dimanche 31 décembre 2017

Alahady 31 Desambra 2017 - Deo 7 : 6 - 8

 6Ianareo manko dia vahoaka voatokana ho an'ny TOMPO Andriamanitrareo; ianareo no efa nofidin'ny TOMPO Andriamanitrareo tamin'ny firenena rehetra ambonin'ny tany mba ho vahoaka fananany sarobidy indrindra7.6 Jereo Eks 19.5; Tit 2.14; 1Pt 2.9..

7Tsy hoe ianareo maro noho ny firenena hafa rehetra no nampiraiki-po ny TOMPO taminareo sy nifidianany anareo, satria vitsy noho ny firenena hafa rehetra aza ianareo. 8Fa raha nentin'ny TOMPO tamin'ny fiarovana mahery ianareo sy navotany tamin'ny toeram-panandevozana teo ambany fifehezan'ny Farao mpanjakan'i Ejipta, dia satria tian'ny TOMPO ianareo ary tandroviny aminareo ny fianianana nataony tamin'ny razambenareo.

Izay mampiavaka ny fìrenen'Israely.

1- Firenena masina. (and.6)
Voatokana ho an'Andriamanitra no dikan'ny hoe: "masina". Andriamanitra no efa nifidy sy nanamasina azy ireo ka tokonv hotehirizinv hatrany izany. Tsv tokony hanahaka ny fomban'ny firenena jentilisa manodidina azy izy ireo, indrindra fa rehefa tafiditra any amin'ny tany izay nampanantenaina ho lovany. Izany koa no hafatra ho antsika amin'izao fotoana faramparany mialoha ny hiatrehana ny taona vaovao izao: voatokana ho an' Andriamanitra isika, koa fadio ny fanao ratsy rehetra. aza mianatra ny fanaon'izao tontolo izao fa sahia mijoro ho vavolombelon'ny Tompontsika. "...fa ianao efa nofidin'i Jehovah Andriamanitrao ho fìrenena rakitra soa ho Azy mihoatra noho ny firenena rehetra ambonin'ny tany ".

2- Notiavin'i Jehovah (and.7, 8)
Tsy miankina velively tamin'izay nataon'ny Israely ny fitiavan'Andriamanitra azy ireo fa Izy no mitana ny teny fampanantenana nataony tamin'ny razambeny, sy ny nanavotany azy tamin'ny trano nahandevozana. Tia antsika Andriamanitra ka naniraka ny zananv ho avotra noho ny fahotantsika. Tsv miankina velively tamin'ny hatsarana na ny soa vitantsika izany fitiavany izany fa safidiny samirery.

Fanontaniana:
Inona no antony nifidianan 'ny Tompo anao?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12