dimanche 31 décembre 2017

Alahady 31 Desambra 2017 - Deo 7 : 6 - 8

 6Ianareo manko dia vahoaka voatokana ho an'ny TOMPO Andriamanitrareo; ianareo no efa nofidin'ny TOMPO Andriamanitrareo tamin'ny firenena rehetra ambonin'ny tany mba ho vahoaka fananany sarobidy indrindra7.6 Jereo Eks 19.5; Tit 2.14; 1Pt 2.9..

7Tsy hoe ianareo maro noho ny firenena hafa rehetra no nampiraiki-po ny TOMPO taminareo sy nifidianany anareo, satria vitsy noho ny firenena hafa rehetra aza ianareo. 8Fa raha nentin'ny TOMPO tamin'ny fiarovana mahery ianareo sy navotany tamin'ny toeram-panandevozana teo ambany fifehezan'ny Farao mpanjakan'i Ejipta, dia satria tian'ny TOMPO ianareo ary tandroviny aminareo ny fianianana nataony tamin'ny razambenareo.

Izay mampiavaka ny fìrenen'Israely.

1- Firenena masina. (and.6)
Voatokana ho an'Andriamanitra no dikan'ny hoe: "masina". Andriamanitra no efa nifidy sy nanamasina azy ireo ka tokonv hotehirizinv hatrany izany. Tsv tokony hanahaka ny fomban'ny firenena jentilisa manodidina azy izy ireo, indrindra fa rehefa tafiditra any amin'ny tany izay nampanantenaina ho lovany. Izany koa no hafatra ho antsika amin'izao fotoana faramparany mialoha ny hiatrehana ny taona vaovao izao: voatokana ho an' Andriamanitra isika, koa fadio ny fanao ratsy rehetra. aza mianatra ny fanaon'izao tontolo izao fa sahia mijoro ho vavolombelon'ny Tompontsika. "...fa ianao efa nofidin'i Jehovah Andriamanitrao ho fìrenena rakitra soa ho Azy mihoatra noho ny firenena rehetra ambonin'ny tany ".

2- Notiavin'i Jehovah (and.7, 8)
Tsy miankina velively tamin'izay nataon'ny Israely ny fitiavan'Andriamanitra azy ireo fa Izy no mitana ny teny fampanantenana nataony tamin'ny razambeny, sy ny nanavotany azy tamin'ny trano nahandevozana. Tia antsika Andriamanitra ka naniraka ny zananv ho avotra noho ny fahotantsika. Tsv miankina velively tamin'ny hatsarana na ny soa vitantsika izany fitiavany izany fa safidiny samirery.

Fanontaniana:
Inona no antony nifidianan 'ny Tompo anao?

samedi 30 décembre 2017

Sabotsy 30 Desambra 2017 - Efe 5 : 1 - 2

1Koa manafaha an'Andriamanitra ianareo, satria zanaka lalainy5.1 Ampit Lev 19.2; Mt 5.48.. 2Ny fitiavana no aoka hanenika ny fitondrantenanareo, tahaka ny nitiavan'i Kristy antsika sy nanolorany tena tamin'Andriamanitra toy ny fanatitra sy sorona manitra mamerovero ho fanasoavana antsika5.2 Ampit Eks 29.18. –nitiavan'i Kristy antsika: misy stf sasany ahitana hoe nitiavan'i Kristy anareo. .

Mijoroa ho vavolombelon'ny Tompo.

1- Aoka hanahaka an'Andriamanitra
"Koa amin'izany dia aoka hanahaka an' Andriamanitra ianareo tahaka ny zanaka malala" (and.I). Natao hanahaka an'Andriamanitra ny olona. lo fanahafana an'Andriamanitra io no toerana nisy antsika fony mbola tsy tafiditra ny fahotana. Tian'ny Apostoly hotsiahivina eto izany ahatonga antsika ho amin'ny fahariana vaovao (Efes.4, 23. 24). Ny fitondrantenan'i Jesoa Kristy no modely tokonv halaintsika tahaka: tsy mandainga, tsy mba manana lolom-po, malemy fanahy, miantra sy mamela heloka (Efes 4.25-32). Tokony hanahaka an' Andriamanitra isika amin'ny fahamarinana sy amin'ny fahamasina amam-pitondrantena rehetra.

