mardi 4 août 2020

Talata 04 Aogositra 2020 - Fil 1 : 12 - 21

12Ry havana, tiako ny hahafantaranareo fa izay nihatra tamiko dia vao mainka nanjary fampandrosoana ny Vaovao Mahafaly; 13ka ny ato an-dapa manontolo sy ny olon-kafa rehetra dia samy mahalala fa voafonja noho ny amin’i Kristy aho. 14Nony nahita ahy voafonja ny ankamaroan’ireo havana iray finoana, dia vao mainka nataon’ny Tompo feno fahatokiana ka mihasahisahy kokoa mitory ny tenin’Andriamanitra tsy amin-tahotra.

15Eny, fialonana ahy sy fitia te hifanditra no itorian’ny sasany an’i Kristy, fa hitsim-po kosa no manentana ny sasany. 16Ireto dia asesiky ny fitiavana, satria fantany fa voatendrin’Andriamanitra hampandresy lahatra ny Vaovao Mahafaly aho; 17irerỳ kosa asesiky ny fifampiandaniana, ka tsy manambara an’i Kristy amin-kitsim-po, fa mihevitra hanampy trotraka ny fijaliako amin’izao maha voafonja ahy izao.

18Kanefa mampaninona moa izany? Amin’ny atao rehetra, na asesiky ny fihatsarambelatsihy na asesiky ny hevitra mahitsy, dia i Kristy no torîna, ka ifaliako izany; eny, hifaliako hatrany izany 19satria fantatro fa ho tonga famonjena ahy noho ny vavakareo ary noho ny fanampian’ilay Fanahy Masina nampanantenain’i Jesoa Kristy. 20Miandry sy manantena mafy tokoa aho, ka tsy hahazo henatra tsy akory; fa na ankehitriny aza, toy ny mandrakariva ihany, dia ho feno fahasahiana aho ka i Kristy no hankalazaina ao amin’ny tenako, na velona aho na maty. 21Fa amiko, dia i Kristy no fiainana; ary ny fahafatesana no ahazoako tombony.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12