vendredi 21 février 2020

Zoma 21 Febroary 2020 - I Tim 4 : 6 - 16

6Raha izany torohevitra izany no arosonao ny havana iray finoana, dia ho mpanompo tsaran’i Kristy Jesoa ianao, ka hiharihary fa mivelona amin’ireo teny momba ny finoana sy ny fampianarana tsara izay efa narahinao ianao. 7Aoka ianao tsy hiraharaha izay angano manazimba fivavahana sady tsy misy fotony. Manazara tena amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra. 8Ny fampiasan-tena ara-batana dia mba mahasoa ihany, nefa tsy dia manao ahoana loatra; fa ny toe-panahy araka an’Andriamanitra kosa dia mahasoa amin’ny zavatra rehetra, satria mampanantena fiainana na ankehitriny na amin’ny ho avy. 9Azo antoka izany teny izany, ka mendrika hankatoavina tanteraka. 10Eny, izany no ikelezanay aina sy iezahanay, satria ny fanantenanay dia efa napetrakay amin’Andriamanitra velona, Izay Mpamonjy ny olona rehetra, indrindra fa ireo mino.

11Anafatrafaro sady ampianaro izany zavatra izany. 12Aoka tsy hisy olona hanao tsinontsinona anao noho ny maha tanora anao, fa aoka ianao ho ohatra ho an’ny mpino amin’ny fiteny, amin’ny fitondrantena, amin’ny fitiavana, amin’ny finoana, amin’ny fahadiovana.

13Mandra-pahatongako, dia mahavara tsara mamaky ny Soratra Masina sy mampirisika ary mampianatra. 14Aza atao tandrevaka ny fanomezam-pahasoavana ao anatinao, fanomezam-pahasoavana izay natolotra anao fony niteny taminao ny mpilaza hafatr’Andriamanitra ary nametra-tanana taminao ny loholona tafangona. 15Tontosay ireo adidy ireo ka imasoy tsara, mba hiharihary amin’ny olona rehetra ny fandrosoanao. 16Tandremo ny tenanao sy ny fampianaranao, ka mahareta amin’ireo adidy ireo; fa raha manao izany ianao, dia hamonjy ny tenanao sy izay mihaino anao.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12