26Ry havako, taranak’i Abrahama sy hafa firenena mpanaja an’Andriamanitra, ho antsika no nampitondrana izao hafatra momba ny famonjena izao. 27Fa ny mponin’i Jerosalema sy ireo filohany dia tsy nahafantatra an’i Jesoa ary tsy nahazo ny tenin’ny mpaminany vakîna isaky ny andro sabata, kanefa nanatanteraka ireo teny ireo tamin’ny nanamelohany an’i Jesoa; 28ary na dia tsy nahita antony hanamelohana Azy ho faty aza ry zareo, dia nangataka tamin’i Pilato ny hamonoana Azy. 29Rehefa avy nahatanteraka izay rehetra nambaran’ny Soratra Masina momba Azy ry zareo, dia nesorina teo amin’ny hazofijaliana Izy ary nalevina tao am-pasana. 30Fa Andriamanitra kosa nanangana Azy ho velona avy tany amin’ny maty. 31Mandritra ny andro maro, dia niseho tamin’ireo niara-niakatra taminy avy tany Galilea ho any Jerosalema i Jesoa, ka ireo ankehitriny no vavolombelona manambara Azy amin’ny vahoaka Israely. 32Ary izahay koa dia mitory aminareo izao Vaovao Mahafaly izao: 33Ny zavatra efa nampanantenain’Andriamanitra tamin’ny razantsika dia notanterahin’Andriamanitra tamintsika ankehitriny, fony Izy nanangana an’i Jesoa ho velona, araka izay voalazan’ny Soratra Masina ao amin’ny Salamo faharoa hoe:
«Zanako Ianao,
Ray niteraka Anao Aho manomboka anio.»
34–Nambaran’Andriamanitra koa fa natsangany ho velona i Jesoa ka tsy hiverina amin’ny fahalòvana intsony, araka ny teny hoe:
«Homeko anareo ny fanambinana masina sy azo antoka
efa nampanantenaiko an’i Davida!»
35Izany koa no itenenan’Andriamanitra ao amin’ny Salamo hafa hoe:
«Tsy havelanao ho tratry ny fahalòvana Ilay voatokana ho Anao.»
36Eny, i Davida, rehefa nanatanteraka ny fikasan’Andriamanitra hahasoa ny mpiara-belona taminy, dia nodimandry ka nalevina mifanila amin’ireo razany ary tratry ny fahalòvana. 37Fa Ilay natsangan’Andriamanitra ho velona kosa dia tsy mba tratry ny fahalòvana.