18Ary i Jôhany Mpanao batisa* nilazan'ny mpianany izany rehetra izany, ka niantso roa lahy tamin'ireo mpianany 19sy naniraka azy hankany amin'ny Tompo hanontany hoe: «Ianao ve no Ilay ho avy sa olon-kafa no mbola tokony handrasanay?»
20Nony tonga tany amin'i Jesoa izy roa lahy, dia nanao hoe:
–I Jôhany Mpanao batisa no naniraka anay hankatỳ aminao hanontany hoe: «Ianao ve no Ilay ho avy sa olon-kafa no mbola tokony handrasanay?»
21Tamin'izany indrindra i Jesoa dia nanasitrana olona maro tamin'ny aretina sy ny rofy ary ny fanahy ratsy, sady nampahiratra ny jamba maro.
22Ka hoy Izy namaly ireto iraka hoe:
–Ndeha ambarao amin'i Jôhany ny zavatra hitanareo sy renareo: mahiratra ny jamba, mandeha tsara ny mandringa, madio ny marary hoditra*, mandre ny marenina, atsangana ho velona ny maty, itoriana ny Vaovao Mahafaly* ny mahantra. 23Koa sambatra izay tsy voasakana hino Ahy!
Affichage des articles dont le libellé est Maneho ny Tenany amin'ny asany ny Tompo. Afficher tous les articles

dimanche 31 janvier 2016
samedi 30 janvier 2016
Sabotsy 30 Janoary 2016 - Rom 16 : 25 - 27
25Ho an'Andriamanitra anie ny voninahitra! Fa Izy no mahay mampahery anareo araka ny Vaovao Mahafaly* ambarako, araka ny hafatra torîko momba an'i Jesoa Kristy*, araka ny fanehoana tamiko ny tsiambaratelo takona hatrizay tao amin'Izy Andriamanitra. 26Ankehitriny kosa, izany tsiambaratelo izany dia naharihary tamin'ny alalan'ny soratr'ireo mpaminany*, araka ny didin'ilay Andriamanitra mandrakizay, ary nampahafantarina ny firenen-drehetra mba hitarihana azy ireo hino sy hanaiky an'i Kristy. 27Eny, ho an'Andriamanitra hany manam-pahendrena anie ny voninahitra, amin'ny alalan'i Jesoa Kristy, mandrakizay mandrakizay! Amen*'>
vendredi 29 janvier 2016
Zoma 29 Janoary 2016 - Mat 8 : 5 - 13
5Rehefa niditra tao Kafarnahòma i Jesoa, dia nisy kapitenin-tafika nanatona Azy sady nitaraina taminy 6hoe:
–Tompo ô, milamaka ao an-tranoko ao re ny mpanompoko, fa malemy sady mijaly mafy dia mafy.
7Ary hoy i Jesoa taminy:
–Ho avy Aho hanasitrana azy!
8Dia novalian'ny kapiteny hoe:
–Tompo ô, tsy mendrika handrosoanao an-trano aho; fa teny fotsiny re atao, dia ho sitrana ny mpanompoko. 9Izaho manko, na ambany fahefan'olona aza, dia mba mifehy miaramila ihany; ka raha misy ataoko hoe «Mandehana», dia mandeha izy; na misy antsoiko hoe «Avia», dia avy izy; ary raha ny mpiasako no ilazako hoe «Ataovy izao», dia manao izy.
10Gaga i Jesoa raha nandre izany, ka loa-bolana tamin'ireo nanaraka Azy nanao hoe:
–Lazaiko marina aminareo fa mbola tsy nisy olona nahitako finoana toy izany tamin'i Israely*. 11Ambarako aminareo fa maro ny avy any atsinanana sy avy any andrefana no hipetraka hiara-misakafo amin-dry i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba any amin'ny Fanjakàn'ny lanitra*. 12Ireo natao handova ny Fanjakàn'ny lanitra kosa dia horoahina any amin'ny maizina any ivelany; ka any ireo no hitomany sy hikitro-nify.
13Dia hoy i Jesoa tamin'ilay kapiteny:
–Mandehana, ary aoka ho tonga aminao araka izay ninoanao.
Dia sitrana tamin'izany ora izany ilay mpanompony.