2- Mandehana amin'nv fitiavana
Ampianarina koa isika mba handeha amin'ny fitiavana, ka ny fitiavan' i Kristy no halain-tahaka, indrindra fa Izy nanolotra ny tenany natao sorona ho fanavotana ny hafa. Izany dia araka izay efa nolazainy tamin'ny mpianany hoe:"tsy misy manana fìtiavana lehibe noho izao, dia ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany. " (Jao. 15). Nv mpino izay efa mahatsapa ny famonjena noraisiny sy ny fìtiavan'Andriamanitra azy no ho afaka mandeha amin'ny fitiavana, ka ho tia an'Andriamanitra sy ho tia ny namany, eny ho tia ny fahavalo aza. Tokony hanjaka eo amin'nv fiombonan'ny mpino ny fifankatiavana.

Fanontaniana:
Mbola misy olona tsy mifankatia ve ao am-piangonana? Nahoana?

vendredi 29 décembre 2017

Zoma 29 Desambra 2017 - II Tan 9 : 3 - 8

3Ary rehefa samy hitan'ny mpanjakavavin'i Sebà ny fahendren'i Salômôna sy ny trano izay naoriny, 4ny sakafo fihinana teo amin'ny latabany sy ny toeram-ponenan'ny tandapany ary koa ny fahamendrehana amam-pitafian'ireo mpandroso sakafo sy mpitondra divay, ny ambaratongan-tohatra izay niakaran'i Salômôna ho ao an-tranon'ny TOMPO, dia talanjona aoka izany izy 5-6ka nilaza tamin'ny mpanjaka hoe:

–Marina avokoa izay resaka reko tany amin'ny taniko momba ny teninao sy ny fahendrenao. Nefa tsy nino ny filàzan'olona aho, raha tsy tonga atỳ, ka ny masoko no mahita. Hay na dia ny antsasaky ny fahendrena anananao aza tsy voambara tamiko akory; indro mihoatra noho ny laza efa reko ianao. 7Sambatra ireo olonao sy ireo tandapanao, satria eo anatrehanao mandrakariva ka mandre ny fahendrenao! 8Hisaorana anie ny TOMPO Andriamanitrao, fa sitrany napetraka eo amin'ny sezafiandrianany ianao mba ho mpanjaka hanompo Azy TOMPO Andriamanitrao; fa ny fitiavan'Andriamanitrao an'i Israely ka hampitoetra azy mandrakizay no nanaovany anao ho mpanjaka mba hampihatra ny rariny sy ny fahamarinana.

Ny fahendrena avy amin'Andriamanitra

1 - Miseho ho hita etv ivelanv
Ny trano izay nataon'i Solomona. ny hanim-pihinany teo amin'ny latabatra, ny fihetsika sy fitafin'ireo mpanomponv, nv ambaratongan-tohatra iakarana ho ao an-tranon'i Jehovah... (and.6). Ireny rehetra ireny dia nampiseho tamin'ilay mpanjakavavy fa tena manam-pahendrena mihoatra lavitra noho izay efa nambara taminy tokoa izy. Ny lesona ho antsika amin' izany dia izao: tokony ho hita taratra amin'nv fitondran-tena asehontsika ny maha kristiana antsika mba ho fíjoroana ho vavolombelon'
I Jesoa Kristy: amin'ny fiteny, amin'ny fitafy, amin'ny sakafo fihinana, amin'ny fitondrantenan'nv ankohonana, amin ny fivavahana.

