1Koa raha manana ireo fampanantenana ireo isika, ry hava-malala, dia aoka isika hitandrin-tena hadio sy ho afaka amin’ny fahalotoana rehetra na ara-batana na ara-panahy, ka hiezaka ho masina tanteraka amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra.
2Mba ataovy omby anay ny fonareo. Tsy nanisy ratsy olona izahay, na nanimba olona, na nanambaka olona. 3Tsy ny hanameloka anareo no ilazako izany; fa efa voalazako rahateo fa lalainay ao am-ponay ianareo, ka ho tafaraka aminay hatrany na velona na maty. 4Lehibe ny fahatokiako anareo, tena reharehako tokoa ianareo; ka feno fampaherezana aho sady tsy omby tratra ny hafaliako amin’ny fahoriana rehetra manjo anay.
5Na dia tonga tany Masedônia7.5 Ampit 2.13. tokoa aza izahay, dia tsy nisy hilaminanay mihitsy, fa nifandafaram-pahoriana izahay: teo ivelany, nisy ady namelezana anay; tao anatinay, nisy tahotra. 6Kanefa Andriamanitra, Izay mampahery ny ory fo, dia nampahery anay tamin’ny nahatongavan’i Tito; 7ary tsy ny nahatongavany ihany no nampahery anay, fa ny fampaherezana azony taminareo koa: notantarainy taminay fa maniry mafy hihaona amiko indray ianareo, sady nitomany noho ny zava-nitranga ary nazoto hanaiky ahy; ka dia vao mainka faly aho.