Affichage des articles dont le libellé est Vavolombelon'ny fitiavany ny Tompo. Afficher tous les articles
Affichage des articles dont le libellé est Vavolombelon'ny fitiavany ny Tompo. Afficher tous les articles

dimanche 31 décembre 2017

Alahady 31 Desambra 2017 - Deo 7 : 6 - 8

 6Ianareo manko dia vahoaka voatokana ho an'ny TOMPO Andriamanitrareo; ianareo no efa nofidin'ny TOMPO Andriamanitrareo tamin'ny firenena rehetra ambonin'ny tany mba ho vahoaka fananany sarobidy indrindra7.6 Jereo Eks 19.5; Tit 2.14; 1Pt 2.9..

7Tsy hoe ianareo maro noho ny firenena hafa rehetra no nampiraiki-po ny TOMPO taminareo sy nifidianany anareo, satria vitsy noho ny firenena hafa rehetra aza ianareo. 8Fa raha nentin'ny TOMPO tamin'ny fiarovana mahery ianareo sy navotany tamin'ny toeram-panandevozana teo ambany fifehezan'ny Farao mpanjakan'i Ejipta, dia satria tian'ny TOMPO ianareo ary tandroviny aminareo ny fianianana nataony tamin'ny razambenareo.

Izay mampiavaka ny fìrenen'Israely.

1- Firenena masina. (and.6)
Voatokana ho an'Andriamanitra no dikan'ny hoe: "masina". Andriamanitra no efa nifidy sy nanamasina azy ireo ka tokonv hotehirizinv hatrany izany. Tsv tokony hanahaka ny fomban'ny firenena jentilisa manodidina azy izy ireo, indrindra fa rehefa tafiditra any amin'ny tany izay nampanantenaina ho lovany. Izany koa no hafatra ho antsika amin'izao fotoana faramparany mialoha ny hiatrehana ny taona vaovao izao: voatokana ho an' Andriamanitra isika, koa fadio ny fanao ratsy rehetra. aza mianatra ny fanaon'izao tontolo izao fa sahia mijoro ho vavolombelon'ny Tompontsika. "...fa ianao efa nofidin'i Jehovah Andriamanitrao ho fìrenena rakitra soa ho Azy mihoatra noho ny firenena rehetra ambonin'ny tany ".

2- Notiavin'i Jehovah (and.7, 8)
Tsy miankina velively tamin'izay nataon'ny Israely ny fitiavan'Andriamanitra azy ireo fa Izy no mitana ny teny fampanantenana nataony tamin'ny razambeny, sy ny nanavotany azy tamin'ny trano nahandevozana. Tia antsika Andriamanitra ka naniraka ny zananv ho avotra noho ny fahotantsika. Tsv miankina velively tamin'ny hatsarana na ny soa vitantsika izany fitiavany izany fa safidiny samirery.

Fanontaniana:
Inona no antony nifidianan 'ny Tompo anao?

samedi 30 décembre 2017

Sabotsy 30 Desambra 2017 - Efe 5 : 1 - 2

1Koa manafaha an'Andriamanitra ianareo, satria zanaka lalainy5.1 Ampit Lev 19.2; Mt 5.48.. 2Ny fitiavana no aoka hanenika ny fitondrantenanareo, tahaka ny nitiavan'i Kristy antsika sy nanolorany tena tamin'Andriamanitra toy ny fanatitra sy sorona manitra mamerovero ho fanasoavana antsika5.2 Ampit Eks 29.18. –nitiavan'i Kristy antsika: misy stf sasany ahitana hoe nitiavan'i Kristy anareo. .

Mijoroa ho vavolombelon'ny Tompo.

1- Aoka hanahaka an'Andriamanitra
"Koa amin'izany dia aoka hanahaka an' Andriamanitra ianareo tahaka ny zanaka malala" (and.I). Natao hanahaka an'Andriamanitra ny olona. lo fanahafana an'Andriamanitra io no toerana nisy antsika fony mbola tsy tafiditra ny fahotana. Tian'ny Apostoly hotsiahivina eto izany ahatonga antsika ho amin'ny fahariana vaovao (Efes.4, 23. 24). Ny fitondrantenan'i Jesoa Kristy no modely tokonv halaintsika tahaka: tsy mandainga, tsy mba manana lolom-po, malemy fanahy, miantra sy mamela heloka (Efes 4.25-32). Tokony hanahaka an' Andriamanitra isika amin'ny fahamarinana sy amin'ny fahamasina amam-pitondrantena rehetra.

2- Mandehana amin'nv fitiavana
Ampianarina koa isika mba handeha amin'ny fitiavana, ka ny fitiavan' i Kristy no halain-tahaka, indrindra fa Izy nanolotra ny tenany natao sorona ho fanavotana ny hafa. Izany dia araka izay efa nolazainy tamin'ny mpianany hoe:"tsy misy manana fìtiavana lehibe noho izao, dia ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany. " (Jao. 15). Nv mpino izay efa mahatsapa ny famonjena noraisiny sy ny fìtiavan'Andriamanitra azy no ho afaka mandeha amin'ny fitiavana, ka ho tia an'Andriamanitra sy ho tia ny namany, eny ho tia ny fahavalo aza. Tokony hanjaka eo amin'nv fiombonan'ny mpino ny fifankatiavana.

Fanontaniana:
Mbola misy olona tsy mifankatia ve ao am-piangonana? Nahoana?

vendredi 29 décembre 2017

Zoma 29 Desambra 2017 - II Tan 9 : 3 - 8

3Ary rehefa samy hitan'ny mpanjakavavin'i Sebà ny fahendren'i Salômôna sy ny trano izay naoriny, 4ny sakafo fihinana teo amin'ny latabany sy ny toeram-ponenan'ny tandapany ary koa ny fahamendrehana amam-pitafian'ireo mpandroso sakafo sy mpitondra divay, ny ambaratongan-tohatra izay niakaran'i Salômôna ho ao an-tranon'ny TOMPO, dia talanjona aoka izany izy 5-6ka nilaza tamin'ny mpanjaka hoe:

–Marina avokoa izay resaka reko tany amin'ny taniko momba ny teninao sy ny fahendrenao. Nefa tsy nino ny filàzan'olona aho, raha tsy tonga atỳ, ka ny masoko no mahita. Hay na dia ny antsasaky ny fahendrena anananao aza tsy voambara tamiko akory; indro mihoatra noho ny laza efa reko ianao. 7Sambatra ireo olonao sy ireo tandapanao, satria eo anatrehanao mandrakariva ka mandre ny fahendrenao! 8Hisaorana anie ny TOMPO Andriamanitrao, fa sitrany napetraka eo amin'ny sezafiandrianany ianao mba ho mpanjaka hanompo Azy TOMPO Andriamanitrao; fa ny fitiavan'Andriamanitrao an'i Israely ka hampitoetra azy mandrakizay no nanaovany anao ho mpanjaka mba hampihatra ny rariny sy ny fahamarinana.

Ny fahendrena avy amin'Andriamanitra

1 - Miseho ho hita etv ivelanv
Ny trano izay nataon'i Solomona. ny hanim-pihinany teo amin'ny latabatra, ny fihetsika sy fitafin'ireo mpanomponv, nv ambaratongan-tohatra iakarana ho ao an-tranon'i Jehovah... (and.6). Ireny rehetra ireny dia nampiseho tamin'ilay mpanjakavavy fa tena manam-pahendrena mihoatra lavitra noho izay efa nambara taminy tokoa izy. Ny lesona ho antsika amin' izany dia izao: tokony ho hita taratra amin'nv fitondran-tena asehontsika ny maha kristiana antsika mba ho fíjoroana ho vavolombelon'
I Jesoa Kristy: amin'ny fiteny, amin'ny fitafy, amin'ny sakafo fihinana, amin'ny fitondrantenan'nv ankohonana, amin ny fivavahana.

2 - Mampiseho nv fitiavan'Andriamanitra
Niaiky ny fahendrena nanan'i Solomona ilay mpanjakavavy ka nisaotra an'Andriamanitra. Tsapany koa fa noho ny ny fitiavan'Andriamanitra ny Israely no antony nametrahana an'i Solomona ho eo amin'ny seza fìandrianany, mba hikendry izay hahasambatra ny vahoaka entinv. "...Noho ny fitiavan' Andriamanitrao ny Isiraely hampitoetra azy mandrakizay no nanaovany anao ho mpanjakany mba hanao fitsarana sy fahamarinana" (and.8b). Misy antony ho fanasoavana ny hafa ireny fanomezam-pahasoavana omen'nv Tompo antsika ireny.

Fanontaniana:
Misy akony eo amin 'ny fìainan 'ny manodidina ve ny fahendrenao?

jeudi 28 décembre 2017

Alakamisy 28 Desambra 2017 - II Tes 2 : 13 - 17

13Tsy maintsy velom-pisaorana mandrakariva an'Andriamanitra izahay ny aminareo, ry havana notiavin'ny Tompo. Fa nofidin'Andriamanitra ho toy ny santa-bokatra hatolotra Azy ianareo2.13 ho toy ny santa-bokatra hatolotra Azy ianareo: misy stf sasany ahitana hoe hatrany am-piandohana ianareo. , ka hahazo famonjena noho ianareo voatokan'ny Fanahy Masina mba ho an'Andriamanitra ary noho ianareo nino ny hafatra marim-pototra. 14Izany no niantsoan'Andriamanitra anareo, tamin'ny alalan'ny Vaovao Mahafaly notorînay, mba hahazoanareo miombom-boninahitra amin'i Jesoa Kristy Tompontsika. 15Koa mamahara tsara, ry havana, ary tano ny fampianarana natolotray anareo am-bava na an-taratasy.

