samedi 30 décembre 2017

Sabotsy 30 Desambra 2017 - Efe 5 : 1 - 2

1Koa manafaha an'Andriamanitra ianareo, satria zanaka lalainy5.1 Ampit Lev 19.2; Mt 5.48.. 2Ny fitiavana no aoka hanenika ny fitondrantenanareo, tahaka ny nitiavan'i Kristy antsika sy nanolorany tena tamin'Andriamanitra toy ny fanatitra sy sorona manitra mamerovero ho fanasoavana antsika5.2 Ampit Eks 29.18. –nitiavan'i Kristy antsika: misy stf sasany ahitana hoe nitiavan'i Kristy anareo. .

Mijoroa ho vavolombelon'ny Tompo.

1- Aoka hanahaka an'Andriamanitra
"Koa amin'izany dia aoka hanahaka an' Andriamanitra ianareo tahaka ny zanaka malala" (and.I). Natao hanahaka an'Andriamanitra ny olona. lo fanahafana an'Andriamanitra io no toerana nisy antsika fony mbola tsy tafiditra ny fahotana. Tian'ny Apostoly hotsiahivina eto izany ahatonga antsika ho amin'ny fahariana vaovao (Efes.4, 23. 24). Ny fitondrantenan'i Jesoa Kristy no modely tokonv halaintsika tahaka: tsy mandainga, tsy mba manana lolom-po, malemy fanahy, miantra sy mamela heloka (Efes 4.25-32). Tokony hanahaka an' Andriamanitra isika amin'ny fahamarinana sy amin'ny fahamasina amam-pitondrantena rehetra.

2- Mandehana amin'nv fitiavana
Ampianarina koa isika mba handeha amin'ny fitiavana, ka ny fitiavan' i Kristy no halain-tahaka, indrindra fa Izy nanolotra ny tenany natao sorona ho fanavotana ny hafa. Izany dia araka izay efa nolazainy tamin'ny mpianany hoe:"tsy misy manana fìtiavana lehibe noho izao, dia ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany. " (Jao. 15). Nv mpino izay efa mahatsapa ny famonjena noraisiny sy ny fìtiavan'Andriamanitra azy no ho afaka mandeha amin'ny fitiavana, ka ho tia an'Andriamanitra sy ho tia ny namany, eny ho tia ny fahavalo aza. Tokony hanjaka eo amin'nv fiombonan'ny mpino ny fifankatiavana.

Fanontaniana:
Mbola misy olona tsy mifankatia ve ao am-piangonana? Nahoana?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12