vendredi 12 octobre 2012
Zoma 12 Oktobra 2012 - Isa 59 : 1 - 4
1. Tsia, tsy fohy ny tanan'ny TOMPO fa mahavonjy, tsy lalodalovana ny sofiny fa mahare. 2. Saingy ny helokareo no mampisy efitra manelanelana anareo amin'Andriamanitrareo ary ny fahotanareo no manery Azy hanafin-tava, ho lavitra anareo ka tsy maha hainoanareo. 3. Satria voaloto amin'ny ra ny felatananareo ary voaloto amin'ny heloka ny rantsan-tananareo; lainga sy fanaratsiana no afafin'ny teninareo. 4. Tsy ara-drariny no itorianareo olona, tsy araka ny toetra mahatoky no iadianareo am-pitsarana; porofo tsy azo antoka no ianteheranareo, zavatra tsy marim-pototra no teniteneninareo; torontoronina ny ratsy ianareo ka miteraka loza.
-
51 Indro misy tsiambaratelo ambarako aminareo: tsy hodimandry avokoa isika rehetra; 52 vetivety foana, indray mipy maso, rehefa maneno ny t...
-
29Fa novalian'i Petera sy ny apôstôly hoe: –Andriamanitra no tsy maintsy ekena fa tsy ny olombelona. 30Efa natsangan'ilay Andriaman...