dimanche 3 septembre 2017
Alahady 03 Septambra 2017 - Mat 27 : 57 - 61
57Nony hariva ny andro, dia tonga ity lehilahy mpanankarena avy any amin'ny tanàna atao hoe Harimatia27.57 Harimatia: tanàna tokony ho 35 km avaratra andrefan'i Jerosalema.; i Jôsefa no anarany ary mpianatr'i Jesoa ihany koa izy. 58Nanatona an'i Pilato* izy nangataka ny vatan'i Jesoa; ary dia nasain'i Pilato nomena azy izany. 59Nalain'i Jôsefa ny vatan'i Jesoa, dia nofonosiny lamba sarobidy madio 60ary napetrany tao amin'ny fasana vaovao izay nampandavahany ho an'ny tenany tamin'ny vatolampy. Rehefa avy nanakodia vato makadiry teo amin'ny vavafasana i Jôsefa, dia lasa nandeha. 61Ary teo i Maria avy any Magdalà sy ilay Maria anankiray hafa ka nipetraka tandrifin'ny fasana.
-
1Ary niteny tamin'i Ahaba mpanjaka i Elià izay Tisbita anisan'ny mponina tao Gilehada hoe: –Velona ny TOMPO Andriamanitr'i Isra...
-
29Fa novalian'i Petera sy ny apôstôly hoe: –Andriamanitra no tsy maintsy ekena fa tsy ny olombelona. 30Efa natsangan'ilay Andriaman...