16Enga anie i Jesoa Kristy Tompontsika sy ilay Andriamanitra Raintsika Izay efa tia antsika ka nanome antsika fampiononana mandrakizay sy fanantenana tsara tamin'ny alalan'ny fahasoavany 17hampionona ny fonareo ary hampahery anareo hanao izay tsara rehetra na amin'ny asa na amin'ny teny.

Anatra ho an'izay rehetra efa nandray ny Tompo

1- Tomoera tsara
Andriamanitra efa nifidy antsika hatramin'ny voalohany ahazo famonjena amin'ny fanamasinan'ny Fanahy sy ny finoana ny marina. Manoloana ny herin'ilay ratsy izay mifofofofo ka mikendry hanozongozona ny finoantsika dia tena ilaina ny mitoetra tsara. izany hoe tsy hiongotra na ho mora afindra fa tena mioriom-paka lalina. Ny hevitry nv teny dia: "'Mamahatra tsara" (DIEM). Betsaka ankehitriny ireo karazana fomba sy fivavahana miditra eto amin'ny tanintsika, manampy trotraka izany ny fahasahiranana mianjady amin'ny fiainan'ny mponina andavanandro. Ireny rehetra ireny no ataon'ilay ratsy fitaovana ahatonga antsika hiala amin'izay efa niorenan'ny finoantsika. Aoka isika hitoetra tsara amin'izay efa niantsoana sy nifidianan' ny Tompo antsika.

2- Tazonv nv fampianarana natolotra...
Tsy nazava tamin'ny olona ny fampianarana ny amín'ny fiavian'ny Tompo amim-boninahitra ka nahatonga fivilian-dalana. Ny sasany aza efa tsy niasa intsonv satria nihevitra fa efa tonga ny farany ka tonga nahantra sy nagataka. Tsy voatahiry intsony ny fampianarana natolotrv ny Apostoly. Ny hoe "mihazona ny fampianarana" dia mampihatra izany eo amin'ny fanompoana an' Andriamanitra, eo amin'nv fiainanana andavanandro, na amin'ny teny na amin'nv asa: "amin'ny asa sy ny teny tsara rehetra (and 17)

Fanontaniana:
Inona no mampiavaka ny finoana anananao ka hifìkiranao amin 'izany

mercredi 27 décembre 2017

Alarobia 27 Desambra 2017 - Gal 4 : 1 - 7

1Izao anefa no teniko: raha mbola zaza ny mpandova, dia tsy hafa noho ny mpanompo izy na dia tompon'ny zavatra rehetra aza; 2fa fehezin'izay mpikarakara azy sy ny mpitandrim-pananany izy mandra-pahatongan'ny fetr'andro voatendrin'ny rainy4.2 Araka ny lalàna grika, dia ny rain-jaza no mametra ny taona maha lehibe ny zanany, ka ahazoan-janany miala amin'ny fifehezan'ireo mpikarakara azy sy mizaka tena tanteraka.. 3Dia tahaka izany koa isika; fony mbola zaza, dia nandevozin'ireo herin-javatr'izao tontolo izao4.3 ireo herin-javatr'izao tontolo izao: dia ireo zavaboaary isan-karazany hita maso heverin'ny olombelona ho manan-kasina sy manan-jina, ary dia mangeja azy fatratra raha mbola tsy nanafaka azy ny finoana an'i Jesoa Kristy. Jereo 4.9; Kôl 2.8, 20. isika; 4fa rehefa tonga tokoa ny fotoanandro, dia nirahin'Andriamanitra ny Zanany: natera-behivavy io Zanany io ary niaina teo ambany fahefan'ny lalàna jiosy, 5mba hanavotra izay teo ambany fahefan'ny lalàna ary mba handraisantsika ny anjara maha zanak'Andriamanitra.

6Ry ny maha zanaka anareo, dia ny nanirahan'Andriamanitra ho ao am-pontsika ny Fanahin'ny Zanany miantso hoe: «Raiko ô4.6 Ary ny maha zanaka anareo, dia ny nanirahan'Andriamanitra: na hoe ary satria zanaka ianareo dia nirahin'Andriamanitra. –Raiko ô: ny teny aramianina Abbà no ampiasaina ao amin'ny rijan-teny grika fototra. Jereo Mk 14.36 sy nta; Rm 8.15.!» 7Hany ka tsy mpanompo intsony ianao, fa zanaka; ary raha zanaka ianao, dia mpandova koa noho ny ataon'Andriamanitra4.7 and 5-7: ampit Rm 8.15-17..

Ny fahatongavan'ny Zanaka.

1- Manavotra izay ambanin'ny lalàna (and.4, 5)
Tsy misy amin'ny olombelona na dia iray aza ka sahy milaza fa nahatanteraka izay rehetra notakian'ny lalàna taminv. Amin'izany, ny lalàna dia tonga miampanga antsika satria mampihariharv ny tsy fahamarinantsika, "Nateraky ny vehivavy, nateraka tao ambanin 'ny lalàna " (and.4). Jesoa no nahatanteraka feno izay notakian'ny lalàn'i Mosesy sy ny lalàna amin'ny ankapobeny. Izy no nanafaka antsika tamin'ny fanandevozan'nv lalàna. Raha ny lalàna, dia tsy misv azo hamarinina eo anatrehan' Andriamanitra isika. Ny fahatongavan'i Jesoa no nahavotra antsika tsy ho eo amban'ny lalàna.

2- Mahatonga antsika ho mpandova
"Raha mbola zaza ny mpandova, dia tsy hafa noho nv andevo ìzy, na dia tompon'ny zavatra rehetra aza" (and.l). Baikoina hanao izav asaina ataony ny zaza na dia mpandova aza, mandra-pahatonga ny fotona izay iheveran'ny rainy azy fa afaka mandray an-tanana sy mitantana ny anjara lovany. Izay rehetra mino an'i Jesoa kosa dia afaka tamin'nv fahazazana sy nv fanandevozan'ny abidim-pianara'izao tontolo izao, ary afaka hiaina malalaka amin'ny fanatanterahana ny sitrapon' Andriamanitra. Ny Fanahy mitoetra ao anatintsika kosa no hanome antoka ho antsika nv amin'ny fiainana mandrakizay.

Fanontaniana:
Hazavao ny teny hoe: "olona afaka isika "

mardi 26 décembre 2017

Talata 26 Desambra 2017 - Isa 11 : 1 - 10

1Misy rantsana misandrahaka avy amin'ny fototr'i Jisay11.1 Jisay: rain'i Davida (1 Sam 16.18-19); jereo Apôk 5.5; 22.16.;
misy solofo mipoitra avy amin'ny fakany.
2Ny Fanahin'ny TOMPO no mitoetra eo aminy,
dia Fanahy manome fahendrena sy fahaiza-manavaka
Fanahy mahay mamolavola sy manatanteraka,
Fanahy ahalalana sy anajana ny TOMPO;
3ary io no hanoro azy ny fanajana ny TOMPO.
Tsy hitsara araka ny ivelany fotsiny izy
na hanapaka araka izay ren'ny sofiny,
4fa hitsara ny malahelo ara-drariny
ary hamoaka didy araka ny hitsiny
ho an'ny mahantra eo amin'ny tany.
Ny teniny no toy ny tsorakazo
hikapohany ny tany
ary ny fofonain'ny vavany
no hamonoany ny olon-dratsy11.4 Jereo 2Tes 2.8..
5Ny rariny no ho fisikinany
ary ny toetra hentitra no ho fehikibony11.5 Jereo Ef 6.4..

6Koa ny amboadia hiara-mipetraka amin'ny zanak'ondry,
ny leôparda hiara-mandry amin'ny zanak'osy;
ny zanak'omby sy ny liona tanora hiara-mihinana
ka zazalahy kely no hitarika azy.
7Ny ombivavy sy ny orsavavy hiara-miraoka;
ary ny zanak'izy ireo hiara-matory.
Hihinam-bilona toy ny omby ny liona.
8Ny zaza mbola minono
hilalao eo an-davaky ny bibilava;
ary ny zaza misara-nono
hanatsofoka ny tanany
ao an-davaky ny menarana.
9Tsy hisy hanimba na handratra
manerana ny tendrombohitra masina,
satria ny fahalalana ny TOMPO
no hanenika izany tany izany
tahaka ny anaronan'ny rano
ny fanambanin'ny ranomasina11.9 And 6-9: jereo Is 65.25. –And 9: jereo Hab 2.14..
10Amin'izany andro izany ny solofon'i Jisay
dia hatsangana ho fanevan'ny firenena rehetra;
ka hitady azy ny firenen-kafa11.10 Jereo Rm 5.12.,
ary hanjary be voninahitra ny fonenany.

