1Mpiara-miasa amin’Andriamanitra izahay, ka mananatra anareo mba tsy hamela ho very maina ny fahasoavana voarainareo taminy. 2Fa hoy Andriamanitra ao amin’ny Soratra Masina:
«Tamin’ny fotoana mety,
dia namaly ny antsonao Aho;
ary tamin’ny androm-pamonjena,
dia tonga namonjy anao Aho.»
Indro ankehitriny no fotoana mety amin’Andriamanitra; indro ankehitriny no androm-pamonjena.
3Mba tsy hahazoan’ny olona manakiana ny fanompoana sahaninay, dia tsy avelanay hisy zavatra mahasolafaka ny olona, na amin’inona na amin’inona. 4Fa ahariharinay kosa amin’ny zavatra rehetra fa mpanompon’Andriamanitra izahay, ka dia zakainay amim-pandeferana tokoa ny fahoriana sy ny fahaterena ary ny tebiteby: 5nokapohina izahay, nahiboka am-ponja, nianjadian-korontana, nampanaovina asa mafy, niari-tory ary nifady hanina. 6Ahariharinay fa mpanompon’Andriamanitra izahay amin’ny fahadiovan’ny toetranay, amin’ny fahalalànay, amin’ny faharetanay, amin’ny hamoram-ponay, amin’ny Fanahy Masina manentana anay, amin’ny fitiavana tsy mihatsaravelatsihy asehonay, 7amin’ny fitorianay ny marina ary amin’ny hery omen’Andriamanitra anay. Izay rariny no fiadiana ampiasainay hanafihana sy hiarovan-tena, 8na omem-boninahitra izahay na alàm-baràka, na ratsy laza izahay na tsara laza. Atao ho mpamitaka izahay nefa mpanambara ny marina, 9atao ho tsy fantatra nefa fantatra tsara, atao ho efa maty nefa dia izao velona izao. Faizina izahay, nefa tsy vonoina ho faty; 10na dia ampalahelovina aza izahay, dia faly mandrakariva; toa mahantra izahay nefa mampanan-karena olona maro; toa tsy manana na inona na inona, nefa manana ny zavatra rehetra.