lundi 22 octobre 2012
Alatsinainy 22 oktobra 2012 - Efe 4 : 25 - 30
25 Noho izany, ialao ny lainga; aoka samy hilaza ny marina amin'ny namany avy, fa isika rehetra dia samy anisan'ny tena iray ihany ka mifampiankina. 26 Raha sendra tezitra ianareo, dia aza manota: aoka tsy ho tratry ny masoandro milentika ny fahatezeranareo. 27 Aza omen-toerana ny devoly. 28 Izay nangalatra, aoka tsy hangalatra intsony; fa aleo mikely aina manao zavatra tsara, mba hisy homeny izay sahirana. 29 Aoka tsy hisy teny maloto aloaky ny vavanareo; fa mba teny mahasoa atao, hampandrosoana ny olona amin'ny finoana araka izay sahaza azy, ka hitondra soa ho an'izay mandre. 30 Aza mampalahelo ny Fanahy Masin'Andriamanitra ianareo fa ny Fanahy Masina no tombokase nahatonga anareo ho fananan'Andriamanitra, mba ho tody amin'ny andro hanavotana tanteraka anareo.
-
1Ary niteny tamin'i Ahaba mpanjaka i Elià izay Tisbita anisan'ny mponina tao Gilehada hoe: –Velona ny TOMPO Andriamanitr'i Isra...
-
29Fa novalian'i Petera sy ny apôstôly hoe: –Andriamanitra no tsy maintsy ekena fa tsy ny olombelona. 30Efa natsangan'ilay Andriaman...