lundi 25 décembre 2017

Alatsinainy 25 Desambra 2017 - Lio 2 : 8 - 14

8Tany amin'izany faritany izany, dia nisy mpiandry ondry nitoetra tany an-tsaha niambina ny ondriny nandritra ny alina. 9Nisy anjelin'ny Tompo niseho tampoka taminy; ary nohodidinin'ny voninahitry ny Tompo ireo mpiandry ondry ka raiki-tahotra izaitsizy.

10Fa hoy ilay anjely taminy:
–Aoka izay ny tahotra, fa vaovao mahafaly no entiko ho anareo, dia fifaliana lehibe ho an'ny vahoaka rehetra: 11Mpamonjy no teraka ho anareo anio ao an-tanànan'i Davida, dia i Kristy Tompo. 12Izao no hahafantaranareo Azy: hahita zazakely anankiray voahodidina lamban-jaza sady mandry eo amina fihinanam-bilona ianareo.

13Ary nisy anjely alikisa avy any an-danitra niseho niaraka tamin'ilay anjely teo ka nidera an'Andriamanitra nanao hoe:

14«Voninahitra any amin'ny avo indrindra
ho an'Andriamanitra;
ary fiadanana etỳ an-tany ho an'ny olombelona
fa nanehoany fitia2.14 Dkt hafa, araka izay hita ao amin'ny stf sasany, fiadanana etỳ ambonin'ny tany, famindrampo ho an'ny olombelona. !»

Mpiandry ondry tany an-tsaha.

1- Isehoan'ny anjelin'nv Tompo
Mpiandry ondry tany an-tsaha no nisehoan'ny anjely, ka nanambaràny ny vaovao mahafaly mikasika ny fahaterahan'i Jesoa Mpamonjy. Nomeny toky mba tsy hatahotra sady nanehoana ny voninahitry ny Tompo nanelatrelatra manodidina azy. Any an-tsaha. anatin'ny alina feno aizina, am-perin'asa, ao anatin'izany no miseho ny anjelin'ny Tompo sy ny voninahiny. Andriamanitra dia mampiseho ny voninahiny amin'izay tiany hisehoana sy hanehoana izany, na iza na iza isika, ary na aiza na aiza toerana misy antsika. na inona na inona saranga misy antsika eo amin'ny fiaraha-monina. Izao fìsehoan'ny anjely amin'ny mpiandry ondry izao dia vavolombelon'ny fitiavan'ny Tompo hamonjy antsika ary tsy mizaha tavan'olona Izy.

2- Ilazana vaovao mahafaly
Na iza na iza teo amin'ny toeran'ny mpiandry ondry ireo, dia tsy maintsy ho taitra sy hatahotra aloha. Nampitony izany ny anjelin'ny Tompo ka nilaza tamin'ireo mba tsy hatahotra sady nanambara vaovao mahafaly taminy. Ny nahaterahan'i Jesoa Kristy Tompo no "Teny soa mahafaly". na Filazantsara. sady fifaliana lehibe ho an'ny olona rehetra ka mitondra fiadanana ho an'ny firenena. Izay mandray an'i Jesoa ho Tompo sy Mpamonjy azy anio no hahita ny tena fiadanana eo amin'ny androm-piainanv ary ny voninahitry Tompo hanelatrelatra manodidina azy.

Fanontaniana:
Mitondra inona eo amin'ny fiainanao ny Fahaterahan'ny Mpamonjy?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12