17Tamin’izay dia nanome baiko ny mpanjaka mba halaina i Daniela ka hatsipy ao an-davaky ny liona. Dia niteny kosa ny mpanjaka ka nanao tamin’i Daniela hoe: «Andriamanitrao, Izay tompoinao fatratra, no hany hamonjy anao!»
18Dia nisy vato natampina ny vavan-davaka; ary ny mpanjaka nanomboka izany tamin’ny tombokaseny sy tamin’ny an’ireo olo-manan-kajany mba tsy hisy hovana ny amin’i Daniela. 19Dia nody tany an-dapany ny mpanjaka ary tsy nihinan-kanina nandritra ny alina sady tsy nampiditra vehivavy teo anatrehany, na dia tsy nahita tory aza.
20Fa raha vao nangiran-dratsy ny andro, dia nifoha ny mpanjaka ka nandeha faingana nankany amin’ny lavaky ny liona. 21Ary raha nanatona ny lavaka izy, dia niantso an’i Daniela tamin’ny feo malahelo hoe:
–Ry Daniela mpanompon’Andriamanitra velona ô, moa Andriamanitrao Izay tompoinao fatratra va afaka namonjy anao tamin’ny liona?
22Dia niteny tamin’ny mpanjaka i Daniela hoe:
–Ho ela velona anie ianao, ry mpanjaka! 23Ny Andriamanitro efa naniraka ny anjeliny hanakombona ny vavan’ny liona tsy handratra ahy, satria hita tsy manan-tsiny teo anatrehany aho; ary tsy nanao ratsy teo anatrehanao koa aho, ry mpanjaka.
24Tamin’izay dia faly tokoa ny mpanjaka, ka nasainy nakarina avy ao an-davaka i Daniela; rehefa tafakatra izy, dia tsy nahitana ratra akory satria natoky an’ilay Andriamaniny. 25Ary nanome baiko ny mpanjaka mba halaina ireo lehilahy izay niampanga an’i Daniela ka hatsipy ao an-davaky ny liona izy mbamin’ny vady aman-janany. Fa raha tsy mbola nipaka tamin’ny vody lavaka akory izy mianakavy, dia nifandrombahan’ny liona ka nopotipotehiny ny taolany rehetra.