Affichage des articles dont le libellé est Mandà ny lainga ny marina. Afficher tous les articles
Affichage des articles dont le libellé est Mandà ny lainga ny marina. Afficher tous les articles

mercredi 31 octobre 2012

Alarobia 31 Oktobra 2012 - Mar 14 : 53 - 61


53 Nentina tao an-tranon'ny mpisorombe i Jesoa. Tonga tao avokoa ireo lohandoha-mpisorona sy loholona ary mpahay lalana. 54 Fa i Petera kosa nanaraka an'i Jesoa teny lavidavitra teny mandra-pahatonga tao an-tokotanin'ny tranon'ny mpisorombe, dia niara-nipetraka tamin'ireo mpiandry raharaha ka namindro teo anilan'ny afo. 55 Nokarohin'ireo lohandoha-mpisorona sy ireo rehetra anisan'ny Fitsarana ambony teo amin'ny Jiosy izay mety hiampangana an'i Jesoa hanamelohana Azy ho faty, saingy tsy nahita ry zareo. 56 Eny, maro ireo niampanga lainga an'i Jesoa, nefa tsy nifanaraka ny fiampangana nataony. 57 Dia nisy nitsangana niampanga lainga an'i Jesoa toy izao: 58 Renay ilay io nanao hoe: Horavako ity tempoly nataon-tanan'olombelona ity, ary ao anatin'ny telo andro, dia hanorina hafa tsy nataon-tanan'olombelona Aho. 59 Fa tsy nifanaraka akory ny filazan'ireo mpiampanga na dia tamin'izany aza. 60 Dia nitsangana nankeo afovoan'ny mpivory ny mpisorombe ary nanontany an'i Jesoa hoe: Tsy mamaly akory ve Ianao? Inona no iampangan'ireo Anao? 61 Fa nangina i Jesoa ary tsy namaly akory. Dia nanontany Azy indray ny mpisorombe nanao hoe: Ianao ve no Kristy, Zanak'ilay Andriamanitra ankalazaintsika lalandava?

mardi 30 octobre 2012

Talata 30 Oktobra 2012 - Oha 6 : 16 - 19

16. -19. Misy zavatra enina izay halan'ny TOMPO ka tsy zakany mihitsy, dia ireto: ny fijery miavonavona, ny fiteny mandainga, ny tanana mahafaty olon-tsy manan-tsiny, ny fo mamorona teti-dratsy, ny tongotra dodon-kihazakazaka hanao ratsy, ny vavolombelona mandainga sy manendrikendrika. Fa misy koa zavatra fahafito, dia ny olona mpamafy ady amin'ny rahalahiny.

lundi 29 octobre 2012

Alatsinainy 29 Oktobra 2012 - Jao 20 : 24 - 29

24 Fa i Toma, ilay atao hoe Ikambana, anankiray tamin'ny 12 lahy, dia tsy mba tafaraka tamin'ireo mpianatra fony tonga i Jesoa. 25 Ka hoy ny mpianatra sasany tamin'i Toma: Efa nahita ny Tompo izahay! Fa hoy i Toma taminy: Raha tsy hitako eo amin'ny tanany roa ny loaky ny fantsika, ka atsofoko eo amin'ny loaky ny fantsika ny rantsan-tanako, ary atsofoko eo amin'ny fony ny tanako, dia tsy mba hino aho. 26 Nony afaka herinandro, dia vory tao an-trano indray ny mpianatr'i Jesoa; ary tafaraka tamin'ireo koa i Toma. Voahidy avokoa ny varavarana, kanefa dia tonga i Jesoa nijoro teo afovoan'ny mpianatra ary nanao hoe: Ho ao aminareo anie ny fiadanana! 27 Avy eo dia hoy Izy tamin'i Toma: Arosoy eto ny rantsan-tananao ka jereo ny tanako roa; arosoy koa ny tananao ka atsofoy eto amin'ny foko; ary aza malain-kino, fa minoa! 28 Dia namaly i Toma ka nanao taminy hoe: Tompoko sy Andriamanitro! 29 Fa hoy i Jesoa taminy: Noho ianao nahita Ahy, dia nino; sambatra kosa izay tsy nahita, nefa nino.

