40 Ary nanatona an'i Jesoa ity lehilahy marary hoditra ka nitalaho taminy sady nandohalika teo anatrehany ka nanao taminy hoe: Raha sitrakao, dia hainao diovina aho. 41 Onena azy i Jesoa ka nanatsotra tanana nikasika azy sady niteny hoe: Sitrako, madiova ianao. 42 Avy hatrany dia nialan'ny aretin-koditra nahazo azy ralehilahy ka nadio. 43 Dia nasain'i Jesoa nandeha niaraka tamin'izay izy sady nofeperany mafy 44 nataony hoe: Tandremo mihitsy ny milaza izao na amin'iza na amin'iza; fa mandehana miseho amin'ny mpisorona ary ento ny fanatitra voadidin'i Mosesy mba ho vavolombelona amin'ny olona fa madio ianao. 45 Kanjo raha vao niala teo ralehilahy, dia nanao antso avo izay nitranga taminy ary nampiely izany. Koa tsy afa-niditra an-tanana tamin'ny fomba miharihary intsony i Jesoa; fa dia any amin'ny toerana mangina ivelan-tanana any foana Izy, kanefa mbola nohatonin'ny olona avy eny rehetra eny.
mercredi 30 janvier 2013
Alarobia 30 Janoary 2013 - Mar 1 : 40 - 45

-
1Ary niteny tamin'i Ahaba mpanjaka i Elià izay Tisbita anisan'ny mponina tao Gilehada hoe: –Velona ny TOMPO Andriamanitr'i Isra...
-
29Fa novalian'i Petera sy ny apôstôly hoe: –Andriamanitra no tsy maintsy ekena fa tsy ny olombelona. 30Efa natsangan'ilay Andriaman...