jeudi 6 février 2020
Alakamisy 06 Febroary 2020 - I Jao 1 : 1 - 4
1Ny amin’ilay Teny manome fiainana no anoratanay aminareo. Izy, Izay nisy hatramin’ny voalohany, ka efa renay, efa hitan’ny masonay, efa nobanjininay ary efa notsapain’ny tananay no ambaranay aminareo. 2Eny, efa naseho ny fiainana sady efa hitanay; ary tonga vavolombelony izahay ka manambara aminareo ny fiaina-maharitra mandrakizay, dia ilay fiainana nitodika tany amin’ny Ray ka efa naseho taminay. 3Izay efa hitanay sy renay no ambaranay aminareo, mba hahazoanareo fiombonana aminay koa; fa izahay dia miombona amin’ny Ray sy amin’i Jesoa Kristy Zanany. 4Izany no soratanay aminareo, mba ho feno ny hafaliantsika.
-
1Ary niteny tamin'i Ahaba mpanjaka i Elià izay Tisbita anisan'ny mponina tao Gilehada hoe: –Velona ny TOMPO Andriamanitr'i Isra...
-
29Fa novalian'i Petera sy ny apôstôly hoe: –Andriamanitra no tsy maintsy ekena fa tsy ny olombelona. 30Efa natsangan'ilay Andriaman...