dimanche 28 octobre 2012

Alahady 28 Oktobra 2012 - Gen 4 : 6 - 12


6 Ary hoy ny TOMPO tamin'i Kaina: -Nahoana no tezitra sady manjombona tarehy ianao? Raha manao ny tsara ianao, moa tsy hahatraka? 7 Fa raha tsy izany, dia toy ny biby mamitsaka eo am-baravaranao ny ota. Te hanapaka anao izy, kanefa ianao no tokony hifehy azy. 8 Dia hoy i Kaina tamin'i Abela rahalahiny: -Andeha isika ho any an-tsaha. Nony mby tany an-tsaha izy ireo, dia niantoraka teny amin'i Abela rahalahiny i Kaina ka namono nahafaty azy. 9 Ary ny TOMPO nanontany an'i Kaina hoe: -Aiza moa i Abela rahalahinao? Dia hoy i Kaina hoe: -Tsy fantatro! Moa mpitandrina ny rahalahiko va aho? 10 Fa hoy kosa ny TOMPO hoe: -Inona ity nataonao? Ny feon'ny ran'ny rahalahinao mitaraina amiko avy ao amin'ny tany. 11 Ankehitriny dia manozona anao ny tany izay misokatra hitelina ny ran'ny rahalahinao. 12 Raha hamboly ny tany ianao, dia tsy hanome vokatra ho anao intsony izy; ka dia ho mpitsoa-ponenana sy ho mpirenireny eny ambonin'ny tany ianao.

samedi 27 octobre 2012

Sabotsy 27 Oktobra 2012 - Mik 6 : 6 - 16


6 Inona ary no hoentiko, rehefa manatona aho hiankohoka eo anatrehan'ny TOMPO, Andriamanitra avo indrindra? Moa zanak'omby iray taona hatao sorona dorana manontolo ve no hoentiko rehefa manatona Azy aho? 7 Ho sitraky ny TOMPO ve ny ondrilahy an'arivony na ny menaka mikoriana toy ny renirano? Hatolotro Azy ve ny zazalahy voalohan-terako ho fanalana ny heloka amam-pahotako? 8 Tsia, ry olombelona, fa efa nampianarina anao ny fitondrantena tsara sy izay tadiavin'ny TOMPO aminao: dia ny hanao ny rariny sy handala ny fitiavana ary ny hanaraka an'Andriamanitrao amim-panetrentena. 9 Fahendrena ny manaja ny TOMPO! Miantso ny ao an-drenivohitra Izy manao hoe: Mihainoa, ianareo ry fokon'i Joda sy ry loholona mivory eto an-drenivohitra! 10 Moa hohadinoiko ve ny harena maloto nangonin'ny ratsy fanahy ao an-tranony sy ny famarana tsy ampy? Zavatra mahatsiravina izany! 11 Moa heveriko ho madio izay mampiasa mizana mandainga sy mitondra an-kitapo ny vato tsy marina? 12 Mpanao herisetra ny mpanan-karena amin'ity renivohitra ity; ary mandainga sy mamitaka ny hafa ireo mponina ao aminy. 13 Izaho kosa nanomboka nikapoka anareo, mba handringanana anareo noho ny fahotanareo. 14 Hihinana ianareo nefa tsy ho voky, fa mbola eo aminareo ihany ny mosary, Hampirina ianareo nefa tsy hahatahiry; ary izay voatahirinareo aza dia holevoniko amin'ny ady. 15 Hamafy ianareo, nefa tsy hijinja; hanery oliva, nefa tsy hihosotra menaka; hanosihosy voaloboka, nefa tsy hisotro divay. 16 Fa tandremanareo fatratra ny ohatra ratsy nasehon'i Homry mpanjaka sy ny fihetsiky ry i Ahaba mianakavy, ka narahinareo ny fomba amam-panaony. Noho izany, dia hatolotro horavana ity renivohitrareo ity ary ho fihomehezana ianareo mponina ao aminy; ka ianareo no hitondra ny latsa mianjady amin'ny vahoakako.