"Solofo mitsimoka eo amin'ny fototr'i Jese"

1- Itoeran'nv Fanahin'I Jehovah (and.2)
Ny fitoeran'ny Fanahin'i Jehovah no mampiavaka ny olona voafidin'Andriamanitra. Ny Fanahin'i Jehovah no manome ny toetra sy ny hery rehetra ilaina ahafahana manatanteraka ny sitrapon'Andriamanitra ho famonjena izao tontolo izao. Ny asan'ny Fanahy Masina no hery mampijoro ny Fiangonana ka ahafahany manohy nv asam- pamonjena efa natombok'i Kristy sy ahaizana "mitsara araka nv fahamarinana" (and.4). Tsiahivina eto Ilay Mpanompon'i Jehovah nanao hoe: "Ny Fanahin'i Jehovah Tompo no ato amiko, satria Jehovah efa nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin'ny mpandefitra, efa naniraka Ahy hahasitrana ny torotoro fo Izy, ary hitory fanafàhana amin'ny babo sy hamoaka ny ao an-trano- maizina ... " (Isa.61,1).

2- Mitondra fiadanana (and.4-10)
Rehefa ao amin'ny olona ny Fanahin'ny Tompo, ka manjaka eo amin'ny mpitondra ny fahatahorana an'Andriamanitra sy ny fahatokiana Azy, dia izany no ny fiadanana. Miverina amin'ny laoniny ny fífandraisan'ny olona amin'Andriamanilra, ny fifandraisan'ny olona samy olona; ary ny fífandraisan'ny olona amin'ny zava-boary. Sary maneho izany fiadanana izany no ambaran'ny mpaminany: "Ary ny amboadia* hiara-mitoetra amin'ny zanak'ondry... Ny zaza minono hilalao amin'ny lavaky ny vipera " (and.6-8)

Fanontaniana:
Misy ifandraisany ve ny fahotana sy ny fahasimban'ny tontolo iainana?


lundi 25 décembre 2017

Alatsinainy 25 Desambra 2017 - Lio 2 : 8 - 14

8Tany amin'izany faritany izany, dia nisy mpiandry ondry nitoetra tany an-tsaha niambina ny ondriny nandritra ny alina. 9Nisy anjelin'ny Tompo niseho tampoka taminy; ary nohodidinin'ny voninahitry ny Tompo ireo mpiandry ondry ka raiki-tahotra izaitsizy.

10Fa hoy ilay anjely taminy:
–Aoka izay ny tahotra, fa vaovao mahafaly no entiko ho anareo, dia fifaliana lehibe ho an'ny vahoaka rehetra: 11Mpamonjy no teraka ho anareo anio ao an-tanànan'i Davida, dia i Kristy Tompo. 12Izao no hahafantaranareo Azy: hahita zazakely anankiray voahodidina lamban-jaza sady mandry eo amina fihinanam-bilona ianareo.

13Ary nisy anjely alikisa avy any an-danitra niseho niaraka tamin'ilay anjely teo ka nidera an'Andriamanitra nanao hoe:

14«Voninahitra any amin'ny avo indrindra
ho an'Andriamanitra;
ary fiadanana etỳ an-tany ho an'ny olombelona
fa nanehoany fitia2.14 Dkt hafa, araka izay hita ao amin'ny stf sasany, fiadanana etỳ ambonin'ny tany, famindrampo ho an'ny olombelona. !»

Mpiandry ondry tany an-tsaha.

1- Isehoan'ny anjelin'nv Tompo
Mpiandry ondry tany an-tsaha no nisehoan'ny anjely, ka nanambaràny ny vaovao mahafaly mikasika ny fahaterahan'i Jesoa Mpamonjy. Nomeny toky mba tsy hatahotra sady nanehoana ny voninahitry ny Tompo nanelatrelatra manodidina azy. Any an-tsaha. anatin'ny alina feno aizina, am-perin'asa, ao anatin'izany no miseho ny anjelin'ny Tompo sy ny voninahiny. Andriamanitra dia mampiseho ny voninahiny amin'izay tiany hisehoana sy hanehoana izany, na iza na iza isika, ary na aiza na aiza toerana misy antsika. na inona na inona saranga misy antsika eo amin'ny fiaraha-monina. Izao fìsehoan'ny anjely amin'ny mpiandry ondry izao dia vavolombelon'ny fitiavan'ny Tompo hamonjy antsika ary tsy mizaha tavan'olona Izy.

2- Ilazana vaovao mahafaly
Na iza na iza teo amin'ny toeran'ny mpiandry ondry ireo, dia tsy maintsy ho taitra sy hatahotra aloha. Nampitony izany ny anjelin'ny Tompo ka nilaza tamin'ireo mba tsy hatahotra sady nanambara vaovao mahafaly taminy. Ny nahaterahan'i Jesoa Kristy Tompo no "Teny soa mahafaly". na Filazantsara. sady fifaliana lehibe ho an'ny olona rehetra ka mitondra fiadanana ho an'ny firenena. Izay mandray an'i Jesoa ho Tompo sy Mpamonjy azy anio no hahita ny tena fiadanana eo amin'ny androm-piainanv ary ny voninahitry Tompo hanelatrelatra manodidina azy.

Fanontaniana:
Mitondra inona eo amin'ny fiainanao ny Fahaterahan'ny Mpamonjy?

dimanche 24 décembre 2017

Alahady 24 Desambra 2017 - Jao 3 : 16 - 21

16Eny, notiavin'Andriamanitra fatratra izao tontolo izao, ka nomeny ny Zanany lahitokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy fa ho velona aina mandrakizay. 17Andriamanitra manko tsy naniraka ny Zanany ho eto amin'izao tontolo izao, mba hanameloka an'izao tontolo izao, fa mba hamonjy an'izao tontolo izao amin'ny alalany. 18Izay mino ny Zanaka dia tsy helohina; fa izay tsy mino koa dia efa voaheloka rahateo, noho izy tsy nino ny Zanaka lahitokan'Andriamanitra. 19Ary izao no anton'ny fanamelohana: efa tonga tamin'izao tontolo izao ny fahazavana, nefa naleon'ny olona ny haizina toy izay ny fahazavana, satria ratsy ny asany. 20Fa izay rehetra manao ratsy dia mankahala ny fahazavana sady tsy manatona ny fahazavana, fandrao hita miharihary ny asa ratsiny. 21Izay manao ny marina kosa dia manatona ny fahazavana, mba hiseho fa notontosaina araka an'Andriamanitra ny asany.

Tia antsika Andriamanitra.

1- Nanorme ny Zanany lahitokana Izy (and.16)
Isika n tokony hohelohina ho faty noho ny fahotantsika , araka ny voasoratra hoe : "Fa fahafatesana no tambin'ny ota... " (Rom.6,23). Tsy foiny hisy ho any amin'ny fahafatesana sy ny fahaverezana mandrakizay anefa isika. Nirahiny ny Zanany ho ety amin'izao tontolo izao. dia Jesoa Kristy. Izy no vavolombelon'ny fitiavan' Andriamanitra antsika, fa voasoratra hoe: "Fa toy izao no nitiavan'Andriamanitra izao tontolo izao : nomeny ny Zanany lahitokana.... (and.16). Ary koa: «Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka ho amin'izao tontolo izao hanameloka izao tontolo izao, fa mba hamonjeny izao tontolo izao » (and.17)

2- Manome fiainana mandrakizav Izv
"... Nomeny ny Zanany Lahitokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay" " ...Fiainana mandrakizay no omen'Andriamanitra antsika, ary ao amin'ny Zanany izany fìainana izany... " (I Jao.5, 11). Ny fanomezan'Andriamanitra ny Zanany dia fanomezana fiainana mandrakizay. Fa hov Jesoa: "Izaho avy mba hananany fiainana, sady hananany be dia be "(Jao. 10,10). Ny hoe "mino" dia manaiky fa i Jesoa irery no Ilay nirahin'Andriamanitra ho Mpamonjy sv Mpanavotra antsika. Izy no lalana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin'ny Ray, afa-tsy amin'ny alalany (Jao.14, 6).

Fanontamana:
Azonao antoka ve fa voavonjy ianao?Nahoana?

samedi 23 décembre 2017

Sabotsy 23 Desambra 2017 - Mat 1 : 18 - 25

18Toy izao no nahaterahan'i Jesoa Kristy. Efa fofombadin'i Jôsefa i Maria renin'i Jesoa tamin'izay; raha mbola tsy niray trano anefa izy roa dia hita fa nitoe-jaza i Maria noho ny asan'ny Fanahy Masina. 19Olo-marina i Jôsefa vadiny, ka tsy te hanala baràka azy, fa nikasa hametraka azy mangingina.
20Raha mbola nieritreritra izany izy, dia nisehoan'anjelin'ny Tompo tamin'ny nofy ka nilazany hoe:
–Ry Jôsefa taranak'i Davida ô, aza matahotra ny hampakatra an'i Maria vadinao! Noho ny asan'ny Fanahy Masina tokoa no nampitoe-jaza azy. 21Ary ho tera-dahy izy ka i Jesoa no anarana hiantsoanao ny zaza: fa io zaza io no hamonjy ny vahoakany ho afaka amin'ny fahotany1.21 Ny hoe Jesoa dia mitovy amin'ny hoe Josoa ihany ka midika hoe: Ny Tompo no famonjena (na hoe ny Tompo no manome ny famonjena)..