jeudi 28 janvier 2016
Alakamisy 28 Janoary 2016 - Eze 20 : 39 - 44
39Ary ny aminareo Israelita kosa dia izao no lazain'ny Tompo ANDRIANANAHARY: ‹Samia miroso manompo ny sampiny avy ianareo! Nefa any aoriana any dia hankatò Ahy mihitsy ianareo, ary tsy hanimbazimba ny anarako masina intsony amin'ny fanolorana fanatitra ho an'ny sampinareo. 40Fa teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izao: ny Israelita rehetra eo amin'ny tany dia hanao fanompoam-pivavahana Amiko eo an-tendrombohitra voatokana ho Ahy, dia ilay tendrombohitra avo any Israely'>. Eo no handraisako tsara anareo sy hiangaviako hitondranareo izay rehetra voatokanareo ho Ahy, dia ny fanomezana sy fanatitra amin'izay tsara indrindra anananareo. 41Miaraka amin'ny sorona manetona hanitra ankasitrahiko no handraisako tsara anareo, rehefa havoakako avy eo anivon'ny firenen-kafa ianareo sy hovoriko avy any amin'ny tany izay nampielezako anareo. Ka ny hataoko aminareo no hanehoako ny maha Andriamanitra Masina Ahy eo imason'ny firenen-kafa. 42Amin'izay dia hoekenareo fa Izaho no TOMPO, rehefa tafaveriko ao amin'ny tanin'i Israely izay nianianako homeko ny razanareo. 43Ao ianareo no hisaintsaina ny fitondrantenanareo tamin'ny lasa sy ireo asa nampahaloto anareo. Haharikoriko anareo ny tenanareo noho ny ratsy rehetra efa nataonareo. 44Tsy araka ny toe-dratsinareo sy ny asa tsy mendrika nataonareo no havaliko anareo, ry Israelita, fa mba ho fitandroako ny lazako. Amin'izay dia hoekenareo fa Izaho no TOMPO. Teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany.»
mercredi 27 janvier 2016
Alarobia 27 Janoary 2016 - Kol 1 : 15 - 20
15I Kristy dia endrik'ilay Andriamanitra tsy hita. Izy no Zanaka lahimatoa, ambonin'ny voaary rehetra. 16Tao aminy no naharian'Andriamanitra ny zavatra rehetra any an-danitra sy eto an-tany, ny hita sy ny tsy hita, na fiandrianana, na fanjakana, na fanapahana, na fahefana'>. Tamin'ny alalany sy ho Azy no naharian'Andriamanitra ny zavatra rehetra. 17Nisy talohan'ny zavatra rehetra Izy sady ao aminy no aharetan'ny zavatra rehetra. 18I Kristy no lohan'ny Fiangonana izay tenany; Izy no fiandohan'ny fiainam-baovao, Zanaka lahimatoa, ilay voalohany natsangana ho velona avy tany amin'ny maty, mba ho lohalaharana amin'ny zavatra rehetra. 19Fa tao aminy no sitrak'Andriamanitra hitoeran'ny hafenoana tanterakadkt hafa ho henika Azy tanteraka. '>; 20ary ny ra nafoiny teo amin'ny hazofijalianaao amin'ny Baiboly, ny hoe ra dia tsy ra fe ra mikoriana ao amin'ny lalan-dra, fa ny aina mihitsy koa (jereo ohatra Gen 9.4-5). Ka ny hoe «ra nafoiny teo amin'ny hazofijaliana» dia manondro ny nanoloran'i Jesoa ny ainy, manondro ny fahafatesany sy ny sorona nataony teo amin'ny hazofijaliana. Ampit Ef 2.16.'> no nanaovan'Andriamanitra fampihavanana, ka dia tamin'ny alalany no sitrak'Andriamanitra hampihavanana amin'Izy Ray ny zavatra rehetra na ny eto an-tany na ny any an-danitra.
mardi 26 janvier 2016
Talata 26 Janoary 2016 - Isa 30 - 19 - 26
19Ary ianao, ry vahoakan'i Tsiôna*
izay monina ao Jerosalema,
tsy hitomany intsony ianao.
Fa hiantra anao tokoa ny Tompo,
raha vao mandre ny antsonao;
eny, hamaly anao Izy raha vao mandre.
20Homen'ny Tompo anao ny mofo sy rano
amin'ny andro ampahoriana sy amoretana anao;
Izy tokoa no mpampianatra anao
ka tsy hiafina aminao intsony,
ary ny masonao mihitsy no hahita Azy.
21Fa na handeha hiankavanana na hiankavia ianao,
dia ho renao avy aoriana izao teny izao:
«Ity no lalana ka araho».
22Hoheverinao ho zava-maloto
ny sampy voasokitra mifono volafotsy
sy ny sarivongana voarakotra volamena,
ka hatsipinao toy ny zava-maharikoriko
ary hataonao hoe: «Mialà amiko!»
23Handrotsaka ranonorana ny Tompo
ho an'ny voa izay nafafinao any an-tsaha,
ka ny sakafo hovokarin'ny tany
dia sady ho betsaka no hatsiro.
Amin'izany andro izany, ny biby fiompinao
dia hiraoka amin'ny kijàna midadasika.
24Ny omby sy boriky miasa tany
dia hihinana vilona voaisy siravilona voaisy sira. '>
sady voaparitaka amin'ny farango fikororohana.
25Amin'ny andron'ilay fandringanana goavana,
rehefa hianjera ireo tilikambo,
dia samy hisy renirano mikoriana
eny an-tendrombohitra manerinerina
sy eny amin'ny havoana miteronterona.
26Amin'ny andro hitsaboan'ny TOMPO
ireo ratra nanjo ny vahoakany
sy hanasitranany ny fery tamin'ny namelezana azy,
ny fahazavàn'ny volana
dia ho tahaka ny an'ny masoandro,
ary ny fahazavàn'ny masoandro
dia hamiratra ho impito heny
raha oharina amin'ny hazavàny isan'andro.

