dimanche 17 janvier 2016

Alahady 17 Janoary 2016 - Gal 1 : 11 - 17

11Ampahafantariko anareo, ry havana, fa ny Vaovao Mahafaly* notorîko taminareo dia tsy zavatra novolavolain'olombelona. 12Tsy hoe olombelona no nandraisako azy na nianarako azy, fa i Jesoa Kristy* no nanambara azy tamiko.

13Eny, efa renareo ny fomba fiainako fahiny fony aho mbola nanaraka ny fivavahana jiosy: nanenjika lozantany ny Fiangonan'Andriamanitra aho ary nilofo handrava azy. 14Nandroso tokoa aho tamin'ny fivavahana jiosy ary nihoatra ny ankamaroan'ireo indray nihira tamiko teo amin'ny fireneko sady fatra-pitana kokoa noho izy ireo ny fampianarana nampitain'ny razako.

15Kanefa natokan'Andriamanitra dieny hatrany am-bohòka aho ary nantsoiny hanompo Azy noho ny fahasoavany. 16Ary rehefa sitrak'Andriamanitra ny nanambara ny Zanany* tato anatiko, mba hitoriako ny Vaovao Mahafaly momba azy amin'ny hafa firenena*, dia tsy naka saina tamin'olombelona osa sy malemy aho, 17ary tsy niakatra tany Jerosalema hanatona ireo apôstôly* talohako; fa lasa aho nankany Arabia ary dia niverina tany Damasy indray.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12