22Izany rehetra izany no tonga dia mba ho tanteraka ilay voalazan'ny Tompo tamin'ny alalan'ny mpaminany hoe:

23«Indro hitoe-jaza ny virijiny ka ho tera-dahy;
ary ny anarana hiantsoana ny zaza dia Himanoela1.23 Is 7.14, voatsiahy araka ny dkt grika tranainy Septoazinta, somary nisy novan'i Matio variraiventy.,»
(izany hoe «miaraka amintsika Andriamanitra»)

24Vao nifoha maraina i Jôsefa dia nanatontosa izay nandidian'ilay anjelin'ny Tompo azy, ka nampakatra an'i Maria vadiny. 25Tsy niray tamin'i Maria i Jôsefa mandra-pahatera-dahy an'i Maria; ary i Jesoa no anarana niantsoan'i Jôsefa ny zaza.

Vavolombelon'ny fitiavan'Andrianianitra i Josefa.

1- Tsy ta-hanala baraka nv vadinv (and.19)
Araka ny lalàna dia tokony halaim-baraka sy hotoraham- bato ho faty ny vehivavy bevohoka kanefa tsy ilay tompom-bady no tompon'andraikitra nahavita izany (Deot.22, 23-24). Maro amin'ny olona no tsy mahazaka ny kilemam-badiny ka mitantara izany amin'ny namana, na ny sakaiza, ny ray aman-dreny. Eny misy mihitsy aza tsy mahafehy ny fihetseham-pony ka sahy manala baraka azy imasom-bahoaka.Tsy mba nanao toy izany i Josefa, ilay lehilahy marina, tsy ta-hanala baraka azy izy. Na inona na inona mety ho kilemam-bady dia aoka tsy hifanala baraka

2- Mankato ny Tenin'nv Tompo (and.24)
Nikasa hisaraka mangingina tamin'i Maria Josefa. Izay no noheveriny fa tsy hahafa-baraka ny vadiny. Kanefa raha mbola nisaina izany izy dia niseho taminy ny anjelin'ny Tompo ka nampahery azy sady nilaza taminy mba tsy hatahotra ny hampakatra an'i Maria ho vadiny. Ka dia "nanao araka ìzay nandidian'ny anjelin'ny Tompo izy (and.24b)". Na dia teo aza ny fikasany hisaraka, nampandeferiny izany noho ny fankatoavany ny tenin'ny Tompo. Tena ilaina ny fíhainoana sy fankatoavana ny Tenin'Andriamanitra manoloana ny olana misy.

Fanontaniana:
Inona no tokony hatao raha mahita ny kileman 'ny namanao ianao?

vendredi 22 décembre 2017

Zoma 22 Desambra 2017 - I Jao 4 : 12 - 19

12Tsy mbola nisy olona nahita an'Andriamanitra na oviana na oviana4.12 Ampit Jôh 1.18.; fa raha mifankatia isika, dia mitoetra ao anatintsika Andriamanitra, ary lavorary ao anatintsika ny fitiavana Azy.

13Ny ahafantarantsika fa mitoetra ao anatin'Andriamanitra isika ary Izy ao anatintsika, dia ny Fanahiny efa nomeny antsika. 14Ary izahay efa nahita ka dia vavolombelona manambara fa naniraka ny Zanany ho Mpamonjy an'izao tontolo izao4.14 Ampit Jôh 3.17; 4.42. ny Ray. 15Na iza na iza manaiky an'i Jesoa ho Zanak'Andriamanitra, dia mitoetra ao anatiny Andriamanitra ary izy ao anatin'Andriamanitra. 16Ary isika efa mahalala sy mino ny fitiavan'Andriamanitra antsika.

Andriamanitra dia fitiavana; koa izay mitoetra ao amin'ny fitiavana no mitoetra ao anatin'Andriamanitra, ary Andriamanitra ao anatiny. 17Izao no mahalavorary ny fitiavana eo anivontsika: hanan-toky isika amin'ny andro fitsarana, satria tahaka an'i Kristy isika eto amin'izao tontolo izao. 18Tsy mba manan-tahotra ny fitiavana, fa ny fitiavana lavorary mandroaka ny tahotra. Mifantoka amin'ny sazy manko ny tahotra, fa izay matahotra dia mbola tsy lavorary amin'ny fitiavana.
19Tia isika, satria Andriamanitra no efa tia antsika mialoha.


Aiza no mitoetra Andriamanitra ?

1 - Ao amin'izav mifankatía (and.12b)
Andriamanitra dia fítiavana. Izao no nanehoana ny fítiavan'Andriamanitra antsika: Andriamanitra naniraka ny Zanany lahy Tokana tamin'izao tontolo izao, mba hahavelona antsika amin'ny alalany. tiany hitoetra ao anatintsika izany fitiavany izany. Izany no andidiana antsika mba hifankatia satria "Raha mifankatia isika, dia mitoetra ato amintsika Andriamanitra, ary tanteraka ato amintsika ny fìtiavany". Izaho sy ianao ary ireo namantsika dia samy nanehoan'Andriamanitra ny fitiavany. Izay tsy tia dia tsy mba mahalala an'Andriamanitra; fa Andriamanitra dia fitiavana,ary izay mitoetra amin'ny fitiavana no mitoetra ao amin' Andriamanitra, ary Andriamanitra ao aminy.

2 - Ao amin'izav manaiky fa Zanak' Andriamanitra Jesoa (and.15)
"Na iza na iza manaiky fa Zanak'Andriamanitra Jesoa, dia mitoetra ao aminy Andriamanitra, ary izy kosa ao amin' Andriamanitra. " Ny hoe: "manaiky Azy ho Zanak' Andriamanitra" dia finoana fa Izy no Ilay Mesia, voahosotr' Andriamanitra; Izy no nirahina avy any an- danitra mba hanao izay hahafantaran'ny olona an'Andriamanitra ary nanaiky hatao sorona noho ny fahotantsika. Ny olona efa nandray ny Fanahy Masina no afaka hanaiky fa Zanak'Andriamanitra Jesoa, ka tanteraka amin'ny fitiavana an'Andriamanitra sy ny rahalahiny ary ny olona rehetra.

Fanontaniana:
Tanteraka ao aminao ve ny fìtiavan' Andriamanitra?

jeudi 21 décembre 2017

Alakamisy 21 Desambra 2017 - Hos 14 : 2 - 10

2Ry Israelita ô, mba miverena
amin'ny TOMPO Andriamanitrareo,
fa ny helokareo no nahalavo anareo.
3Miverena amin'ny TOMPO
ka milazà aminy hoe:
«Avelao avokoa ny helokay;
ary ho solon'ny vantotr'ombilahy fanolotray
dia raiso tsara ireto teninay ireto:
4Tsy i Asiria no hahavonjy anay,
tsy hitaingin-tsoavaly izahay;
ary tsy amin'ny sampy asan-tananay intsony
no hitenenanay hoe: ‹Ry Andriamanitray ô!›;
fa Ianao no mamindrafo amin'ny kamboty.»

5Izaho TOMPO dia hanasitrana
an'ilay Israely amin'ny fiodinany.
Ho tia azy amim-po malalaka Aho;
fa efa nialan'ny fahatezerako izy.
6Ho tahaka ny ando mahasoa azy Aho;
dia hamony tahaka ny lisy izy
ary hamàka tahaka ny hazon'i Libàno.
7Hisandrahaka rantsana izy,
ka ho tsara tarehy toy ny hazo ôliva
ary hamerovero toy ny alan'i Libàno.
8Ho avy indray i Israely,
ka hitoetra eo ambany fiarovako.
Hamboly vary indray izy,
ka hiroborobo tahaka ny voaloboka
sy halaza tahaka ny divay avy any Libàno.
9Hataon'i Efraîma inona intsony izay sampy?
Izaho TOMPO no mamaly vavaka azy
sady mitandrina azy.
Izaho no toy ny kipreso,
hazo maitso mandavan-taona14.9 Kipreso hazo maitso mandavan-taona: hany teny ao amin'ny T.T. izay ampitahana an'Andriamanitra amina hazo masina fanompon'ny fivavahana kanahanita, satria mariky ny fahavokarana..
Izaho no hahazoany vokatra.
10Iza no hendry hahafantatra
izany tenin'i Hôsea izany14.10 izany tenin'i Hôsea izany na izany zavatra izany. Io andininy miendrika fehinteny io dia ao anatin'ny antsoina hoe lahatsoratr'olon-kendry. Misy fomba fanoratra mitovitovy amin'izany ao amin'ny faran'ny Sal 107.43 sy ao amin'i Jer 9.11; Koh 8.1.,
na lalin-tsaina hahalala ny heviny?
Fa mahitsy ny sori-dalan'ny TOMPO;
ka hizoran'ny olo-marina izany,
saingy hahasolafaka ny mpikomy.

