jeudi 14 janvier 2016

Alakamisy 14 Janoary 2016 - Lio 9 : 10 - 17

10Nony tafaverina ny apôstôly*, dia notantarainy tamin'i Jesoa izay rehetra nataony; ary nentin'i Jesoa nitokana tany amin'ny toerana mangingina akaikin'ny tanàna atao hoe Betsaidà ny apôstôly. 11Vao nahare izany kosa ny vahoaka dia lasa nanaraka an'i Jesoa. Noraisin'i Jesoa tsara ny olona ka nilazalazany momba ny Fanjakàn'Andriamanitra ary nositraniny izay nila fanasitranana.

12Nony efa ho hariva ny andro, dia nohatonin'ny 12 lahy i Jesoa sady nataony hoe:
–Ravao ny vahoaka mba hamonjy ny tanàna kely sy trano an-tsaha eny manodidina, hitady hanina sy fandriana satria an-taniefitra isika izao.

13Dia hoy i Jesoa taminy:
–Ianareo ihany no aoka hanome hanina azy.

Fa ny mpianany kosa niteny hoe:
–Tsy manana afa-tsy mofo dimy sy trondro anankiroa izahay, raha tsy hoe izahay angaha no tokony handeha hividy hanina ho an'ireo vahoaka be ireo.

14Fa dimy arivo teo ho eo ny vatan-dehilahy. Ary hoy indray i Jesoa tamin'ny mpianany:
–Asaovy mipetraka mitsitokotoko ny olona, tokony ho dimampolo isany avy.

15Dia nataon'ny mpianatra izany ka nasainy nipetraka avokoa ny vahoaka.

16Noraisin'i Jesoa kosa ny mofo dimy sy ny trondro anankiroa; ary rehefa niandrandra ny lanitra Izy ka nisaotra an'Andriamanitra noho ireo sakafo ireo, dia nanapaka sy nanome azy ny mpianany harosony amin'ny vahoaka. 17Dia samy nihinana avokoa izy rehetra ka voky. Ary nangonina ny tapa-mofo aman-trondro ambiny ka nisy 12 sobika.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12