2 - Mampiseho nv fitiavan'Andriamanitra
Niaiky ny fahendrena nanan'i Solomona ilay mpanjakavavy ka nisaotra an'Andriamanitra. Tsapany koa fa noho ny ny fitiavan'Andriamanitra ny Israely no antony nametrahana an'i Solomona ho eo amin'ny seza fìandrianany, mba hikendry izay hahasambatra ny vahoaka entinv. "...Noho ny fitiavan' Andriamanitrao ny Isiraely hampitoetra azy mandrakizay no nanaovany anao ho mpanjakany mba hanao fitsarana sy fahamarinana" (and.8b). Misy antony ho fanasoavana ny hafa ireny fanomezam-pahasoavana omen'nv Tompo antsika ireny.

Fanontaniana:
Misy akony eo amin 'ny fìainan 'ny manodidina ve ny fahendrenao?

jeudi 28 décembre 2017

Alakamisy 28 Desambra 2017 - II Tes 2 : 13 - 17

13Tsy maintsy velom-pisaorana mandrakariva an'Andriamanitra izahay ny aminareo, ry havana notiavin'ny Tompo. Fa nofidin'Andriamanitra ho toy ny santa-bokatra hatolotra Azy ianareo2.13 ho toy ny santa-bokatra hatolotra Azy ianareo: misy stf sasany ahitana hoe hatrany am-piandohana ianareo. , ka hahazo famonjena noho ianareo voatokan'ny Fanahy Masina mba ho an'Andriamanitra ary noho ianareo nino ny hafatra marim-pototra. 14Izany no niantsoan'Andriamanitra anareo, tamin'ny alalan'ny Vaovao Mahafaly notorînay, mba hahazoanareo miombom-boninahitra amin'i Jesoa Kristy Tompontsika. 15Koa mamahara tsara, ry havana, ary tano ny fampianarana natolotray anareo am-bava na an-taratasy.

16Enga anie i Jesoa Kristy Tompontsika sy ilay Andriamanitra Raintsika Izay efa tia antsika ka nanome antsika fampiononana mandrakizay sy fanantenana tsara tamin'ny alalan'ny fahasoavany 17hampionona ny fonareo ary hampahery anareo hanao izay tsara rehetra na amin'ny asa na amin'ny teny.

Anatra ho an'izay rehetra efa nandray ny Tompo

1- Tomoera tsara
Andriamanitra efa nifidy antsika hatramin'ny voalohany ahazo famonjena amin'ny fanamasinan'ny Fanahy sy ny finoana ny marina. Manoloana ny herin'ilay ratsy izay mifofofofo ka mikendry hanozongozona ny finoantsika dia tena ilaina ny mitoetra tsara. izany hoe tsy hiongotra na ho mora afindra fa tena mioriom-paka lalina. Ny hevitry nv teny dia: "'Mamahatra tsara" (DIEM). Betsaka ankehitriny ireo karazana fomba sy fivavahana miditra eto amin'ny tanintsika, manampy trotraka izany ny fahasahiranana mianjady amin'ny fiainan'ny mponina andavanandro. Ireny rehetra ireny no ataon'ilay ratsy fitaovana ahatonga antsika hiala amin'izay efa niorenan'ny finoantsika. Aoka isika hitoetra tsara amin'izay efa niantsoana sy nifidianan' ny Tompo antsika.

2- Tazonv nv fampianarana natolotra...
Tsy nazava tamin'ny olona ny fampianarana ny amín'ny fiavian'ny Tompo amim-boninahitra ka nahatonga fivilian-dalana. Ny sasany aza efa tsy niasa intsonv satria nihevitra fa efa tonga ny farany ka tonga nahantra sy nagataka. Tsy voatahiry intsony ny fampianarana natolotrv ny Apostoly. Ny hoe "mihazona ny fampianarana" dia mampihatra izany eo amin'ny fanompoana an' Andriamanitra, eo amin'nv fiainanana andavanandro, na amin'ny teny na amin'nv asa: "amin'ny asa sy ny teny tsara rehetra (and 17)