Tsy mahafoy antsika ny Tompo:

1- Mitaona antsika mba hiverina Aminy (and.2-4)
Tsy haFa noho ireo zanak'i Israely fahizany isika ankehitriny: "...fa lavon-keloka ianao". Ny fototry ny olana sy ny fahavoazana mahazo antsika dia tsv misy afa- tsy izao ihany: Ny fíhodinana amin' ny Tompo hanompo andriamani-kafa, mba hisolo ny toeran'Andriamanitra ao am-po. Tia antsika anefa ny Izy ka mitaona antsika indray mba hiverina Aminy. Ny hoe: "miverina Aminv'" dia midika ho fialàna amin'ny ratsv fanao sadv manaiky Azv amin'ny fo sy ny saina manontolo ho hany Andriamanitra tokana. Miantefa amintsika ny antso ankehitriny: "Miverena amin'i Jehovah, ka manaova aminy hoe: Mamelà ny heloka rehetra... " (and.3)

2- Mampanantena fanasitranana (and.5-9)
Teny fampanantenana no omeny antsika izay tapa-kevitra fa hiverina Aminy: "Hositraniko ny fiodinany ho tia azy tsy vozonana Aho; Fa efa niala taminy ny fahatezerako " (and.5). Mitondra fanavotana tanteraka ho an'ny olona sy ny firenena ny famelan-keloka omen'ny Tompo. Manome tokv Izy fa ho "tahaka ny ando ho an 'ny Israely" ka hitahy azy sy hampamokatra azy (and.6). Sarin'ny saha mahavokatra ahitana hazo voatondraka tsara sy tany mamokatra be no anehoana ny fahasitranana ampanantenaina izay miverina Aminy. Ny fiverenan'ny olony amin'Andriamanitra no miantoka ny fahasitranana sy mitondra fiadanana

Fanontaniana:
Inona no voka-dratsin 'ny fahotana eo amin 'ny fiainam- bahoaka?

mercredi 20 décembre 2017

Alarobia 20 Desambra 2017 - Efe 3 : 14 - 21

14Noho izany no andohalehako eo anatrehan'Andriamanitra Ray, 15Izay antom-pisian'ny fianakaviana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany. 16Mangataka amin'Andriamanitra aho mba homeny anareo, araka ny haren'ny voninahiny, ny hohatanjahina fatratra ao anatinareo amin'ny herin'ny Fanahiny, 17ka hitoeran'i Kristy ao am-ponareo amin'ny finoana; dia hamahatra tsara sy ho mafy orina amin'ny fitiavana ianareo. 18Mangataka amin'Andriamanitra aho ny hahaizanareo mbamin'ny vahoakan'Andriamanitra rehetra mahafantatra tsara ny fitiavan'i Kristy, dia izay sakany sy lavany ary haavony sy halaliny. 19Enga anie ho fantatrareo tokoa ny fitiavan'i Kristy – na dia tsy mety ho fantatra tanteraka na oviana na oviana aza izany –, mba hamenoana anareo ka hidiranareo ao amin'ny hafenoana rehetra ananan'Andriamanitra.

20Ary ho an'Andriamanitra Izay mahay manao mihoatra noho ny zavatra rehetra, eny, mihoatra lavitra noho izay angatahintsika na heverintsika aza, araka ny heriny miasa ato amintsika, 21ho Azy anie ny voninahitra ao amin'ny Fiangonana sy ao amin'i Kristy Jesoa, manerana ny taranaka rehetra mifandimby sy mandrakizay mandrakizay! Amen.

Mijoroa ho vavolombelon'ny fítiavan'ny Tompo.

1- Amin'nv fivavahana (and.l4-19)
"Ary noho izany no andohalehako amin'ny Ray". Ny fiainam-bavaka no hery lehibe ho enti-mandresy ny sakantsakana tsy ahafahana mijoro ho vavolombelona . Mariho tsara fa i Paoly, izay heverina fa tokony hangata-bavaka sy fampaherezana avy amin'ny hafa indray noho izy migadra, no mivavaka sy mandohalika ho an'ny mpino: "Mba hananany toe-panahy matanjaka (and.16); mba ahalala sy hitoeran' i Kristy ao am-pony ka hiorina amin 'ny fìtiavany (and.19). Toe-panahy toy izany no ilaina amin'izao vanim-potoana sarotra diavintsika izao. Ny tena mpino sy mpanara-dia an'i Jesoa mijoro ho vavolombelona mandrakariva amin'ny fivavahana, arv koa ahatsiaro hivavaka ho an'ny hafa.

2- Amin'ny fanomezam-boninahitra ny Tompo (and.20-21)
Resy lahatra i Paoly fa mahay ny zavatra rehetra Andriamanitra. mahay manao mihoatra noho izay rehetra angatahintsika na heverintsika aza; izany faharesen- dahatra izany no mitarika azy hanome voninahitra an'Andriamanitra ka hampaherezany ny mpamaky ny epistilinv. Aoka isika fiangonana hiaiky sy hankalaza ny voninahitr'Andriamanitra.

Fanontaniana:
Inona no hevitry ny teny hoe: "Velona ho an 'ny hafa"? 

mardi 19 décembre 2017

Talata 19 Desambra 2017 - Isa 63 : 7 - 19

7Hampahatsiaroviko ireo mari-pitiavan'ny TOMPO
sy ireo antony tokony hiderantsika AZY,
araka izay rehetra nataony tamintsika
mbamin'ny soa be nafafiny ho an'ny taranak'Israely.
Famindrampo sy fitiavana tsy hita lany
no nanaovany an'izany ho azy.

8Hoy ny TOMPO ny amin'ny Israelita hoe:
«Tena vahoakako tokoa ianareo,
zanaka tsy handiso fanantenana Ahy.»
Ka dia tonga Mpamonjy azy ireo ny Tompo
9tamin'ny fahoriana rehetra nanjo azy.
Tsy solotena na anjely no namonjy azy
fa ny tenan'ny Tompo mihitsy.
Ny fitiavany sy indrafony no nanavotany azy,
ka nivimbinany azy sy nitondrany azy
nandritra ny androny rehetra fahiny.
10Saingy nikomy tamin'ny Tompo ireo
ka nanome alahelo ny Fanahiny Masina;
dia tonga fahavalon'ireo Izy
sady niady taminy mihitsy.

11Tamin'izay ny vahoakan'Andriamanitra
dia nahatsiaro ny tantarany fahiny,
dia izay tamin'ny andron'i Mosesy63.11 dia izay...Mosesy: jereo Eks 14.15-23.:
«Nankaiza Ilay nampakatra avy ao amin'ny ony,
Ilay ho mpiandry ny andianondriny?
Nankaiza Ilay nametraka
ny Fanahiny Masina tao aminy?
12Izy no nampandroso ny sandriny mamirapiratra
teo ankavanan'i Mosesy,
ka nampisaraka ny ranomasina
teo anoloan'ny vahoakany
mba hananany laza mandrakizay.
13Izy no nampandeha azy ireo
teo amin'ny fanambanin'ny ranomasina;
toy ny soavaly mikarenjy any an-taniefitra ireo
ka tsy mba solafa-mamindra.
14Toy ny biby fiompy midina an-dohasaha
no nitondran'ny Fanahin'ny TOMPO azy
ho amin'ny toerana fialan-tsasatra.»
Tompo ô, tahaka izany tokoa
no nitarihanao ny vahoakanao
mba hanananao laza mamirapiratra.

15Mba mitsinjova avy eny an-danitra, Tompo ô;
avy eo amin'ny fonenanao masina sy mamirapiratra
mba jereo izay manjo anay.
Nankaiza izao ny fitiavanao miredareda
sy ny fahasahianao hiady ary ny fahaizanao mangoraka?
Enga anie ny famindramponao,
tsy ho sakantsakananao hihatra aminay!
16Satria Ianao mihitsy no Rainay,
fa i Abrahama tsy mahalala anay,
ary i Jakôba tsy mahafantatra anay;
eny, TOMPO ô, Ianao no Rainay,
Ianao ilay nantsoina hatrizay hatrizay
amin'ny anaranao hoe «Mpanavotra anay.»
17TOMPO ô, nahoana re izahay
no avelanao haniasia lavitra ny lalanao,
sy hampikiry ny fonay tsy hanaja Anao?
Miverena noho ny fitiavanao ny mpanomponao,
dia izahay foko anjara fanananao.
18Vahoaka natokana ho Anao izahay,
saingy fotoana fohy no nanananay ny tany lovanay;
fa nohitsakitsahin'ny fahavalonay ny Toeramasinao.
19Efa ela izahay no vahoaka tsy nofehezinao
sady tsy niantsoana ny anaranao intsony!
Enga anie hotriarinao ny lanitra mba hidinanao,
ka hihorohoro eo anatrehanao ny tendrombohitra!

Izay tokony hataon'ny olona efa novonjena:

Nanaiky ho faty teo amin'ny hazo fijaliana Kristy mba hamonjena antsika ka hanantsika anjara amin'ny fiainana mandrakizay. Inona kosa àry no tokony hataontsika. raha izany ny fitiavany antsika?

1-Manambara ny famindramponv (and.7)
Andeha isika hanao tahaka nv mpaminany ka hanambara hoe: "Ny famindram-pon' i Jehovah no hambarako, dia ny fiderana an'i Jehovah araka izay rehetra nataony tamintsika". Mamindra fo sy miantra ny Tompo, mahari- po sadv be famindram-po Izy ka tsv mitahiry fahatezerana mandrakizay. Tsy manao antsika araka ny fahotantsika Izy, ary tsy mamaly antsika araka ny helotsika. Sambatra izay rehetra manantena Azy, fa hamindra fo aminy Izy.