lundi 25 janvier 2016
Alatsinainy 25 Janoary 2015 - Jao 14 : 8 - 11
8I Filipo kosa nanao taminy hoe:
–Asehoy anay ny Ray, ry Tompo, dia ampy ho anay izay.
9Fa hoy i Jesoa taminy:
–Izay ela izay no niarahako taminareo ka tsy fantatrao ve Aho, ry Filipo? Izay nahita Ahy, dia nahita ny Ray; koa ahoana no anaovanao hoe: «Asehoy anay ny Ray»? 10Tsy mino ve ianao fa Izaho dia ao anatin'ny Ray, ary ny Ray ato anatiko? Ny teny izay lazaiko aminareo, dia tsy ambarako avy amin'ny tenako: fa ny Ray Izay mitoetra ao anatiko no manao ny asany. 11Minoa Ahy fa Izaho dia ao anatin'ny Ray ary ny Ray ato anatiko; raha tsy mino ny teniko ianareo, dia minoa ahay noho ireny asa ireny.

dimanche 24 janvier 2016
Alahady 24 Janoary 2016 - Sal 145 : 8 - 14
HETA
8Miantra sy be indrafo ny TOMPO,
tsy malaky tezitra ary be fitiavana;
TETA
9tsara amin'ny olon-drehetra ny TOMPO,
be indrafo amin'ny asany rehetra.
JODA
10TOMPO ô, midera Anao ny asanao rehetra;
misaotra Anao ny mpivavaka aminao.
KAFA
11Resahiny ny fanjakanao be voninahitra
ary teneniny ny asanao mahery
LAMEDA
12mba ho fantatry ny olona ny asanao mahery
sy ny fanjakanao be voninahitra sy malaza.
MEMA
13Fanjakana maharitra mandrakizay ny fanjakanao;
amin'ny taona mifandimby ny fanapahanao.
NONA
Mahatoky amin'ny fampanantenàny rehetra ny TOMPO
ary be fitiavana amin'ny asany rehetraNona amin'ity salamo araka ny abidỳ ity.'>.
SAMEKA
14Ny TOMPO no manohana izay rehetra ho lavo
sy mampitraka izay rehetra mitanondrika.