Fanontaniana:
Inona no mampiavaka ny finoana anananao ka hifìkiranao amin 'izany

mercredi 27 décembre 2017

Alarobia 27 Desambra 2017 - Gal 4 : 1 - 7

1Izao anefa no teniko: raha mbola zaza ny mpandova, dia tsy hafa noho ny mpanompo izy na dia tompon'ny zavatra rehetra aza; 2fa fehezin'izay mpikarakara azy sy ny mpitandrim-pananany izy mandra-pahatongan'ny fetr'andro voatendrin'ny rainy4.2 Araka ny lalàna grika, dia ny rain-jaza no mametra ny taona maha lehibe ny zanany, ka ahazoan-janany miala amin'ny fifehezan'ireo mpikarakara azy sy mizaka tena tanteraka.. 3Dia tahaka izany koa isika; fony mbola zaza, dia nandevozin'ireo herin-javatr'izao tontolo izao4.3 ireo herin-javatr'izao tontolo izao: dia ireo zavaboaary isan-karazany hita maso heverin'ny olombelona ho manan-kasina sy manan-jina, ary dia mangeja azy fatratra raha mbola tsy nanafaka azy ny finoana an'i Jesoa Kristy. Jereo 4.9; Kôl 2.8, 20. isika; 4fa rehefa tonga tokoa ny fotoanandro, dia nirahin'Andriamanitra ny Zanany: natera-behivavy io Zanany io ary niaina teo ambany fahefan'ny lalàna jiosy, 5mba hanavotra izay teo ambany fahefan'ny lalàna ary mba handraisantsika ny anjara maha zanak'Andriamanitra.

6Ry ny maha zanaka anareo, dia ny nanirahan'Andriamanitra ho ao am-pontsika ny Fanahin'ny Zanany miantso hoe: «Raiko ô4.6 Ary ny maha zanaka anareo, dia ny nanirahan'Andriamanitra: na hoe ary satria zanaka ianareo dia nirahin'Andriamanitra. –Raiko ô: ny teny aramianina Abbà no ampiasaina ao amin'ny rijan-teny grika fototra. Jereo Mk 14.36 sy nta; Rm 8.15.!» 7Hany ka tsy mpanompo intsony ianao, fa zanaka; ary raha zanaka ianao, dia mpandova koa noho ny ataon'Andriamanitra4.7 and 5-7: ampit Rm 8.15-17..

Ny fahatongavan'ny Zanaka.

1- Manavotra izay ambanin'ny lalàna (and.4, 5)
Tsy misy amin'ny olombelona na dia iray aza ka sahy milaza fa nahatanteraka izay rehetra notakian'ny lalàna taminv. Amin'izany, ny lalàna dia tonga miampanga antsika satria mampihariharv ny tsy fahamarinantsika, "Nateraky ny vehivavy, nateraka tao ambanin 'ny lalàna " (and.4). Jesoa no nahatanteraka feno izay notakian'ny lalàn'i Mosesy sy ny lalàna amin'ny ankapobeny. Izy no nanafaka antsika tamin'ny fanandevozan'nv lalàna. Raha ny lalàna, dia tsy misv azo hamarinina eo anatrehan' Andriamanitra isika. Ny fahatongavan'i Jesoa no nahavotra antsika tsy ho eo amban'ny lalàna.

2- Mahatonga antsika ho mpandova
"Raha mbola zaza ny mpandova, dia tsy hafa noho nv andevo ìzy, na dia tompon'ny zavatra rehetra aza" (and.l). Baikoina hanao izav asaina ataony ny zaza na dia mpandova aza, mandra-pahatonga ny fotona izay iheveran'ny rainy azy fa afaka mandray an-tanana sy mitantana ny anjara lovany. Izay rehetra mino an'i Jesoa kosa dia afaka tamin'nv fahazazana sy nv fanandevozan'ny abidim-pianara'izao tontolo izao, ary afaka hiaina malalaka amin'ny fanatanterahana ny sitrapon' Andriamanitra. Ny Fanahy mitoetra ao anatintsika kosa no hanome antoka ho antsika nv amin'ny fiainana mandrakizay.