vendredi 26 octobre 2012

Zoma 26 Oktobra 2012 - Apo 12 : 7 - 12

7 Dia nisy ady nitranga tany an-danitra: i Mikaela sy ny anjeliny no niady tamin'ilay dragona; ary niady ilay dragona mbamin'ny anjeliny. 8 Kanefa resy ilay dragona, sady tsy nahazo nitoetra tany an-danitra intsony. 9 Ary nazera ilay dragona, dia ilay bibilava fahizay, ilay atao hoe devoly na hoe Satana, izay mamitaka izao tontolo rehetra izao; nazera tamin'ny tany izy ary nazera niaraka taminy koa ireo anjeliny. 10 Dia reko nisy feo mahery tany an-danitra nanao hoe: Tonga izao ny famonjena sy ny hery ary ny fanjakan'ilay Andriamanitsika, tonga izao ny fahefan'ilay Mesiany; satria nazera ilay mpiampanga an'ireo havantsika, dia ilay mpiampanga azy ireo andro aman'alina teo anatrehan'Andriamanitsika. 11 Ireo havantsika kosa dia naharesy ilay mpiampanga, ka ny ra nafoin'ny Zanakondry sy ny tenin'Andriamanitra nijoroan'izy ireo ho vavolombelona no nandreseny azy; ary tsy nankamamy ny ainy intsony ireo na dia ho faty aza. 12 Noho izany, mifalia, ry lanitra sy ianareo monina ao aminy. Mampalahelo ianareo, ry tany aman-dranomasina, fa nidina any aminareo ny devoly sady misafoaka mafy, satria fantany fa kely sisa ny androny!

jeudi 25 octobre 2012

Alakamisy 25 Oktobra 2012 - Jao 17 : 14 - 19


14 Efa nomeko ny teninao ireo, ka ankahalain'izao tontolo izao: satria tsy naman'izao tontolo izao ireo, tahaka ny tsy maha naman'izao tontolo izao Ahy. 15 Tsy ny hanesoranao azy amin'izao tontolo izao no ivavahako, fa ny hiarovanao azy amin'ilay Ratsy. 16 Tsy naman'izao tontolo izao ireo, tahaka ny tsy maha naman'izao tontolo izao Ahy. 17 Atokany ho Anao araka ny hafatra marim-pototra ireo: ny teninao no hafatra marim-pototra. 18 Tahaka ny nanirahanao Ahy ho eo amin'izao tontolo izao no nanirahako azy ho eo amin'izao tontolo izao koa. 19 Ho azy ireo no anokanako tena aminao, mba ho voatokana ho Anao araka ny hafatra marim-pototra koa ireo.

mercredi 24 octobre 2012

Alarobia 24 Oktobra 2012 - Eks 23 : 7 - 8

7 Aza mihaino ny lainga tsara lahatra. Aza manameloka ho faty ny tsy manan-tsiny sy ny olo-marina, satria Izaho Tompo dia tsy hihevitra ny olon-dratsy toy izany ho marina. 8 Aza mandray tsolotra fa ny tsolotra no mahajamba ny mason'ny mahiratra sy mamadika ny tenin'ny olo-marina.

mardi 23 octobre 2012

Talata 23 Oktobra 2012 - II Kor 1 : 17 - 20

17 Moa nanao kitoatoa ve aho raha nikasa izany? Araka ny maha olombelona fotsiny ve no nikasako izany ka hahazoako hiroa teny, sady hanao eny no hanao tsia? 18 Raha mahatoky koa Andriamanitra, dia tsy mandray roa ny teninay taminareo ka sady ho eny no ho tsia. 19 Satria i Jesoa Kristy, ilay Zanak'Andriamanitra, Izay notorinay sy i Silasy ary i Timoty teo aminareo, dia tsy hoe sady eny no tsia; fa i Jesoa Kristy dia eny hatrany hatrany: 20 koa Izy no ilay eny mahato ny fampanantenana rehetra nataon'Andriamanitra. Izany koa no anton'ny anononantsika ny Amen amin'ny alalan'i Jesoa Kristy ho voninahitr'Andriamanitra.

