1Dia nahita habakabaka vaovao sy tany vaovao aho; fa efa lasa ny habakabaka voalohany sy tany voalohany, ary ny ranomasina dia tsy misy intsony. 2Ary hitako nidina avy any an-danitra ny tanàna masina avy tamin’Andriamanitra, dia i Jerosalema vaovao, voaomana tahaka ny ampakarina voahaingo hihaona amin’ny vadiny. 3Ary nisy feo mahery reko avy teo amin’ilay sezafiandrianana ka nanao hoe: «Indro ny fonenan’Andriamanitra tonga eny amin’ny olona, ary Andriamanitra dia hiara-monina aminy; ka izy ireo ho vahoakany, ary ilay Andriamanitra miaraka aminy kosa ho Andriamanitr’izy ireo. 4Hofafan’Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin’ny mason’ireo vahoakany; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo na fitarainana na fahoriana intsony, fa efa lasa ny zavatra taloha.»
5Dia hoy Ilay mipetraka eo ambony sezafiandrianana hoe: «Indro havaoziko ny zavatra rehetra!» Avy eo Izy no niteny tamiko hoe:
–Soraty, satria azo antoka sy marim-pototra ireo teny ireo.
6Dia hoy indray Izy tamiko:
–Tanteraka ny zavatra rehetra! Izaho no Alfa sy Ômega, fiandohana sy fiafarana. Izay mangetaheta dia hampisotroiko maimaimpoana amin’ny loharano miboiboika ranovelona. 7Izay mandresy no hahazo izany lova izany; ka dia ho Andriamaniny Aho, ary izy ho zanako. 8Fa ny kanosa, ny tsy mpino, ny mpanimbazimba, ny mpamono olona, ny mpijangajanga, ny mpanao ody ratsy, ny mpanompo sampy ary ny mpandainga rehetra, dia hanana ny anjarany any amin’ny farihy mirehitra
afo aman-tsolifara: izany no fahafatesana faharoa.