samedi 23 janvier 2016
Sabotsy 23 Janoary 2016 - Apo 3 : 7 -13
7–Manorata ho an'ny anjelin'ny Fiangonana any Filadelfia:
«Izao no lazain'ilay Masina, ilay Mahatoky, Ilay manana ny fanalahidin'i Davida mpanjaka, Ilay mamoha ka tsy hisy hanidy ary manidy ka tsy hisy hamoha dia nanankinana iraka mitaky toetra mahatoky sy notolorana fahefana feno mba hanatontosa azy. Ankoatra izany koa dia taranak'i Davida mpanjaka i Kristy (jereo Asa 2.30).'>. 8Fantatro ny asanao. Indro eo anatrehanao efa nasiako varavarana mivoha tsy misy mahahidy; satria kely hery'> ianao, kanefa nitandrina ny teniko ary tsy mba nandà Ahy. 9Indro atolotro anao ny sasany avy amin'ireo olona mivavaka amin'i Satàna*: milaza ny tenany ho Jiosy ireo, kanjo tsiizy fa mandainga; indro hataoko tonga hiankohoka eo anoloanao ireo, ka ho fantany fa tiako ianao. 10Ary noho ianao nitandrina ny teniko ny amin'ny faharetana, izaho kosa hiaro anao ho afaka amin'ilay andro fizahan-toetra, izay efa hihatra amin'izao tontolo izao mba hitsapana ny mponina eto ambonin'ny tany. 11Ho avy faingana Aho; tano mafy izay anananao, mba tsy hisy haka ny satroboninahitrao.
12«Izay maharesy dia hataoko andry ao amin'ny tempoli*n'Andriamanitra, sady tsy hiala ao intsony; hosoratako eo aminy ny anaran'Andriamanitro sy ny anaran'ilay tanànan'Andriamanitro, dia i Jerosalema vaovao, izay midina avy any an-danitra avy amin'Andriamanitra; ary hosoratako eo aminy koa ilay anarako vaovao.
13«Izay manan-tsofina, aoka hihaino izay lazain'ny Fanahy Masina amin'ireo Fiangonana.»

vendredi 22 janvier 2016
Zoma 22 Janoary 2016 - Sal 74 : 12 - 17
12Kanefa Andriamanitra ô,
Mpanjakanay hatrizay hatrizay Ianao,
mpanao famonjena eto anivon'ny tany.
13Mampisaraka ny ranomasina tamin'ny herinao Ianao,
namakivaky ny lohan'ny dragona teny ambony ranobe,
14nanapotika ny lohan'izany fanany goavana izany
ka nanome ny tenabeny hohanin'ny antsantsa.
15Nanokafanao lalana ny loharano sy ny sakeli-drano,
ary nataonao tankina ny ony tsy mety ritra.
16Anao ny andro, Anao koa ny alina
fa Ianao no nahary ny masoandro amam-bolana.
17Ianao no nametra ny faritra rehetra amin'ny tany,
Ianao koa no nanao ny fahavaratra sy ny ririnina.

jeudi 21 janvier 2016
Alakamisy 21 Janoary 2016 - Jao 6 : 22 - 33
22Ny ampitson'iny, dia tsikaritry ny vahoaka izay tafajanona teny ampitan'ny farihy fa tsy nisy sambokely hafa teo afa-tsy ny anankiray ihany; ary tsikaritr'izy ireo koa fa i Jesoa dia tsy mba niara-niondrana an-tsambokely tamin'ny mpianany*, fa ny mpianany ihany no nandeha. 23Kanefa nisy sambokely hafa maro avy any Tiberiada tonga teo akaikin'ilay toerana nihinanan'izy ireo ny mofo, fony avy nisaotra an'Andriamanitra ny Tompo. 24Koa ny vahoaka, rehefa nahita fa tsy teo na i Jesoa na ny mpianany, dia niondrana tamin'ireo sambokely ireo ka nankany Kafarnahòma hitady an'i Jesoa.
I Jesoa no mofo manome aina
25Rehefa nahita an'i Jesoa teny ampitan'ny farihy ny vahoaka, dia nanontany Azy hoe:
–Mpampianatra ô, oviana no tonga teto Ianao?
26Dia novalian'i Jesoa hoe:
–Lazaiko marina dia marina aminareo fa ny itadiavanareo Ahy dia tsy noho ianareo nahita famantarana*, fa noho ianareo nihina-mofo ka voky. 27Aoka hiasa ianareo, tsy hoe hahazoana ny sakafo mety levona, fa hahazoana ny sakafo matàna ho aina maharitra mandrakizay, dia ilay homen'ny Zanak'olona* anareo; fa Izy no efa nasian'Andriamanitra ny mariky ny fahefana nomeny Azy.
28Dia hoy ireo tamin'i Jesoa:
–Inona àry no tokony hataonay mba hanatontosanay ireo asan'Andriamanitra?
29Fa novalian'i Jesoa hoe:
–Izao no asa imasoan'Andriamanitra, dia ny hinoanareo Ilay nirahiny!
30Fa hoy ireo taminy:
–Inona àry no famantarana ataonao, mba ho hitanay ka hinoanay Anao? Inona no asa ataonao? 31Ireo razantsika dia nihinana ny mana* tany an-taniefitra, araka ny voalazan'ny Soratra Masina* hoe: «Mofo avy tany an-danitra no efa nomen'ny Tompo azy ireo hohanina!»
32Tamin'izay i Jesoa dia niteny taminy hoe:
–Lazaiko marina dia marina aminareo fa tsy i Mosesy no nanome anareo ny mofo avy tany an-danitra, fa ny Raiko no manome anareo ilay tena mofo avy any an-danitra; 33satria ny mofo omen'Andriamanitra dia ilay midina avy any an-danitra ka manome ny aina ho an'izao tontolo izao!

