mardi 7 juillet 2020
Talata 07 Jolay 2020 - Mar 3 : 13 - 19
13Ary niakatra teo an-tendrombohitra i Jesoa, ka niantso izay tiany hantsoina; ary niala teo amin’ny vahoaka ireo ka nanatona Azy. 14Ary nanendry 12 lahy izay nomeny anarana hoe apôstôly Izy, mba hiaraka aminy sy hirahiny hitoriteny 15ka hanam-pahefana handroaka ny demony. 16Ireto no voatendriny ho isan’ny 12 lahy: i Simôna izay nampian’i Jesoa anarana hoe Petera; 17i Jakôba sy i Jôhany mirahalahy zanak’i Zebedeo ary nampian’i Jesoa anarana hoe Boanerjesy, izany hoe olona mahery setra tahaka ny varatra; 18i Andrea, i Filipo, i Bartôlômeo, i Matio, i Tômà, i Jakôba zanak’i Halfeo, i Tadeo, i Simôna Kananeanina, 19ary i Jodasy Iskariôta ilay nanolotra an’i Jesoa.
-
1Ary niteny tamin'i Ahaba mpanjaka i Elià izay Tisbita anisan'ny mponina tao Gilehada hoe: –Velona ny TOMPO Andriamanitr'i Isra...
-
29Fa novalian'i Petera sy ny apôstôly hoe: –Andriamanitra no tsy maintsy ekena fa tsy ny olombelona. 30Efa natsangan'ilay Andriaman...