany an’i Môrdôkay, ilay nanao tatitra hanasoavana anao. Indro miorina eo akaikin’ny tranon’i Hamàna io hazo io, ka 25 metatra ny haavony.

Dia hoy ny amperôra hoe:
–Ahantony amin’io i Hamàna!

10Ary nahantona tamin’ilay hazo efa nomaniny hanantonana an’i Môrdôkay i Hamàna. Dia vao izay no nionona ny fahatezeran’ny amperôra.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12