2- Manambara ny famonjeny (and.8)
"Fa hoy Izy: Oloko tokoa ireo, dia zanaka tsv mba handainga; ka dia tonga Mpamonjy azy Izy." Tamin'ny fahoriany rehetra dia niory koa Izy, ary Ilay Anjelin'ny tavany no namonjy ireo.Ny fitiavany sy ny famindram- pony no nanavotany azy sy nivimbinany azy ary nitondrany azy tamin'ny andro taloha ela rehetra.(and.9). Izany no fitiavan'Andriamanitra antsika .Mpamonjy mora azo amin'ny fahoriana Izy. Tokony hotsarovana koa anefa fa mpitsara ny ratsy fanahy sy ny mafy hatoka Izy. Koa aoka isika hibebaka, satria izay mibebaka marina tokoa no handray izany famindrampo sy famonjeny izany.

Fanontaniana:
Efa nandray an'i Jesoa ho Tompo sy Mpamonjy anao tokoa ve ianao?

lundi 18 décembre 2017

Alatsinainy 18 Desambra 2017 - Jao 15 : 9 - 16

 9Tahaka ny nitiavan'ny Ray Ahy no nitiavako anareo koa; mitoera ao amin'izany fitiavako anareo izany. 10Raha mitandrina ireo didiko ianareo, dia hitoetra ao amin'izany fitiavako anareo izany, tahaka ny nitandremako ireo didin'ny Raiko sy itoerako ao amin'ny fitiavana Ahy.
11Izany no voalazako taminareo, dia mba ho ao aminareo ny hafaliako ary mba ho feno ny hafalianareo15.11 Ampit Is 9.2; 35.10.. 12Izao no didiko: mifankatiava ianareo tahaka ny nitiavako anareo. 13Tsy misy manam-pitiavana lehibe kokoa noho ny mahafoy ny ainy hamonjy ny sakaizany. 14Ianareo no sakaizako, raha manatanteraka izay andidiako anareo: 15tsy hataoko hoe mpanompo intsony ianareo, satria ny mpanompo tsy mahalala izay ataon'ny tompony; fa efa ataoko hoe sakaiza ianareo, satria izay rehetra reko tamin'ny Raiko no nampahafantariko anareo. 16Tsy ianareo no nifidy Ahy, fa Izaho no nifidy anareo sady nanendry anareo mba handehananareo sy hahavokaranareo ary haharetan'ny vokatrareo; hany ka na inona na inona angatahinareo amin'ny Ray noho ny anarako, dia homeny anareo.

Tia antsika Jesoa.

1- Tahaka ny nitiavan'nv Rav Azv (and.9)
Isika olombelona dia mahalala tsara izany atao hoe fitiavan-janaka izany. Foin'ny ray aman-dreny ho an'ny zanany avokoa izay rehetra ilainy ka mahasoa azy, arv na dia maditra aza izy ireny dia hoy ny fiteny: " Ny zanaka no mahafoy ray aman-dreny, fa ny ray aman-dreny tsy mahafoy zanaka..." Tsy takatry ny saintsika.fa ambony lavitra noho izany ny fitiavan'Andriamanitra .Tsy misy fítiavana ambony sv maherv tahaka ny fitiavan' Andriamanitra ny Zanany Lahitokana. Toy izany fítiavana izany no itiavan'i Jesoa antsika .Tia antsika Jesoa na dia tsy maha te ho tia aza isika noho ny fahotana vitantsika, nahafov ny ainy ho antsika Izy hahatonga antsika ho tena zanak'Andriamaintra tokoa ka ho mpiara- mandova Aminy ao amin'ny fanjakan'ny lanitra.

2- Nandray antsika ho sakaiza Izv (and.14,15)
"Tsy hataoko hoe mpanompo intsony ianareo, fa ny mpanompo tsy mahalala izay ataon'nv tompony; fa efa nataoko hoe sakaiza ianareo, satria izay rehetra reko tamin'ny Raiko no nambarako taminareo."(and.l5). Efa nambaran'ny Tompo antsika avokoa ny ao am-pony , izany no fitiavana tonga lafatra izay anjaran'ny sakaizan'i Jesoa. Raha mifankatia isika, dia tonga mpianatry ny Tompo tokoa arv tena sakaizan'i Jesoa. Izy, izay nifidy antsika kosa dia hanome antsika izay rehetra angatahintsika amin'ny Ray, na inona na inona izany.

Fanontaniana:
Manjaka ao amin 'ny fìainan 'ny samy kristiana tokoa ve ny fifankatiavana?

dimanche 17 décembre 2017

Alahady 17 Desambra 2017 - Hos 11 : 1 - 4

1«Fony mbola tanora i Israely,
dia notiaviko, hoy Izaho Tompo;
ary zanako izy ka nantsoiko hiala tany Ejipta11.1 Jereo Eks 4.22; Mt 2.15..»
2Nefa arakaraka ny niantsoako azy
no vao mainka nanalavirany Ahy11.2 arakaraka... nanalavirany Ahy: araka ny dkt grika tranainy; hebreo: nanalavitra ireo izay niantso azy izy..
Nanatitra sorona ho an'i Bahala izy
ary nandoro vovo-javamanitra ho an'ny sampy.
3Izaho no nampiana-mandeha an'i Efraîma
sady nitondra azy an-trotroana.
Kanefa tsy fantany
fa Izaho no nikarakara azy.
4Notahitahîko ny fitarihana azy
tamin'ny mahazakam-pitiavana;
ary ho azy Aho dia toy ny reny
izay manainga ny zanany
hatehika amin'ny takolaka
sady niondrika namahana azy.


Miahy antsika ny Tonipo! 
1 - Rav be fitiavana Izv (and.1-3)
Oharina amin'ny fitiavan'ny ray ny zanany ny fitiavan' Andriamanitra ny zanak'i Israely. Izy Tompo mihitsy no milaza hoe: "Feny mbola zaza Israely dia tiako izy, ary nantsoiko hiala tany Egypta ny zanako (and.1). Izy Tompo no mitantana sy mampiana-mandeha ary mitrotro ny zanany. Etsy ankilany Israely kosa dia tsy mahatsapa izany ka minia manalavitra Azy sy mihodina Aminy arv manompo andriamani-kafa. Tsv hafa amin'izany isika: Andriamaniíra dia nampiseho ny fitiavany antsika ka nanafaka antsika tamin'ny fanandevozan'ny fahotana ary nanangana antsika ho zanaka tamin'ny alalan'I Jesoa Kristy. Matetika anefa isika no tsy mba mahatsapa izany akory ary minia mandositra ny tavany.

2- Tompo tsara fanahv Izv (and.4)
"Tamin'ny kofehy fitarihana olona no nitarihako azy. dìa tamin'ny mahazakan'nv fitiavana ". Eto dia hita miharihary ny fitiavana sy ny hatsaram-panahin'ny Tompo, ka na dia mihodina aza ny zananv, Izy kosa mitarika azv sy mamerina azy am-pitiavana ka manolo kanina ho azy. Tsara Fanahy ny Tompo ka mitaona antsika am-pitiavana indray anio mba hiverina Aminy, sady manainga antsika mba handray ny Teniny.

Fanontaniana:
Inona no antony mahatonga ny olona hanompo andriamani-kafa?

samedi 16 décembre 2017

Sabotsy 16 Desambra 2017 - Jao 13 : 1 - 15

1Andro mialoha ny fankalazana ny Paska tamin'izay. Fantatr'i Jesoa fa tonga ny fotoanandro hialany amin'izao tontolo izao ho any amin'ny Ray. Efa notiavin'i Jesoa ireo Azy teo amin'izao tontolo izao ary dia notiaviny hatramin'ny farany.

2Teo am-pisakafoana hariva tamin'izay i Jesoa mbamin'ny mpianany; ary efa nomen'ny devoly hevitra i Jodasy, zanakalahin'i Simôna Iskariôta, mba hanolotra an'i Jesoa. 3Fantatr'i Jesoa rahateo fa efa napetraky ny Ray eo an-tanany avokoa ny zavatra rehetra, sady fantany fa Andriamanitra no niaviany ary Andriamanitra no hiverenany. 4Koa nitsangana niala teo am-pihinanana Izy, dia nametraka ny lambany, ary naka lamba famaohana ka nisikinany. 5Avy eo Izy dia nampidina rano tamina koveta, ary nanomboka nanasa ny tongotr'ireo mpianany sy namaoka izany tamin'ny lamba nisikinany. 6Dia tonga teo amin'i Simôna Petera Izy; fa hoy i Petera taminy:

–Ianao ve, ry Tompo, hanasa ny tongotro?

7Dia novalian'i Jesoa hoe:
–Izay ataoko dia tsy azonao ankehitriny, fa ho azonao any aoriana.

8Fa hoy i Petera taminy:
–Sanatria, tsy hanasa ny tongotro na oviana na oviana Ianao!

I Jesoa kosa namaly azy hoe:
–Raha tsy hosasako ianao, dia tsy hanana anjara amiko.

9Dia hoy i Simôna Petera taminy:
–Raha izany, ry Tompo, dia tsy ny tongotro fotsiny fa ny tanako sy ny lohako ihany koa.

