jeudi 30 juillet 2020

Alakamisy 30 Jolay 2020 - Eks 5 : 1 - 15

1Taorian’izany dia nankany amin’ny Farao i Mosesy sy i Aharôna ka niteny taminy hoe:
–Izao no nambaran’ny TOMPO, Andriamanitr’i Israely: «Alefaso ny vahoakako mba hanao fety any an-taniefitra ho fanajana Ahy.»

2Dia hoy ny Farao:
–Iza moa ny TOMPO no hoekeko, ka handefasako ny Israelita handeha? Tsy fantatro IZY, koa tsy halefako handeha ianareo!

3Dia hoy indray i Mosesy sy i Aharôna hoe:
–Ilay Andriamanitry ny Hebreo, ilay TOMPO Andriamanitray, no niseho taminay. Koa mba avelao izahay handeha lalana telo andro any an-taniefitra hanao sorona aminy, fandrao hamely anay amin’ny areti-mifindra na amin’ny ady Izy.

4Fa hoy ny mpanjakan’i Ejipta taminy:
–O ry Mosesy sy i Aharôna, nahoana ianareo no manaketraka ny vahoaka israelita amin’ny asany? Mandehana ianareo mankany amin’ny asa fanompoanareo. 5Ankehitriny efa tonga marobe eto amin’ity tany ity ireo olona ireo, ka tianareo hitsahatra amin’ny asa fanompoany ve?

6Androtr’iny ihany dia nomen’ny Farao baiko ireo Ejiptianina lehiben’ny asa fanompoana sy ireo Israelita mpitandrin-draharaha ka nilazany hoe:
7–Aza omenareo mololo toy ny taloha intsony ny Israelita amin’ny fanaovam-biriky, fa izy ireo ihany no aoka handeha hanangona mololo ho azy. 8Kanefa ny isan’ny biriky izay fanaony teo aloha dia takio aminy ihany fa aza ahenanareo, satria olona kamo ireo. Koa izany no itarainany handeha hanao sorona ho amin’ilay Andriamaniny. 9Hamafiso fanompoana ireo olona ireo, dia hifototra amin’izany ka tsy hanonofinofy teny lainga.

10Dia nivoaka ny lapa ireo lehiben’ny fanompoana sy ireo mpitandrin-draharaha ka nilaza tamin’ny Israelita hoe:
–Izao no lazain’ny Farao: tsy hanome mololo anareo intsony aho. 11Ianareo ihany no mandehana maka mololo ho anareo amin’izay ahitanareo any, kanefa tsy hisy hahena ny asa fanompoanareo.

12Dia niparitaka manerana ny tany Ejipta manontolo ny Israelita hanangona vodivary hatao mololo. 13Ireo lehiben’ny fanompoana kosa dia nandodona hoe: «Vitao ny asa takîna aminareo isan’andro, tahaka ny tamin’ny mbola nisy mololo ihany!» 14Nokapohiny aza ny mpitandrin-draharaha israelita notinendriny, sady nanontaniany hoe: «Nahoana omaly sy androany no tsy vitanareo ny isan’ny biriky anjaranareo toy ny teo aloha?»

15Nankao amin’ny Farao ireo Israelita mpitandrin-draharaha ka nitaraina hoe:
–Nahoana no dia ataonao toy izao izahay mpanomponao?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12