lundi 22 octobre 2012

Alatsinainy 22 oktobra 2012 - Efe 4 : 25 - 30


25 Noho izany, ialao ny lainga; aoka samy hilaza ny marina amin'ny namany avy, fa isika rehetra dia samy anisan'ny tena iray ihany ka mifampiankina. 26 Raha sendra tezitra ianareo, dia aza manota: aoka tsy ho tratry ny masoandro milentika ny fahatezeranareo. 27 Aza omen-toerana ny devoly. 28 Izay nangalatra, aoka tsy hangalatra intsony; fa aleo mikely aina manao zavatra tsara, mba hisy homeny izay sahirana. 29 Aoka tsy hisy teny maloto aloaky ny vavanareo; fa mba teny mahasoa atao, hampandrosoana ny olona amin'ny finoana araka izay sahaza azy, ka hitondra soa ho an'izay mandre. 30 Aza mampalahelo ny Fanahy Masin'Andriamanitra ianareo fa ny Fanahy Masina no tombokase nahatonga anareo ho fananan'Andriamanitra, mba ho tody amin'ny andro hanavotana tanteraka anareo.

dimanche 21 octobre 2012

Alahady 21 Oktobra 2012 - II Tan 9 : 3 - 8


3. Ary rehefa samy hitan'ny mpanjakavavin'i Saba ny fahendren'i Salomona sy ny trano izay naoriny, 4. ny sakafo fihinana teo amin'ny latabany sy ny toeram-ponenan'ny tandapany ary koa ny fahamendrehana amam-pitafian'ireo mpandroso sakafo sy mpitondra divay, ny ambaratongan-tohatra izay niakaran'i Salomona ho ao an-tranon'ny TOMPO, dia talanjona aoka izany izy 5. -6. ka nilaza tamin'ny mpanjaka hoe:-Marina avokoa izay resaka reko tany amin'ny taniko momba ny tenanao sy ny fahendrenao. Nefa tsy nino ny filazan'olona aho, raha tsy tonga aty, ka ny masoko no mahita. Hay na dia ny antsasaky ny fahendrena anananao aza tsy voambara tamiko akory;indro mihoatra noho ny laza efa reko ianao. 7. Sambatra ireo olonao sy ireo tandapanao,satria eo anatrehanao mandrakariva ka mandre ny fahendrenao! 8. Hisaorana anie ny TOMPO Andriamanitrao, fa sitrany napetraka eo amin'ny seza fiandrianany ianao mba ho mpanjaka hanompo Azy TOMPO Andriamanitrao; fa ny fitiavan'Andriamanitrao an'i Israely ka hampitoetra azy mandrakizay no nanaovany anao ho mpanjaka mba hampihatra ny rariny sy ny fahamarinana.

samedi 20 octobre 2012

Sabotsy 20 Oktobra 2012 - Dan 2 : 27 - 30


27 Dia namaly ny mpanjaka i Daniela ka nanao hoe: Tsy misy olon-kendry na mpisikidy na mpanao majika na ombiasy afaka hanambara aminao ny zava-miafina izay anontanianao, ry mpanjaka! 28 Fa misy Andriamanitra any an-danitra ambony any Izay mampiseho ny zava-miafina, ka Izy no nampahafantatra an'i Nebokadnetsara mpanjaka izay hiseho amin'ny hoavy. Koa izao ary ny nofinao sy ny fahitana tao an-tsainao teo am-pandriana. 29 Raha natory ianao, ry mpanjaka, dia lasan'eritreritra ny amin'izay hiseho rahatrizay; koa Ilay mampiseho ny zava-miafina dia nampahafantatra anao izay hiseho rahatrizay. 30 Ary raha naseho tamiko io zava-miafina io, dia tsy hoe manam-pahendrena mihoatra noho ny miaina rehetra aho akory, fa mba hahazoana mampahalala anao ny hevitry ny nofinao, ry mpanjaka, ka hahafantaranao izay eritreritry ny fonao.

