vendredi 31 juillet 2020

Zoma 31 Jolay 2020 - Lio 8 : 26 - 39

26Dia nitody teny amin’ny faritanin’i Gergesà tandrifin’i Galilea ry i Jesoa sy ny mpianany. 27Vao niala tao an-tsambokely hankeo an-tanety i Jesoa, dia nisy lehilahy anankiray avy ao an-tanàna nitsena Azy. Azon’ny demony ralehilahy ka hatry ny ela no manary lamba, sady tsy mahapetraka an-trano fa nonina teny amin’ny fasana. 28Vao nahatazana an’i Jesoa izy, dia nikiakiaka sady niankohoka teo anatrehany no niteny tamin’ny feo mahery hoe:
–Fa hataonao inona aho, ry Jesoa Zanak’Andriamanitra avo indrindra? Mihanta aminao aho, aza dia ampijalîna re!

29I Jesoa manko efa nandidy ny fanahy maloto hiala tamin-dralehilahy. Efa imbetsaka io fanahy maloto io no namely azy; fatorana gadra tongotra aman-tanana izy no ambenana, kanefa manapaka fatorana ihany ary entin’ny demony miriorio any an-taniefitra.

30Dia hoy i Jesoa nanontany an-dralehilahy:
–Iza no anaranao?

Ka novaliany hoe:
–Tafika no anarako.

31Fa maro tokoa ny demony tafiditra tao amin’ilay olona. Dia niangavy tamin’i Jesoa ireo demony mba tsy hodidiany hivarina any anaty hantsana.

32Ary nisy kisoa maro, andiany iray, nandrasana teo amin’ny kisolosolon’ny havoana. Koa niangavy tamin’i Jesoa ny demony mba havelany hiditra amin’ireo kisoa ireo, ary nekeny ny fangatahany. 33Rehefa niala tamin-dralehilahy ny demony, dia niditra tamin’ny kisoa; ary nirifatra ny andian-kisoa ka nivarimbarina tan-kilahila ho any anaty farihy, dia maty tao.

34Vao nahita ny zava-niseho ireo mpiandry kisoa, dia nandositra ary nilaza ny vaovao tao an-tanàna sy teny ambanivohitra. 35Dia lasa ny olona hijery ny zava-niseho; ka nony tonga teo akaikin’i Jesoa, dia nihoron-koditra nahita an-dralehilahy nialan’ny demony, mipetraka tsara eo an-tongotr’i Jesoa, mitafy lamba sady ary saina. 36Ry zareo nanatri-maso kosa nitantara tamin’ireo vao tonga ny nahasitranan’ilay azon’ny demony. 37Raiki-tahotra mafy ny mponina rehetra, ka dia nangataka an’i Jesoa mba hiala teo amin’ny faritanin’i Gergesà. Dia niondrana an-tsambokely Izy ndeha hiverina. 

38Niangavy tamin’i Jesoa kosa ralehilahy nialan’ny demony mba hiaraka aminy, fa nampodîny nataony hoe:
39–Modia any an-tranonao, ka tantarao ny zava-dehibe nataon’Andriamanitra taminao.
Dia lasa ralehilahy nitory teny eran’ny tanàna ny zava-dehibe nataon’i Jesoa taminy.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12