mercredi 13 septembre 2017

Alarobia 13 Septambra 2017 - Mar 8 : 34 - 38

34Dia nantsoin'i Jesoa niaraka tamin'ny mpianatra ny vahoaka hankeo aminy ka nilazany hoe:

–Raha misy te hiara-dia amiko, dia aoka izy handà ny tenany, ka hitondra ny hazofijaliany ary hiaraka amiko. 35Fa izay te hamonjy ny ainy no hahavery azy; ary izay hahafoy ny ainy, noho ny fitiavany Ahy sy fitiavana ny Vaovao Mahafaly*, no hahavonjy azy. 36Fa inona no soa azon'ny olona raha eo am-pelatanany avokoa izao tontolo izao, kanefa ny ainy mitondra faisana? 37Ary inona no azon'ny olona omena ho takalon'ny ainy? 38Mpivadika amin'Andriamanitra sy mpanota ny olona ankehitriny! Ka na iza na iza menatra Ahy sy menatra ny teniko eo afovoan'ireo, dia ho menatra azy koa ny Zanak'olona, rehefa ho avy otronin'ny anjely masina sady ombàn'ny voninahitra homen'ny Rainy.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12