17Nambaran’i Natàna tamin’i Davida avokoa izay rehetra nolazain’Andriamanitra azy nandritra io fahitana io.
18Ary nankeo anatrehan’ny TOMPO tao an-tranolay i Davida mpanjaka, ka nipetraka sady nivavaka hoe:
–Ry Tompo ANDRIANANAHARY ô, mba iza moa aho ary mba inona ny fianakaviako, no tonganao amin’ny toerana misy ahy izao? 19Kanefa mbola kely izany eo imasonao, ry Tompo ANDRIANANAHARY ô, ka efa nanaovanao fampanantenana koa hatramin’ny taranako mbola any aoriana lavitra any. Araka ny fomban’olombelona ve izany, ry Tompo ANDRIANANAHARY ô? 20Koa inona indray no mbola holazaiko aminao? Fa Ianao, ry Tompo ANDRIAMANITRA ô, mahalala ahy mpanomponao. 21Noho ny fampanantenànao sy araka ny sitraponao no nanaovanao izao asa lehibe manontolo izao hampahalalainao ahy. 22Lehibe Ianao amin’izany, ry Tompo ANDRIANANAHARY ô: fa tsy misy tahaka Anao ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy Ianao, araka izay rehetra ren’ny sofinay. 23Moa misy eto an-tany firenena tahaka an’i Israely vahoakanao? Dia ilay firenena navotanao ho afaka tamin’ireo Ejiptianina sy ireo andriamaniny mba ho tonga vahoakanao ka nomenao laza tamin’ny nanatanterahanao izao asa lehibe izao ho azy ary zava-mahatahotra ho an’ny taninao. 24Nampiorina mafy an’i Israely ho vahoakanao mandrakizay Ianao, TOMPO ô, sady efa tonga Andriamaniny.