jeudi 21 janvier 2016

Alakamisy 21 Janoary 2016 - Jao 6 : 22 - 33

22Ny ampitson'iny, dia tsikaritry ny vahoaka izay tafajanona teny ampitan'ny farihy fa tsy nisy sambokely hafa teo afa-tsy ny anankiray ihany; ary tsikaritr'izy ireo koa fa i Jesoa dia tsy mba niara-niondrana an-tsambokely tamin'ny mpianany*, fa ny mpianany ihany no nandeha. 23Kanefa nisy sambokely hafa maro avy any Tiberiada tonga teo akaikin'ilay toerana nihinanan'izy ireo ny mofo, fony avy nisaotra an'Andriamanitra ny Tompo. 24Koa ny vahoaka, rehefa nahita fa tsy teo na i Jesoa na ny mpianany, dia niondrana tamin'ireo sambokely ireo ka nankany Kafarnahòma hitady an'i Jesoa.
I Jesoa no mofo manome aina

25Rehefa nahita an'i Jesoa teny ampitan'ny farihy ny vahoaka, dia nanontany Azy hoe:
–Mpampianatra ô, oviana no tonga teto Ianao?

26Dia novalian'i Jesoa hoe:
–Lazaiko marina dia marina aminareo fa ny itadiavanareo Ahy dia tsy noho ianareo nahita famantarana*, fa noho ianareo nihina-mofo ka voky. 27Aoka hiasa ianareo, tsy hoe hahazoana ny sakafo mety levona, fa hahazoana ny sakafo matàna ho aina maharitra mandrakizay, dia ilay homen'ny Zanak'olona* anareo; fa Izy no efa nasian'Andriamanitra ny mariky ny fahefana nomeny Azy.

28Dia hoy ireo tamin'i Jesoa:
–Inona àry no tokony hataonay mba hanatontosanay ireo asan'Andriamanitra?

29Fa novalian'i Jesoa hoe:
–Izao no asa imasoan'Andriamanitra, dia ny hinoanareo Ilay nirahiny!

30Fa hoy ireo taminy:
–Inona àry no famantarana ataonao, mba ho hitanay ka hinoanay Anao? Inona no asa ataonao? 31Ireo razantsika dia nihinana ny mana* tany an-taniefitra, araka ny voalazan'ny Soratra Masina* hoe: «Mofo avy tany an-danitra no efa nomen'ny Tompo azy ireo hohanina!»

32Tamin'izay i Jesoa dia niteny taminy hoe:
–Lazaiko marina dia marina aminareo fa tsy i Mosesy no nanome anareo ny mofo avy tany an-danitra, fa ny Raiko no manome anareo ilay tena mofo avy any an-danitra; 33satria ny mofo omen'Andriamanitra dia ilay midina avy any an-danitra ka manome ny aina ho an'izao tontolo izao!

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12