lundi 10 février 2020

Alatsinainy 10 Febroary 2020 - II Tan 23 : 1 - 11

1Tamin’ny taona fahafito dia nanapa-kevitra hentitra i Jôiadà ka nanao fifanekena tamin’ireo mpifehy andia-miaramila: dia i Hazarià zanakalahin’i Jerôhama, i Jismahela zanakalahin’i Jôhanàna, i Hazarià zanakalahin’i Hôbeda, i Mahaseià zanakalahin’i Hadaià, ary i Elisafata zanakalahin’i Zikrỳ. 2Ary nitety an’i Joda ireo ka namory ny levita sy ny loham-pianakaviana israelita avy tany amin’ny tanàna jodeanina rehetra, dia niara-tonga tany Jerosalema ireo. 3Ary ny olona rehetra vory teo dia nanao fanekempihavanana tao an-tranon’Andriamanitra ny amin’ny mpanjaka, sady nilazan’i Jôiadà hoe:
–Indro i Jôasy zanakalahin’ny mpanjaka. Izy no tokony hanjaka araka ny nampanantenain’ny TOMPO ny amin’ny taranak’i Davida.

4Koa izao no hataonareo: ianareo mpisorona sy levita izay milatsaka amin’ny andro sabata, dia aoka ny ampahatelonareo ho mpiandry ny varavaran’ny tempoly, 5ny ampahatelo hafa hiambina ao an-dapan’ny mpanjaka, ary ny ampahatelo sisa hiambina ilay vavahadin’ny Fanorenana; ary ny vahoaka rehetra kosa dia ho eo an-kianjan’ny tranon’ny TOMPO. 6Fa aza avela hisy hiditra ao an-tranon’ny TOMPO, afa-tsy ny mpisorona sy ny levita mpanao raharaha; ireo no hahazo miditra satria voatokana ho an’Andriamanitra; fa ny vahoaka rehetra dia hitandrina izay fepetra nasain’ny TOMPO hotandremana. 7Ianareo levita hafa kosa dia hanemitra manodidina ny mpanjaka, samy mitam-piadiana avy, ary koa hanaraka azy amin’izay toerana halehany; fa na iza na iza miditra ao an-tempoly, dia vonoy ho faty.

8Araka izay baiko rehetra nomen’i Jôiadà mpisorona no nataon’ny levita sy ny Jodeanina rehetra; ka ny tompon’andraikitra tsirairay dia samy nitondra ny olom-peheziny, dia izay nilatsaka na izay niala tamin’ny andro sabata, satria tsy nisy andiany navelan’i Jôiadà mpisorona hahazo lalana hody. 9Nomen’i Jôiadà an’ireo mpifehy andia-miaramila ny lefona aman’ampinga isan-karazany, izay an’i Davida mpanjaka saingy natoby tao an-tranon’Andriamanitra. 10Ireo miaramila rehetra samy nitam-piadiana ireo dia nalahatr’i Jôiadà hanodidina ny mpanjaka manomboka eo amin’ny lafiny havanan’ny tempoly ka hatramin’ny lafiny havia, dia teo anoloan’ny alitara fisoronana sy ny vatan-trano, ary efa vonona hanodidina ny mpanjaka. 11Tamin’izay dia navoaka i Jôasy zanakalahin’i Ahazià, ka nampisatrohina ny satroboninahitra maha-mpanjaka sady notolorana ny rakitsoratra momba ny zo aman’andraikitry ny mpanjaka. Ary nanosotra menaka hanokanana azy i Jôiadà sy ireo zanany lahy ka niantso hoe: «Ho ela velona anie ny mpanjaka!»

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12