mardi 26 décembre 2017

Talata 26 Desambra 2017 - Isa 11 : 1 - 10

1Misy rantsana misandrahaka avy amin'ny fototr'i Jisay11.1 Jisay: rain'i Davida (1 Sam 16.18-19); jereo Apôk 5.5; 22.16.;
misy solofo mipoitra avy amin'ny fakany.
2Ny Fanahin'ny TOMPO no mitoetra eo aminy,
dia Fanahy manome fahendrena sy fahaiza-manavaka
Fanahy mahay mamolavola sy manatanteraka,
Fanahy ahalalana sy anajana ny TOMPO;
3ary io no hanoro azy ny fanajana ny TOMPO.
Tsy hitsara araka ny ivelany fotsiny izy
na hanapaka araka izay ren'ny sofiny,
4fa hitsara ny malahelo ara-drariny
ary hamoaka didy araka ny hitsiny
ho an'ny mahantra eo amin'ny tany.
Ny teniny no toy ny tsorakazo
hikapohany ny tany
ary ny fofonain'ny vavany
no hamonoany ny olon-dratsy11.4 Jereo 2Tes 2.8..
5Ny rariny no ho fisikinany
ary ny toetra hentitra no ho fehikibony11.5 Jereo Ef 6.4..

6Koa ny amboadia hiara-mipetraka amin'ny zanak'ondry,
ny leôparda hiara-mandry amin'ny zanak'osy;
ny zanak'omby sy ny liona tanora hiara-mihinana
ka zazalahy kely no hitarika azy.
7Ny ombivavy sy ny orsavavy hiara-miraoka;
ary ny zanak'izy ireo hiara-matory.
Hihinam-bilona toy ny omby ny liona.
8Ny zaza mbola minono
hilalao eo an-davaky ny bibilava;
ary ny zaza misara-nono
hanatsofoka ny tanany
ao an-davaky ny menarana.
9Tsy hisy hanimba na handratra
manerana ny tendrombohitra masina,
satria ny fahalalana ny TOMPO
no hanenika izany tany izany
tahaka ny anaronan'ny rano
ny fanambanin'ny ranomasina11.9 And 6-9: jereo Is 65.25. –And 9: jereo Hab 2.14..
10Amin'izany andro izany ny solofon'i Jisay
dia hatsangana ho fanevan'ny firenena rehetra;
ka hitady azy ny firenen-kafa11.10 Jereo Rm 5.12.,
ary hanjary be voninahitra ny fonenany.

"Solofo mitsimoka eo amin'ny fototr'i Jese"

1- Itoeran'nv Fanahin'I Jehovah (and.2)
Ny fitoeran'ny Fanahin'i Jehovah no mampiavaka ny olona voafidin'Andriamanitra. Ny Fanahin'i Jehovah no manome ny toetra sy ny hery rehetra ilaina ahafahana manatanteraka ny sitrapon'Andriamanitra ho famonjena izao tontolo izao. Ny asan'ny Fanahy Masina no hery mampijoro ny Fiangonana ka ahafahany manohy nv asam- pamonjena efa natombok'i Kristy sy ahaizana "mitsara araka nv fahamarinana" (and.4). Tsiahivina eto Ilay Mpanompon'i Jehovah nanao hoe: "Ny Fanahin'i Jehovah Tompo no ato amiko, satria Jehovah efa nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin'ny mpandefitra, efa naniraka Ahy hahasitrana ny torotoro fo Izy, ary hitory fanafàhana amin'ny babo sy hamoaka ny ao an-trano- maizina ... " (Isa.61,1).

2- Mitondra fiadanana (and.4-10)
Rehefa ao amin'ny olona ny Fanahin'ny Tompo, ka manjaka eo amin'ny mpitondra ny fahatahorana an'Andriamanitra sy ny fahatokiana Azy, dia izany no ny fiadanana. Miverina amin'ny laoniny ny fífandraisan'ny olona amin'Andriamanilra, ny fifandraisan'ny olona samy olona; ary ny fífandraisan'ny olona amin'ny zava-boary. Sary maneho izany fiadanana izany no ambaran'ny mpaminany: "Ary ny amboadia* hiara-mitoetra amin'ny zanak'ondry... Ny zaza minono hilalao amin'ny lavaky ny vipera " (and.6-8)

Fanontaniana:
Misy ifandraisany ve ny fahotana sy ny fahasimban'ny tontolo iainana?


Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12