32Ary inona koa no holazaiko? Tsy hanam-potoana aho raha hilazalaza momba an-dry i Gidehôna sy i Baràka, ry i Samsôna sy i Jeftà, ry i Davida sy i Samoela ary ny mpaminany. 33Noho ny finoana dia nandresy fanjakana maro ireo, sy nampihatra ny rariny ka nahazo izay nampanantenain’Andriamanitra; nanakombona ny vavan’ny liona ireo, 34namono ny afo midedadeda, tokony ho voan’ny sabatra nefa tsy voa, nalemy nefa tonga natanjaka, nahery an’ady ka nampandositra ny tafiky ny firenen-kafa. 35Noho ny finoana no nandraisam-behivavy ny zanany maty voatsangana ho velona indray.
Ny sasany nampijalijalîna ho faty nefa tsy nety nanao izay hahafahany, mba hitsanganany ho velona aina tsara lavitra; 36ary ny sasany nesoina sy nokapohina mafy, ary nofatorana sy nahiboka am-ponja. 37Tao ireo maty notoraham-bato, tapa-droa notsofàna, novonoina tamin-tsabatra; tao ireo nafindrafindra monina nitafy hoditr’ondry na hoditr’osy, ka nahantra sy nampahorîna ary fadiranovana. 38Tsy mendrika hitoerany akory izao tontolo izao, ka nanjenjena tany an-taniefitra sy tany an-tendrombohitra ireo ary nonina tanaty zohy sy tanaty lavaka.
39Ireo olona rehetra ireo dia ny finoany no vavolombelon’ny mahatsara laza azy; kanefa, na dia izany aza, dia tsy mbola azon’ireo ny nampanantenaina azy. 40Fa Andriamanitra efa nanamboatra zavatra tsara lavitra ho antsika, mba tsy ho tonga amin’ny tanjona natao hiafarana ireo raha tsy efa mby eo koa isika.