mercredi 20 janvier 2016
Alarobia 20 Janoary 2015 - Eks 6 : 2 - 8
2Ary Andriamanitra niteny tamin'i Mosesy hoe:
–Izaho no «TOMPO». 3Tamin'ny anarana hoe «Andriamanitra Tsitoha*» no nisehoako tamin'i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba fa tsy mbola fantatr'ireo ny anarako hoe «TOMPO.» 4Nanao fanekempihavanana* tamin'izy ireo Aho fa homeko azy ny tany Kanahàna izay nivahiniany. 5Efa reko ny fitarainan'ny Israelita amin'ny asa fanandevozana ampanaovin'ny Ejiptianina azy; koa nahatsiaro ny fanekempihavanako Aho. 6Noho izany, dia lazao amin'ny Israelita hoe: «Izaho no TOMPO! Havoakako hiala amin'ny asa an-terivozona ampanaovin'ny Ejiptianina ianareo sy hoafahako amin'ny fanompoana azy; ka amin'ny heriko tsy hay tohaina sy amin'ny famaizana lehibe no hanavotako anareo. 7Halaiko ho vahoakako ianareo, ary Izaho ho Andriamanitrareo; dia ho fantatrareo fa Izaho TOMPO Andriamanitrareo no namoaka anareo hiala amin'ny asa an-terivozona nampanaovin'ny Ejiptianina. 8Hoentiko any amin'ny tany izay efa nianianako tamin'ny tsangan-tanana fa homeko an'i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba ianareo. Homeko ho fanananareo izany. Izaho no TOMPO.»