Fanontaniana:
Hazavao ny teny hoe: "olona afaka isika "

mardi 26 décembre 2017

Talata 26 Desambra 2017 - Isa 11 : 1 - 10

1Misy rantsana misandrahaka avy amin'ny fototr'i Jisay11.1 Jisay: rain'i Davida (1 Sam 16.18-19); jereo Apôk 5.5; 22.16.;
misy solofo mipoitra avy amin'ny fakany.
2Ny Fanahin'ny TOMPO no mitoetra eo aminy,
dia Fanahy manome fahendrena sy fahaiza-manavaka
Fanahy mahay mamolavola sy manatanteraka,
Fanahy ahalalana sy anajana ny TOMPO;
3ary io no hanoro azy ny fanajana ny TOMPO.
Tsy hitsara araka ny ivelany fotsiny izy
na hanapaka araka izay ren'ny sofiny,
4fa hitsara ny malahelo ara-drariny
ary hamoaka didy araka ny hitsiny
ho an'ny mahantra eo amin'ny tany.
Ny teniny no toy ny tsorakazo
hikapohany ny tany
ary ny fofonain'ny vavany
no hamonoany ny olon-dratsy11.4 Jereo 2Tes 2.8..
5Ny rariny no ho fisikinany
ary ny toetra hentitra no ho fehikibony11.5 Jereo Ef 6.4..

6Koa ny amboadia hiara-mipetraka amin'ny zanak'ondry,
ny leôparda hiara-mandry amin'ny zanak'osy;
ny zanak'omby sy ny liona tanora hiara-mihinana
ka zazalahy kely no hitarika azy.
7Ny ombivavy sy ny orsavavy hiara-miraoka;
ary ny zanak'izy ireo hiara-matory.
Hihinam-bilona toy ny omby ny liona.
8Ny zaza mbola minono
hilalao eo an-davaky ny bibilava;
ary ny zaza misara-nono
hanatsofoka ny tanany
ao an-davaky ny menarana.
9Tsy hisy hanimba na handratra
manerana ny tendrombohitra masina,
satria ny fahalalana ny TOMPO
no hanenika izany tany izany
tahaka ny anaronan'ny rano
ny fanambanin'ny ranomasina11.9 And 6-9: jereo Is 65.25. –And 9: jereo Hab 2.14..
10Amin'izany andro izany ny solofon'i Jisay
dia hatsangana ho fanevan'ny firenena rehetra;
ka hitady azy ny firenen-kafa11.10 Jereo Rm 5.12.,
ary hanjary be voninahitra ny fonenany.

"Solofo mitsimoka eo amin'ny fototr'i Jese"

1- Itoeran'nv Fanahin'I Jehovah (and.2)
Ny fitoeran'ny Fanahin'i Jehovah no mampiavaka ny olona voafidin'Andriamanitra. Ny Fanahin'i Jehovah no manome ny toetra sy ny hery rehetra ilaina ahafahana manatanteraka ny sitrapon'Andriamanitra ho famonjena izao tontolo izao. Ny asan'ny Fanahy Masina no hery mampijoro ny Fiangonana ka ahafahany manohy nv asam- pamonjena efa natombok'i Kristy sy ahaizana "mitsara araka nv fahamarinana" (and.4). Tsiahivina eto Ilay Mpanompon'i Jehovah nanao hoe: "Ny Fanahin'i Jehovah Tompo no ato amiko, satria Jehovah efa nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin'ny mpandefitra, efa naniraka Ahy hahasitrana ny torotoro fo Izy, ary hitory fanafàhana amin'ny babo sy hamoaka ny ao an-trano- maizina ... " (Isa.61,1).