10Fa novalian'i Jesoa hoe:
–Izay efa nandro tsy mila hosasana afa-tsy ny tongony ihany, fa efa madio ny tenany manontolo. Ianareo koa dia madio, nefa tsy ianareo rehetra13.10 Afa-tsy ny tongony ihany: misy stf sasany tsy ahitana ireo teny ireo. –madio: ny voambolana grika ampiasaina eto dia midika hoe madio ara-batana sy ara-panahy, ary mifono izay hevitra roa sosona izany izy etoana..

11(Fantatr'i Jesoa manko ilay efa hanolotra Azy; ka izany no nilazany hoe: «Tsy ianareo rehetra no madio.»)

12Rehefa voasasan'i Jesoa ny tongotr'ireo mpianany, dia nandray ny lambany Izy ary nipetraka indray; ka hoy Izy tamin'ny mpianany:
–Azonareo ve izay nataoko taminareo? 13Ianareo manao Ahy hoe Mpampianatra sy Tompo, ary marina ny filàzanareo fa izany tokoa Aho.

Manome fianarana ho antsika nyTompo

Nasehon'i Jesoa tamin'ny asa ampanetre-tena ny fìtiavana fa tsy tamin'ny alalan'ny teny am-bava fotsiny ihanv. Manome fianarana ho antsika Izy amin'izao fanasany ny tongotry ny mpianany izao:

1 - Fianarana hanetry tena
Matetika dia sarotra amin'ny olona sasanv jzav manana toerana na saranga ambony eo amin'ny fiarahamonina izany hoe hanetry tena izany. Ny fomba fiheverana toy izany no nahatonga an'i Petera ho gaga, ka nandavany tsy hosasana tongotra tany am-boalohany (and.6). Nv mpianatra tokoa aza no tokony hanao izany amin'ny mpampianatra. raha ilaina izany. Asa fanaon'ny andevo no nataon'i Jesoa ho fanehoany fa ny fitiavana dia mitaky fanetren-tena.

2- Fianarana hifanompo
Eken'i Jesoa fa Tompo sv Mpampianatra Izy, araka izay iantsoan'ny mpianatra Azy rahateo. Kanefa dia Izy mihitsy no maka ny toeran'ny mpanompo ka nanasa ny tongotry ny mpianany. Asehon'izany fa na izay lehibe sy ambony aza afaka manompo koa ho fanehoam-pitiavana. Ary koa tokony hifanompo ny mpianatra, fa amin'izany no ahatanterahana ny fifankatiavana marina. Ny hoe mifanompo dia fanekena fa ny mpianatra rehetra dia samy sady tompo no tompoina. Avy amin'izany no hampiharihary fiombonana eo amin'ny samy mpianatry ny Tompo.

Fanontaniana:
Hita taratra ao amin'ny Fiangonana ve ny fifanompoan'ny samy kristiana?

vendredi 15 décembre 2017

Zoma 15 Desambra 2017 - Isa 60 : 10 - 17

10Ny hafa firenena no hanamboatra indray ny mandanao,
ary ny mpanjakany hanompo anao, hoy ny Tompo.
Nikapoka anao Aho fony mbola tezitra
fa mahafaly Ahy kosa ankehitriny
ny haneho famindrampo aminao.
11Hivoha hatrany ny vavahadinao
ka tsy hakatona na andro na alina
mba hampidirana hankao aminao
ny fananan'ny firenen-kafa60.11 And voatsiahy ao amin'ny Apôk 21.25-26.
sy ireo mpanjakany efa voababo.
12Ho levona ny firenena sy fanjakana
izay tsy mety hanompo anao;
ho ringana tokoa ireny firenena ireny.
13Ny voninahitry ny hazo rehetra any Libano,
dia ny kipreso sy ny sapay ary ny bokso,
no indray ho tonga ao aminao
mba handravahana ny Toeramasiko.
Izany no hanomezako voninahitra
ny trano misy ny fitoeran-tongotro.
14Hanatona hiondrika eo anatrehanao
ireo olona nampahory anao,
ary handohalika eo am-paladianao
ireo rehetra naneso anao60.14 Ity andalana afovoany ity dia ampit Apôk 3.9.
ka hiantso anao hoe: «Tanànan'ny TOMPO»
«I Tsiôna-n'ilay Masin'i Israely.»

15Nafoy ianao teo ka tsy nisy tia anao
na mba nandalo nijery anao akory,
fa izao dia hataoko foto-pireharehana ianao
ho an'ny taonjato mifanesisesy
ary hataoko foto-pifaliana
ho an'ny taranaka mifandimby.
16Ny firenen-kafa sy ny mpanjakany
no hamahana sy hamelona anao;
ka ho fantatrao fa Izaho TOMPO no mpamonjy anao,
Izaho ilay Maherin'i Jakôba no Mpanavotra anao.

17Volamena no hoentiko ao aminao,
volamena ho solon'ny halimo,
ary volafotsy ho solon'ny vy;
halimo no hoentiko ho solon'ny hazo,
ary vy ho solon'ny vato.
Satria ny fahefana amam-pitondrana haoriko ao aminao
dia ny fiadanana sy ny fahamarinana no hiompanany.

Ny vokatry ny famindram-po sy ny fitiavan' Andriamanitra.

Maro ireo endrika manaporofo ny fítiavana sy ny famindrampon'ny Tompo. Araka ny Isa 60, 10-17 dia ireo no no santionany amin'izany.

1- Hampidirina ho ao aminao nv haren'ny firenena sv ny mpanjakanv izav voababo: Isa 60,11.
Efa voasoratra fa : "An 'Jehovah ny tany sy izay rehetra ao aminy". Efa nampanatena fandresena ny mpamonjy: Hoy Izy hoe: "Matokia, izao efa naharesv izao tontolo izao", tsy vitan'izany ihany fa manoatra noho ny mpandresy isika (Rem 8,37). Afaka misitrika ireo fitahiana sy fahasoavana omen'ny Tompo ireo isika .Ny fepetra omeny dia mazava: katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany.

2- Nv fiadanana no hataoko fanapahana anao, Ary fahamarinana no ho mpampiasa anao. (Isa 60,17)
Ny teny hoe fiadanana dia iray tarika amin'ny hoe fandriampahalemana.Ny olona miaina amin'ny fiadanana dia lavitrv nv fanahiana. Milamina ny fifandraisany amin'ny manodidina. Vita fihavanana amin'ny Tompo izy. Ny andininy faha 14 aza dia manehofa "handeha hiondrika eo anatrehanao izay nampahory sy nanamavo anao ": Fandresena miezinezina izany.

Fanoianiala:
Vakio ny Isa 60.10 ka tsohay avy amin'izany ny fanalahidin 'ny fandresena hoan 'ny mpino.

jeudi 14 décembre 2017

Alakamisy 14 Desambra 2017 - Tit 3 : 3 - 7

3Fa isika koa taloha mba adala, tsy nanaiky, naniasia; efa nandevozin'ny filàna sy fahafinaretana isan-karazany isika, lany andro tamin'ny haratsiam-panahy sy ny fialonana, sady ankahalain'olona no mankahala olona. 4Fa nony efa naneho ny hamoram-pony sy ny fitiavany olona ilay Andriamanitra Mpamonjy antsika, 5dia novonjeny isika, tsy noho ny asa marina vitantsika, fa noho ny famindrampony tamintsika. Ny namonjeny antsika dia tamin'ny alalan'ny rano fampandroana izay nanomezan'ny Fanahy Masina antsika fahateraham-baovao sy fiainam-baovao3.5 Ampit Ef 5.26 sy nta.. 6Fa nandrotsahan'Andriamanitra be dia be ny Fanahy Masina isika tamin'ny alalan'i Kristy Jesoa Mpamonjy antsika, 7hahatonga antsika ho marina eo anatrehan'Andriamanitra noho ny fahasoavan'i Kristy sy hahatonga antsika hanana anjara amin'ny fiaina-maharitra mandrakizay efa antenaintsika.

Ny mampiavaka ny olona ateraka indray

Fantantsika fa ny olona ateraka indray dia tonga olom- baovao, miaina ny fiainambaovao. Afaka mijoro ho vavolombelona satria: "Efa lasa ny zavatra taloha". Olona nandray fanampahankevitra hampandroso an'i Jesoa ka mapiditra azy ho am-pony (Apok 3, 20).

1- Misitraka ny famindrampon'ny Tompo tamin'ny fanasan'ny fiterahana indray sy ny fanavaozanan'ny Fanahy Masina (Tit 3, 5). Mazava eto fa tsy any amin'ny asa na ezaka ataontsika izany fa noho ny famindrampon' Andriamanitra.

2- Ny olon'izao tontolo izao kosa, izay mbola mandeha ao amin'ny aizina dia mbola andevon'ny fìlàna sy ny fahafinaretana maro. Velona amin'ny lolom-po sy ny fialonana. Miaina amin'ny fankahalana, mora voafitaky ny devoly ary diso lalana matetika. Tsy manana fanantenana ary mizotra amin'ny fahaverezana. Tsy mety mandray ny fanavaozana avv amin'nv Tompo Jesoa Kristy. Lavìtry ny fiovam-po. Mila mandini-tena ny olona toy izany, mila miaiky ny fahalemeny sy ny fahotany; mibebaka sy manolo-tena ho an'Andrimanitra; manaiky ny famonjena vitan'i Jesoa Kristy teo amin'nv hazo fijaliana; mandrav fanapahan-kevitra hizotra amin'ny fiainam-baovao.