mardi 19 janvier 2016
Talata 19 Janoary 2016 - Deo 11 : 2 - 7
2Tsy ny zanakareo no itenenako izao fa ianareo. Tsy ny zanakareo manko fa ianareo no nahalala sy nahita ny fomba nitantanan'ny TOMPO Andriamanitrareo fahizany, dia ny fahalehibiazan'ny TOMPO sy ny fiarovany mahery ary ny fahefany tsy hay tohaina 3mbamin'ny famantarana sy asa nataony. Teo ny nataon'ny TOMPO tany Ejipta hamelezana ny Farao* mpanjakan'ny Ejiptianina sy hamelezana ny taniny manontolo; 4teo ny nataon'ny TOMPO hamelezana ny tafika ejiptianina sy ny soavaliny aman-kalesiny, dia ny nanaronany azy tao amin'ny Ranomasin'ny Volotara* fony nanenjika anareo izy ka voaringana tsy hisy intsony; 5ary teo ny nataony hanasoavana anareo tatỳ an-taniefitra mandra-pahatonganareo amin'izao toerana izao. 6Teo koa ny namelezan'ny TOMPO an'i Datàna sy i Abirama izay samy zanakalahin'i Eliaba, taranak'i Reobena; teo afovoan'ny Israelita rehetra no nisokafan'ny tany sy nitelemany azy roa lahy mbamin'ny ankohonany sy ny lainy ary ny olona rehetra mpomba azy. 7Eny, efa nahita maso ireny asa lehibe rehetra nataon'ny TOMPO ireny ianareo.
lundi 18 janvier 2016
Alatsinainy 18 Janoary 2016 - Jao 10 : 7 - 18
7Dia hoy indray i Jesoa:
–Lazaiko marina dia marina aminareo fa Izaho no vavahadin'ny ondry*. 8Mpangalatra sy jiolahy avokoa izay rehetra tonga talohako, fa tsy nihaino azy ny ondry. 9Izaho no vavahady: raha amin'ny alalako no idiran'ny ondry, dia hovonjena izy ary ho afa-miditra sy mivoaka ny vala sady hahita tanim-bilona. 10Ny mpangalatra dia tsy tonga raha tsy hangalatra sy hamono ary handringana; Izaho kosa no tonga dia ny hahavelona aina ny ondry ary hahavelona aina azy tsy misy fetra.
11Izaho no Mpiandry* tsara. Ny Mpiandry tsara no manolotra ny ainy hamonjena ny ondry. 12Ny mpikarama kosa, noho izy tsy mpiandry sady tsy tompon'ny ondry, dia mandao ny ondry sy mandositra raha vao mahita ny amboadia tamy; ka ny amboadia no misambotra ny ondry sy mampihahaka azy. 13Ny mpikarama no mandositra, dia satria mpikarama izy ka tsy raharahainy akory ny ondry. 14Izaho no Mpiandry tsara: fantatro ny ondriko ary ny ondriko mahafantatra Ahy, 15tahaka ny ahafantaran'ny Ray Ahy sady ahafantarako ny Ray; ary manolotra ny aiko Aho hamonjena ny ondry. 16Manana ondry hafa izay tsy avy amin'ity vala ity aho; ireny koa dia tsy maintsy tarihiko, ka hihaino ny feoko ary ho tonga andiany tokana entin'ny mpiandry tokana. 17Ny itiavan'ny Ray Ahy dia satria manolotra ny aiko Aho mba handraisako azy indray. 18Tsy misy manaisotra ny aiko amiko, fa Izaho ihany no manolotra azy. Manana fahefana hanolotra ny aiko Aho, ary manana fahefana handray azy indray: izany didy izany no azoko tamin'ny Raiko.

dimanche 17 janvier 2016
Alahady 17 Janoary 2016 - Gal 1 : 11 - 17
11Ampahafantariko anareo, ry havana, fa ny Vaovao Mahafaly* notorîko taminareo dia tsy zavatra novolavolain'olombelona. 12Tsy hoe olombelona no nandraisako azy na nianarako azy, fa i Jesoa Kristy* no nanambara azy tamiko.
13Eny, efa renareo ny fomba fiainako fahiny fony aho mbola nanaraka ny fivavahana jiosy: nanenjika lozantany ny Fiangonan'Andriamanitra aho ary nilofo handrava azy. 14Nandroso tokoa aho tamin'ny fivavahana jiosy ary nihoatra ny ankamaroan'ireo indray nihira tamiko teo amin'ny fireneko sady fatra-pitana kokoa noho izy ireo ny fampianarana nampitain'ny razako.
15Kanefa natokan'Andriamanitra dieny hatrany am-bohòka aho ary nantsoiny hanompo Azy noho ny fahasoavany. 16Ary rehefa sitrak'Andriamanitra ny nanambara ny Zanany* tato anatiko, mba hitoriako ny Vaovao Mahafaly momba azy amin'ny hafa firenena*, dia tsy naka saina tamin'olombelona osa sy malemy aho, 17ary tsy niakatra tany Jerosalema hanatona ireo apôstôly* talohako; fa lasa aho nankany Arabia ary dia niverina tany Damasy indray.