2- Mitondra fiadanana (and.4-10)
Rehefa ao amin'ny olona ny Fanahin'ny Tompo, ka manjaka eo amin'ny mpitondra ny fahatahorana an'Andriamanitra sy ny fahatokiana Azy, dia izany no ny fiadanana. Miverina amin'ny laoniny ny fífandraisan'ny olona amin'Andriamanilra, ny fifandraisan'ny olona samy olona; ary ny fífandraisan'ny olona amin'ny zava-boary. Sary maneho izany fiadanana izany no ambaran'ny mpaminany: "Ary ny amboadia* hiara-mitoetra amin'ny zanak'ondry... Ny zaza minono hilalao amin'ny lavaky ny vipera " (and.6-8)

Fanontaniana:
Misy ifandraisany ve ny fahotana sy ny fahasimban'ny tontolo iainana?


lundi 25 décembre 2017

Alatsinainy 25 Desambra 2017 - Lio 2 : 8 - 14

8Tany amin'izany faritany izany, dia nisy mpiandry ondry nitoetra tany an-tsaha niambina ny ondriny nandritra ny alina. 9Nisy anjelin'ny Tompo niseho tampoka taminy; ary nohodidinin'ny voninahitry ny Tompo ireo mpiandry ondry ka raiki-tahotra izaitsizy.

10Fa hoy ilay anjely taminy:
–Aoka izay ny tahotra, fa vaovao mahafaly no entiko ho anareo, dia fifaliana lehibe ho an'ny vahoaka rehetra: 11Mpamonjy no teraka ho anareo anio ao an-tanànan'i Davida, dia i Kristy Tompo. 12Izao no hahafantaranareo Azy: hahita zazakely anankiray voahodidina lamban-jaza sady mandry eo amina fihinanam-bilona ianareo.

13Ary nisy anjely alikisa avy any an-danitra niseho niaraka tamin'ilay anjely teo ka nidera an'Andriamanitra nanao hoe:

14«Voninahitra any amin'ny avo indrindra
ho an'Andriamanitra;
ary fiadanana etỳ an-tany ho an'ny olombelona
fa nanehoany fitia2.14 Dkt hafa, araka izay hita ao amin'ny stf sasany, fiadanana etỳ ambonin'ny tany, famindrampo ho an'ny olombelona. !»

Mpiandry ondry tany an-tsaha.

1- Isehoan'ny anjelin'nv Tompo
Mpiandry ondry tany an-tsaha no nisehoan'ny anjely, ka nanambaràny ny vaovao mahafaly mikasika ny fahaterahan'i Jesoa Mpamonjy. Nomeny toky mba tsy hatahotra sady nanehoana ny voninahitry ny Tompo nanelatrelatra manodidina azy. Any an-tsaha. anatin'ny alina feno aizina, am-perin'asa, ao anatin'izany no miseho ny anjelin'ny Tompo sy ny voninahiny. Andriamanitra dia mampiseho ny voninahiny amin'izay tiany hisehoana sy hanehoana izany, na iza na iza isika, ary na aiza na aiza toerana misy antsika. na inona na inona saranga misy antsika eo amin'ny fiaraha-monina. Izao fìsehoan'ny anjely amin'ny mpiandry ondry izao dia vavolombelon'ny fitiavan'ny Tompo hamonjy antsika ary tsy mizaha tavan'olona Izy.

2- Ilazana vaovao mahafaly
Na iza na iza teo amin'ny toeran'ny mpiandry ondry ireo, dia tsy maintsy ho taitra sy hatahotra aloha. Nampitony izany ny anjelin'ny Tompo ka nilaza tamin'ireo mba tsy hatahotra sady nanambara vaovao mahafaly taminy. Ny nahaterahan'i Jesoa Kristy Tompo no "Teny soa mahafaly". na Filazantsara. sady fifaliana lehibe ho an'ny olona rehetra ka mitondra fiadanana ho an'ny firenena. Izay mandray an'i Jesoa ho Tompo sy Mpamonjy azy anio no hahita ny tena fiadanana eo amin'ny androm-piainanv ary ny voninahitry Tompo hanelatrelatra manodidina azy.

Fanontaniana:
Mitondra inona eo amin'ny fiainanao ny Fahaterahan'ny Mpamonjy?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12