vendredi 19 octobre 2012

Zoma 19 Oktobra 2012 - Lio 8 : 19 - 20


19 Tonga hamangy an'i Jesoa ny reniny sy ny rahalahiny, nefa tsy afa-nanatona Azy noho ny hamaroan'ny olona; 20 dia nilazana i Jesoa hoe: Ao alatrano ao ny reninao sy ny rahalahinao teo hihaona kely aminao!

jeudi 18 octobre 2012

Alakamisy 18 Oktobra 2012 - Sal 120 : 1 - 4


1. Hira fiakarana. Fony aho tao an-katerena, dia nantsoiko ny TOMPO ka namaly. 2. ''TOMPO o, mba afaho re aho amin'ny mpilaza lainga sy fitaka!'' 3. Inona sy inona moa, ry mpilaza fitaka, no sazy hampiharin'Andriamanitra aminareo ?  4. Ireo zana-tsipika maranitra fitondra miady, sady voarehitra tamin'ny vainafon'anjavidy!

mercredi 17 octobre 2012

Alarobia 17 Oktobra 2012 - Oha 19 : 1 - 9


1. Aleo mahantra mizotra ho olom-banona toy izay mpanankarena milaza lainga.  2. Tsy tsara ny finiavana tsy ombam-pahalalana; ary izay mirotoroto fandeha no ho tafintohina.  3. Rehefa simban'ny hadalany ny lalan'ny olona, dia ny TOMPO indray no itezeran'ny fony. 4. Ny mpanankarena dia manan-tsakaiza maro; fa ny mahantra kosa mety hilaozan'ilay hany sakaizany. 5. Tsy ho afa-maina ny vavolombelona mandainga; ary tsy ho dify famaizana ny mpamafy lainga. 6. Maro no mandokadoka ny olona ambony; ary ny besinimaro dia sakaizan'ny mpanome zavatra. 7. Ny ory tsy havan-drahalahy manana; koa mainka va tsy handao azy ny sakaizany? Fa na mbola miteny aminy aza ilay ory, dia efa tsy misy eo intsony ireo. 8. Izay mianatra misaina no tia ny tenany ary izay mitandro fahaiza-manavaka no hahita fahasambarana. 9. Tsy ho afa-maina ny vavolombelona mandainga, ary ho very ny mpamafy lainga.

mardi 16 octobre 2012

Talata 16 Oktobra 2012 - Gen 18 : 9 - 15


9 Ary nanontany izy telo lahy hoe: -Aiza i Sara vadinao? Ka hoy ny navaliny azy: -Indro ao an-day izy. 10 Dia nilaza ny iray tamin'ny vahiny hoe: -Hiverina eto aminao aho amin'ny herintaona toy izao, ka hitera-dahy i Sara vadinao. I Sara anefa tamin'izay dia nihaino teo am-baravaran'ny tranolay, tao an-damosin'i Abrahama. 11 Samy antitra i Abrahama sy i Sara fa samy nandroso taona; ary i Sara dia efa nitsahatra tamin'ny fadimbolana. 12 Koa nihomehy anakampo i Sara nanao hoe: Dia mbola hisy fahafinaretana ho ahy ve amin'izao fahanterako izao sady efa antitra koa ny vadiko? 13 Dia hoy ny TOMPO tamin'i Abrahama: -Nahoana moa no mihomehy i Sara? Nahoana izy no manao anakampo hoe: Marina ve fa hiteraka tokoa ity izaho efa antitra ity? 14 Moa misy zavatra tsy hain'ny TOMPO tanterahina ve? Koa rehefa miverina eto aminao aho amin'ny herintaona toy izao, dia hanan-janaka lahy i Sara. 15 Fa nanda noho ny tahotra i Sara ka nanao hoe: -Tsy nihomehy aho. Hoy kosa ny TOMPO hoe: -Tsia, fa nihomehy ianao.

