mardi 29 janvier 2013
Talata 29 Janoary 2013 - Fit 3 : 19 - 27
19 Poizi-mangidy ho ahy ny mahatsiaro ny fahoriako sy firenireneko 20 Tsaroako tokoa izany, eny, tsaroako ka trotraka aho tamin'ny nanjo ahy. 21 Izao anefa no hoeritreretiko am-po sady antony hanantenako: 22 Tsy ritra ny mari-pitiavan'ny TOMPO ary tsy mitsahatra ny famindrampony; 23 vaovao isa-maraina ireny. Fatratra ny toetranao mahatoky, Tompo o! 24 Hoy aho anakampo hoe: ny TOMPO no anjarako; noho izany, dia manantena Azy aho. 25 Tsara ny TOMPO amin'izay miandry Azy, dia amin'ny olona mitady Azy. 26 Tsara ny manantena mangina ny famonjen'ny TOMPO. 27 Tsara ho an'ny lehilahy ny mitondra zioga amin'ny fahatanorany.
-
1Ary niteny tamin'i Ahaba mpanjaka i Elià izay Tisbita anisan'ny mponina tao Gilehada hoe: –Velona ny TOMPO Andriamanitr'i Isra...
-
29Fa novalian'i Petera sy ny apôstôly hoe: –Andriamanitra no tsy maintsy ekena fa tsy ny olombelona. 30Efa natsangan'ilay Andriaman...