samedi 16 janvier 2016
Sabotsy 16 Janoary 2016 - Mar 10 : 46 - 52
46Dia tonga tao Jerikao ry i Jesoa sy ny mpiara-dia taminy. Ary fony niala ny tanàna i Jesoa sy ny mpianany* mbamin'ny vahoaka be, dia efa nipetraka teo amoron-dalana i Bartimeo jamba mpangataka.
47Reny fa i Jesoa avy any Nazareta izay, ka nanomboka niantsoantso mafy izy hoe:
–Ry Jesoa Zanak'i Davida* ô, mamindrà fo amiko!
48Norahonan'ny olona maro izy hangina, fa vao mainka koa niantsoantso mafy hoe:
–Ry Zanak'i Davida ô, mamindrà fo amiko!
49Ary nijanona i Jesoa ka nilaza hoe:
–Antsoy izy!
Dia nantsoin'ny olona ilay jamba nataony hoe:
–Mahereza, antsoiny ianao ka mitsangàna!
50Natsipin'i Bartimeo ny lambany, ka niantsambotra nanatona an'i Jesoa izy. 51Dia niteny i Jesoa nanao taminy hoe:
–Inona no tianao hataoko aminao?
Dia hoy ilay jamba taminy:
–Mpampianatra ô, ny hampahiratra ahy!
52Ka hoy i Jesoa:
–Mandehana, ny finoanao no nahasitrana anao!
Dia nahiratra niaraka tamin'izay ilay jamba, ka lasa nanaraka an'i Jesoa teny an-dalana.

vendredi 15 janvier 2016
Zoma 15 Janoary 2016 - Eks 14 : 1 - 4
1Niteny tamin'i Mosesy ny TOMPO manao hoe:
2–Ilazao ny Israelita mba hiverina hitoby ao akaikin'i Pi-HahirôtaPi-Hahirôta dia mety hidika hoe «Vinanin-dakan-drano», Migdôla dia «tobim-piarovana kely» na «tilikambom-pitiliana», ary Bahala-Tsefôna kosa dia «Bahala-Avaratra».'> eo anelanelan'i Migdôla sy ny ranomasina. Ao no hanorenanareo toby, mifanatrika amin'i Bahala-Tsefôna, eo akaikin'ny ranomasina. 3Dia hiteny ny Farao* hoe: «voan'ny tamberintany ny Israelita, ka voahidin'ny taniefitra.» 4Ary hanamafy fo ny Farao Aho, dia hanenjika anareo izy. Kanefa hasehoko ny voninahitro* amin'ny hanapotehako ny Farao sy ny tafiny manontolo, ka ho fantatry ny Ejiptianina fa Izaho no TOMPO.
Notanterahin'ny Israelita izany araka ny torolalana.

jeudi 14 janvier 2016
Alakamisy 14 Janoary 2016 - Lio 9 : 10 - 17
10Nony tafaverina ny apôstôly*, dia notantarainy tamin'i Jesoa izay rehetra nataony; ary nentin'i Jesoa nitokana tany amin'ny toerana mangingina akaikin'ny tanàna atao hoe Betsaidà ny apôstôly. 11Vao nahare izany kosa ny vahoaka dia lasa nanaraka an'i Jesoa. Noraisin'i Jesoa tsara ny olona ka nilazalazany momba ny Fanjakàn'Andriamanitra ary nositraniny izay nila fanasitranana.
12Nony efa ho hariva ny andro, dia nohatonin'ny 12 lahy i Jesoa sady nataony hoe:
–Ravao ny vahoaka mba hamonjy ny tanàna kely sy trano an-tsaha eny manodidina, hitady hanina sy fandriana satria an-taniefitra isika izao.
13Dia hoy i Jesoa taminy:
–Ianareo ihany no aoka hanome hanina azy.
Fa ny mpianany kosa niteny hoe:
–Tsy manana afa-tsy mofo dimy sy trondro anankiroa izahay, raha tsy hoe izahay angaha no tokony handeha hividy hanina ho an'ireo vahoaka be ireo.
14Fa dimy arivo teo ho eo ny vatan-dehilahy. Ary hoy indray i Jesoa tamin'ny mpianany:
–Asaovy mipetraka mitsitokotoko ny olona, tokony ho dimampolo isany avy.
15Dia nataon'ny mpianatra izany ka nasainy nipetraka avokoa ny vahoaka.
16Noraisin'i Jesoa kosa ny mofo dimy sy ny trondro anankiroa; ary rehefa niandrandra ny lanitra Izy ka nisaotra an'Andriamanitra noho ireo sakafo ireo, dia nanapaka sy nanome azy ny mpianany harosony amin'ny vahoaka. 17Dia samy nihinana avokoa izy rehetra ka voky. Ary nangonina ny tapa-mofo aman-trondro ambiny ka nisy 12 sobika.