Fanotanìana:
Inona avy ireo mapiavaka ny olona ateraka indray?

mercredi 13 décembre 2017

Alarobia 13 Desambra 2017 - Oha 3 : 1 - 12

1Anaka, aza manadino ny fampianarako;
ary aoka ho voatandron'ny fonao ny didiko.
2Fa andro lava sy taona maro iainana
ka hiadam-pinaritra hatrany
no ho vokatr'ireny ho an'ny tenanao:
3Aoka tsy hialanao mihitsy ny fitiavana sy ny toetra mahatoky;
kajio toa firavaka fiambozonanao izany,
ary soraty ao am-ponao toy ny amin'ny vatofisaka.
4Fa hahita sitraka sy fahombiazana ianao
eo imason'Andriamanitra sy ny olona.

5Matokia ny TOMPO amin'ny fonao manontolo,
fa aza miantehitra amin'ny fahakingan-tsainao.
6Mieke Azy amin'izay rehetra alehanao,
dia hatorony anao ny soritra harahinao.
7Aza manao ny tenanao ho hendry,
fa hajao ny TOMPO ka ialao ny ratsy3.7 Jereo Rm 12.16..
8Hanasitranana ny tenanao izany
ary hamelombelomana ny taolanao.
9Anomezo voninahitra ny TOMPO ireo fanananao
sy izay voaloham-bokatrao rehetra.
10Dia ho feno vary mitafotafo ny sompitrao;
ary hihoatra ny barika fanantazanao azy ny divay.

11Anaka, aza hamavoinao ny famaizan'ny TOMPO
ary aza tofoka amin'ny fananarany.
12Fa izay tian'ny TOMPO no anariny
toy ny ataon-dray amin'ny zanany malala3.12 Jereo Jôb 5.17; 1Kôr 11.32; Heb 12.5-6..

Ireo fitahiana, fahasoavana, fitiavana omen'ny Tompo antsika

1- Tombon'andro:
"Fa andro maro sy taona ela iainana ary fìadanana no hanampiny ho anao ".
Izany teny fikasana izany dia tanterahin'ny Tompo amin'izao fisitrahatsika ny andro anio izao.

2- Famindrampo:
"Aoka tsy handao anao ny famindrampo sy ny fahamarinana" (Oha 3, 3).
Izany famindrampon'ny Tompo izany no tsy mahalany ritra antsika.

3- Fitiavana, fahaialanatsara:
"Ka dia hahazo fitia sv fahalalana tsara eo anatrehan 'nv Tompo sy ny olona ianao" (Oha 4, 4). Mifampiankina amin'ny fisitrahana ny famindrampon'ny Tompo ny fahazoana fitia eo anatrehany sy anatrehan' ny olona.

4- Filaminana:
"Fa Izy handamina ny lalanao "(Oha 3, 6b)
Mirindra daholo izay atao rehetra, rehefa nv Tompo no
mandamina azy.

5- Fitahiana:
"Ka dia ho feno mitafotafo nyfitoeram-barinao "fOha 3, 10).
Sitraky ny Tompo no hanatanterahany ireo tsodrano voalaza ao amin'ny Deo 28, 8 ho antsika.

Fanontaniana:
Jereo ny Ohab 3, 1-12 ka fantaro ireo fikasan' Andriamanitra efa tanteraka aminao antrehitriny.

mardi 12 décembre 2017

Talata 12 Desambra 2017 - Eks 33 : 12 - 23

12«Enina andro no hanaovanareo ny raharahanareo fa amin'ny andro fahafito dia hitsahatra ianareo mba hahazoan'ny ombinareo sy ny borikinareo miala sasatra, ary mba hahazoan'ny mpanomponareo sy ny vahiny maka aina23.12 Jereo 16.23-30; 20.8-11; 31.12-17; 34.21; 35.2; Lev 23.3; Deot 5.13-14..
13«Tandremo tsara izay rehetra nandidiako anareo; ary aoka ny anaran'andriamani-kafa tsy hantsoina mihitsy, na ho re tononina akory eo aminareo.

14«Fety telo no hankalazainareo isan-taona ho fanomezam-boninahitra Ahy. 15Ny fety voalohany hankalazainareo dia ny fetin'ny mofo tsy misy leviora: mandritra ny fito andro voatondro amin'ny volana Abiba23.15 Momba ny fetin'ny mofo tsy misy leviora sy ireo fety roa hafa eo amin'ny and 16 ary koa ny volana Abiba, dia jereo ny FTS amin'ny voambolana hoe FANISANANDRO. no hihinananareo ny mofo tsy misy leviora araka izay efa nandidiako anareo. Tamin'io volana io manko no nialanareo tany Ejipta; koa aza miseho eo amin'ny alitarako mitondra tanam-polo. 16Hankalazainareo manaraka izany ny fetin'ny fijinjana amin'ny fotoana ijinjanareo ny voaloham-bokatr'izay nafafinareo tany an-tsaha. Ary amin'ny faran'ny taona kosa no hankalazainareo ny fetim-bokatra, rehefa vitanareo avokoa ny famoriana ny vokatry ny fambolenareo any an-tsaha23.16 Araka ny fanisanandro tranainy israelita, ny taona dia mifarana amin'ny fararano, izany hoe tapaky ny Septambra. –And 15-16: jereo 12.14-20; 34.18; Lev 23.76-8, 15-21, 39-43; Rom 28.17-32; 29.12; Deot 16.1-17.. 17Koa intelo isan-taona izany ny lehilahy rehetra aminareo no ho tonga hiseho eo anatrehako TOMPO Andriamanitrareo.
18«Aza manao sorom-biby ho Ahy miaraka amin'ny mofo misy leviora; ary aza tahirizina ho tra-maraina ny jaboran'ireo sorona fanomezam-boninahitra Ahy23.18 ny jaboran'ireo sorona dia tsy maintsy dorana androtr'iny ihany.. 19Haterinareo ao an-tranoko ny santatry ny vokatry ny taninareo satria Izaho no Tompo Andriamanitrareo. Nefa aza mahandro zanak'osy amin'ny rononon-dreniny23.19 ny santatry ny vokatra: jereo Deot 26.2. –mahandro zanak'osy...: jereo 34.26; Deot 14.21. Io dia fomba fanao tao amin'ny fivavahana kanahanita..

20«Haniraka anjely iray hialoha anareo Aho, mba hiaro anareo eny an-dàlana; izy no hitarika anareo ho ao amin'ny tany izay efa nomaniko ho anareo. 21Mitandrema tsara eo anatrehany ka henoy izay lazainy, ary aza manohitra azy; fa tsy mahazaka fikomiana izy, satria mitondra ny anarako. 22Raha mankatò azy hatrany ianareo, ka manatanteraka an-tsipiriany izay rehetra nandidiako anareo, dia Izaho Tompo no ho fahavalon'izay fahavalonareo, ary handrafy izay mandrafy anareo.
23«Rehefa mandeha eo alohanareo ny anjeliko, ka mitarika anareo ho any amin'ny Amôrita sy ny Hitita, ny Perizita sy ny Kanahanita, ary ny Hivita sy ny Jebosita, dia hofongorako ireo firenena ireo.

Tahaka ny fihaonan'ny mpisakaiza no nihaonan' Andriamanitra sy i Mosesy tao amin'ny tranolay fihaonana, ka nanomanan'Andriamanitra ny Zanak'Israely hiakatra ho any amin'ny tany Kanàna. Nambaran' Andriamanitra tamin'izany ny toky omeny ny vahoakany:

1- Homba azv tokoa ny Tompo (and. 12-17)
"Ny Tavako no handeha" (and 14), hoy ny Tompo. Manambara izany fa nv maha Izv Azy ny Tompo mihitsv no homba sy hitondra ny vahoaka hiakatra ho any Kanàna. Andriamanitra manatrika ny vahoakany mantsy Izy. Hisongadina amin'izanv ny fifandraisana lalim-paka sy ny fifamatorana lalina eo amin'izy ireo satria nahita fitia teo imasony izy ireo rehefa avy niaiky ny helony (and. 1-6). Vonona hatrany i Jesoa Kristy hifandray amintsika raha miaiky ny fahotantsika isika.

2- Handrav nv fahatsarana rehetra (and. 18-23)
"Izaho hampandalo ny fahatsarako rehetra eo anatrehanao" (and.I9a). Mitady hahita an'Andriamanitra i Mosesy, nefa nambara fa tsy afaka mahita izany mihitsy izy raha tsy amin'ny alalan'ny asan'ny Tompo na ny voninahiny ihany. Io asa na voninahitr'Andriamanitra io no hanolorany ny fahatsarany rehetra hanonona ny Anarany, hiantra, hamindra fo ...(and. 19). Tombontsoa manokana no atolotr'Andriamanitra izay manaiky Azy. Marina hatrany izany rehefa miverina mandinika ny fahafoizany hatramin'ny ny Zanany lahitokana sy ny zavatra rehetra ho antsika isika (Jereo Mofonaina omaly).

Fanontaniana:
Ankehitriny, inona no efa hitanao endrika nisehoan'ny Tavan 'Andriamanitra taminao?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12