samedi 8 février 2020

Sabotsy 08 Febroary 2020 - Deo 4 : 1 - 8

1Ary hoy indray i Mosesy hoe: «Ankehitriny, ry Israelita, henoy ny lalàna amam-pitsipika izay ampianariko anareo hotanterahinareo, mba ho velona ianareo ka hiditra sy hanana ny tany izay omen’ny TOMPO Andriamanitry ny razambenareo anareo. 2Aza ampianareo ny teny izay andidiako anareo ary aza anesorana; fa tandremo ny didin’ny TOMPO Andriamanitrareo, izay ampitaiko aminareo. 3Efa nahita maso izay nataon’ny TOMPO noho ny amin’ilay Bahala tao Pehôra ianareo; fa ny olona rehetra nanompo an’io Bahala io taminareo, dia naringan’ny TOMPO Andriamanitrareo tsy ho eo aminareo intsony. 4Fa ianareo nifikitra tamin’ny TOMPO Andriamanitrareo kosa dia samy velona avokoa izao anio izao.

5«Araka izay nandidian’ny TOMPO Andriamanitro ahy, indro ianareo efa nampianariko lalàna amam-pitsipika hotanterahinareo any amin’ny tany izay efa hidiranareo mba halainareo ho fananana.» 6Koa tandremo sy tanteraho izany, fa hiheverana anareo ho hendry sy manan-tsaina eo imason’ny firenen-kafa; handre ireny lalàna rehetra ireny mantsy izy ka ho loa-bolana hoe: «Mba vahoaka hendry sy manan-tsaina tokoa io firenena lehibe io!» 7Fa aiza no misy firenena, na dia lehibe aza, manana andriamanitra akaiky azy, tahaka ny maha akaiky antsika ny TOMPO Andriamanitsika, Izay mamaly isaky ny antsoina? 8Ary aiza no misy firenena, na dia lehibe aza, manana didy amam-pitsipika marina tahaka izao fehezan-dalàna arosoko eo anoloanareo anio izao?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12