mardi 26 janvier 2016

Talata 26 Janoary 2016 - Isa 30 - 19 - 26

19Ary ianao, ry vahoakan'i Tsiôna*
izay monina ao Jerosalema,
tsy hitomany intsony ianao.
Fa hiantra anao tokoa ny Tompo,
raha vao mandre ny antsonao;
eny, hamaly anao Izy raha vao mandre.
20Homen'ny Tompo anao ny mofo sy rano
amin'ny andro ampahoriana sy amoretana anao;
Izy tokoa no mpampianatra anao
ka tsy hiafina aminao intsony,
ary ny masonao mihitsy no hahita Azy.
21Fa na handeha hiankavanana na hiankavia ianao,
dia ho renao avy aoriana izao teny izao:
«Ity no lalana ka araho».
22Hoheverinao ho zava-maloto
ny sampy voasokitra mifono volafotsy
sy ny sarivongana voarakotra volamena,
ka hatsipinao toy ny zava-maharikoriko
ary hataonao hoe: «Mialà amiko!»

23Handrotsaka ranonorana ny Tompo
ho an'ny voa izay nafafinao any an-tsaha,
ka ny sakafo hovokarin'ny tany
dia sady ho betsaka no hatsiro.
Amin'izany andro izany, ny biby fiompinao
dia hiraoka amin'ny kijàna midadasika.
24Ny omby sy boriky miasa tany
dia hihinana vilona voaisy siravilona voaisy sira. '>
sady voaparitaka amin'ny farango fikororohana.
25Amin'ny andron'ilay fandringanana goavana,
rehefa hianjera ireo tilikambo,
dia samy hisy renirano mikoriana
eny an-tendrombohitra manerinerina
sy eny amin'ny havoana miteronterona.
26Amin'ny andro hitsaboan'ny TOMPO
ireo ratra nanjo ny vahoakany
sy hanasitranany ny fery tamin'ny namelezana azy,
ny fahazavàn'ny volana
dia ho tahaka ny an'ny masoandro,
ary ny fahazavàn'ny masoandro
dia hamiratra ho impito heny
raha oharina amin'ny hazavàny isan'andro.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12