lundi 15 octobre 2012

Alatsinainy 15 Oktobra 2012 - Job 1 : 6 - 8

6. Indray andro raha tonga nanao tatitra tamin'ny TOMPO ireo zanak'Andriamanitra, dia mba tafaraka taminy teo koa i Satana. 7. Dia hoy ny TOMPO tamin'i Satana: -Avy taiza moa ianao? Dia namaly ny TOMPO izy hoe: -Avy nitetitety ny tany sy nihaodihaody teny aho. 8. Ary hoy ny TOMPO taminy: -Efa nahita an'i Joba mpanompoko ve ianao? Fa tsy misy tahaka azy eny ambonin'ny tany: lehilahy tsy misy hokianina sady mahitsy ary manaja Ahy izy ka mifady ny ratsy.

dimanche 14 octobre 2012

Alahady 14 Oktobra 2012 - Mat 5 : 10 - 12


10 Sambatra izay enjehina noho izy manao ny marina nosoritan'Andriamanitra, fa azy ny Fanjakan'ny lanitra! 11 Sambatra ianareo raha tevatevain'ny olona sy enjehiny ary ampangaina lainga amin'ny ratsy isan-karazany noho ny maha mpianatro anareo. 12 Mifalia sy miravoravoa ianareo fa lehibe ny valisoa miandry anareo any an-danitra, satria toy izany no nanenjehany ireo mpaminanin'Andriamanitra talohanareo!

samedi 13 octobre 2012

Sabotsy 13 Oktobra 2012 - Asa 5 : 1 - 6


1 Nisy kosa lehilahy atao hoe Hanania nivarotra tany rehefa nifanaraka tamin'i Safira vadiny. 2 Niray tsikombakomba tamin'ny vadiny ralehilahy ary nitazona ampahany ho azy roa tamin'ny vola vidin'ny tany; fa ny sisa no nentiny hatolotra teo anatrehan'ireo apostoly. 3 Dia hoy i Petera taminy: Ry Hanania, nahoana no dia nameno ny fonao i Satana ka nampandainga anao tamin'ny Fanahy Masina ary nampitazona ampahany ho anao tamin'ny vola vidin'ny tany? 4 Anao ange ny tany fony mbola tsy namidy, sady rehefa namidy dia eo am-pelatananao ny vola vidiny! Ka ahoana no dia nampisy tao am-ponao izao zavatra vitanao izao? Tsy olombelona no nandainganao, fa Andriamanitra. 5 Nony nandre izany teny izany i Hanania, dia nidaboka ho azy ka niala aina. Ary raiki-tahotra mafy izay rehetra nandre izany. 6 Tonga ny tovolahy, dia nofonosiny ny faty ary nentiny nalevina.

vendredi 12 octobre 2012

Zoma 12 Oktobra 2012 - Isa 59 : 1 - 4

1. Tsia, tsy fohy ny tanan'ny TOMPO fa mahavonjy, tsy lalodalovana ny sofiny fa mahare. 2. Saingy ny helokareo no mampisy efitra manelanelana anareo amin'Andriamanitrareo ary ny fahotanareo no manery Azy hanafin-tava, ho lavitra anareo ka tsy maha hainoanareo. 3. Satria voaloto amin'ny ra ny felatananareo ary voaloto amin'ny heloka ny rantsan-tananareo; lainga sy fanaratsiana no afafin'ny teninareo. 4. Tsy ara-drariny no itorianareo olona, tsy araka ny toetra mahatoky no iadianareo am-pitsarana; porofo tsy azo antoka no ianteheranareo, zavatra tsy marim-pototra no teniteneninareo; torontoronina ny ratsy ianareo ka miteraka loza.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12