samedi 18 juillet 2020

Sabotsy 18 Jolay 2020 - I Sam 17 : 34 - 47

34Fa hoy ny navalin’i Davida hoe:
–Tompokolahy, raha miandry ny ondrin-draiko aho, ka nisy liona na bera tonga maka amin’ireo, 35dia nanenjika azy aho ka mikapoka azy ary manaisotra ny haza mby am-bavany; ary raha miantsambotra amiko izy, tonga dia raisiko amin’ny vavany, dia vonoiko ho faty. 36Raha izany no nahafatesan’ny mpanomponao ny liona sy ny bera, dia ho tahaka izany koa no hanjo io Filistinina mpanompo sampy io, satria nihantsy ny tafik’ilay Andriamanitra velona izy. 37Ny TOMPO izay efa niaro ahy tamin’ny hohon’ny liona sy ny bera, dia hanafaka ahy koa amin’ny tanan’io Filistinina io.

Dia hoy i Saoly tamin’i Davida:
–Mandehana àry, ka homba anao anie ny TOMPO!

38Nomen’i Saoly hanaovan’i Davida ny fitafiany fentiny miady dia ny satroka varahina aro loha izay napetrany teo an-dohan’i Davida, ary akanjo varahina aro tena. 39Mbola nafatotr’i Davida tamin’ny akanjony koa ny sabatr’i Saoly, ary dia nanandrana namindra izy, nefa tsy afaka, satria tsy mbola zatra nitondra ireny, ka dia hoy izy tamin’i Saoly: «Tsy mba afa-mamindra amin’ireto zavatra tsy nahazatra ahy ireto aho.» Ary nesorin’i Davida teny aminy avokoa ireny. 40Noraisiny ny tehiny, dia lasa izy nifantina vato kilonjy dimy terỳ amoron’ny ranon-driaka, ka nataony tao anaty kitapony fitondra miandry ondry. Nataony an-tanana ny antsamotadiny, dia roso izy hiatrika ilay Filistinina. 41i Gôliata etsy andaniny, ialohavan’ilay mpitondra ny ampingany, sady manatona tsikelikely an’i Davida. 42Dia nandinika an’i Davida ilay Filistinina ka naneso azy, satria hitany fa mbola tanora izy no mazava endrika ary tsara tarehy. 

43Ary hoy i Gôliata tamin’i Davida:
–Alika angaha aho no hatonin’ialahy amin’ny tehina? Ho voaozona anie ialahy amin’ny alalan’ireo andriamanitray! 44Avia atỳ, fa homeko ny voro-manidina sy ny bibidia ny nofon’ialahy.

45Dia hoy ny navalin’i Davida azy:
–Manatona ahy amin’ny sabatra sy ny lefona ary ny lefom-pohy ianao, izaho kosa manatona anao amin’ny anaran’ny TOMPOn’izao rehetra izao, Andriamanitry ny tafik’i Israely, Izay efa nohantsinao. 46Anio ihany no hanoloran’ny TOMPO anao ho eo am-pelatanako, hahafaty anao aho ka hanapaka ny lohanao. Anio koa dia homeko hohanin’ny voro-manidina sy ny bibidia ny fatin’ny miaramila filistinina. Ary ho fantatry ny tany tontolo fa manana Andriamanitra tokoa i Israely. 47Dia ho fantatry ny Fiangonan’i Israely tsivakivolo koa fa tsy mba mila sabatra na lefona ny TOMPO hanomezam-pandresena. An’ny TOMPO ny ady, koa dia hatolony ho eo an-tananay ianareo.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12