mercredi 13 janvier 2016
Alarobia 13 Janoary 2016 - Isa 46 : 1 - 7
1Nihareraka i Bela, niletsy i Nebao.
Napetraka teo ambony biby mpitondra entana
ny sarivongan'ireo andriamanitr'i Babilôna ireo;
izay filanja tamin'ny laharam-pihobiana
dia toy ny enta-mifatratra no fitondra azy,
ka mavesatra amin'ireto biby efa reraka.
2Niletsy sy nihareraka ireo andriamanitra
ka tsy afa-mamonjy ny sarivongany intsony:
na dia ny tenany aza lasan-ko babo.
3Mihainoa Ahy TOMPO, ry taranak'i Jakôba,
dia ianareo rehetra sisa velona
amin'ny taranak'i Israely,
ianareo izay nokarakaraiko hatrany am-bohoka
sy notrotroiko raha vao teraka.
4Tsy hiova Aho, na dia mandra-pahantitrareo aza;
hanohana anareo Aho mandra-pahafotsin'ny volonareo.
Izaho no nanao anareo sy nitrotro anareo hatrany;
eny, Izaho no hanohana anareo sy hamonjy anareo.
5Iza moa no ampitovinareo amiko
ary hanoharanareo Ahy?
Iza no hampifandanjanareo amiko
ka hahitana fifanahafana aminay?
6Misy olona mandanilany foana ny volany;
mandanja volamena sy volafotsy amin'ny mizana izy,
dia manarama olona mpanefy firavaka
mba hamboatra ireny ho andriamanitra
izay hivavahany sady hiankohofany tokoa.
7Izy ireo ihany no mibata ny andriamaniny
sy mitondra azy eny an-tsoroka
sady mametraka azy eo amin'ny toerany,
dia mijanona eo iny fa tsy mahahetsika.
Raha iantsoana vonjy izy, dia tsy mamaly
sady tsy mahavonjy amin'ny fahoriana.

mardi 12 janvier 2016
Talata 12 janoary 2016 - Rom 1 : 18 - 25
18Efa anehoan'Andriamanitra ny fahatezerany avy any an-danitra ny olona, satria tsy manaja an'Andriamanitra ary manao ny tsy rariny amin'ny namana; ka noho ny asa ratsin'ny olona, dia voasarona ilay Andriamanitra tena Izy. 19Fa miharihary amin'ny olona ny tokony ho fantany momba an'Andriamanitra taminy. 20Eny, tsy hita maso Andriamanitra. Nefa hatramin'ny nahariany an'izao rehetra izao, dia eo ny asany mampahafantatra Azy, mampibaribary fa mahery hatrizay hatrizay Izy ary Andriamanitra tokoa. Hany ka tsy afa-tsiny eo anatrehan'Andriamanitra ny olona. 21Nahalala an'Andriamanitra tokoa izy ireo, saingy tsy nanolotra ny voninahitra sy ny saotra tandrify Azy. Fa zavatra diso no nanjary nosaintsaininy, ary tonga maizina ny fony donto. 22Nilaza ho hendry ny olona, nefa tonga adala. 23Ilay Andriamanitra be voninahitra sy tsy mety levona nosoloany sarin-javatra mety levona, dia sary mampiseho olona, vorona, biby mandeha tongotra efatra na biby mikisaka.
24Izany no nanoloran'Andriamanitra ny olona ho andevozin'ny filàn'ny fony, ka handotoany tena amin'ny tsy fanao mahavoafady. 25Ny lainga no nasolony an'ilay Andriamanitra tena Izy, zavaboaary no nohajainy sy notompoiny ho solon'ny Mpahary Izay ankalazaina mandrakizay. Amen*!

Inscription à :
Articles (Atom)
-
51 Indro misy tsiambaratelo ambarako aminareo: tsy hodimandry avokoa isika rehetra; 52 vetivety foana, indray mipy maso, rehefa maneno ny t...
-
29Fa novalian'i Petera sy ny apôstôly hoe: –Andriamanitra no tsy maintsy ekena fa tsy ny olombelona. 30Efa natsangan'ilay Andriaman...