lundi 11 septembre 2017

Alatsinainy 11 Septambra 2017 - Asa 26 : 12 - 18

12Izany no nahatonga ahy hankany Damasy, ombàn'ny fahefana sy ny baiko azoko avy tamin'ny lohandoha-mpisorona. 13Teny an-dalana aho, ry mpanjaka, raha tamin'ny mitataovovonana ny andro, dia nahita hazavana avy tany an-danitra, mahery lavitra noho ny hazavan'ny masoandro ka nanjelanjelatra manodidina ahy mbamin'ny mpiara-dia tamiko. 14Samy niankarapoka tamin'ny tany izahay, ary izaho dia nandre feo niteny tamiko tamin'ny teny aramianina hoe: «Saoly, Saoly, nahoana no manenjika Ahy ianao? Manimba tena ianao misetra lefona maranitra!» 15Izaho kosa nanontany hoe: «Iza moa Ianao, Tompoko?» Dia novalian'ny Tompo hoe: «Izaho no i Jesoa, Ilay enjehinao! 16Fa miarena ka mijoroa! Izao manko no nisehoako taminao: ny hanendry anao ho mpanompoko ary koa ho vavolombelona hanambara amin'ny hafa ny nahitanao Ahy androany26.16 ny nahitanao Ahy: misy stf sasany ahitana hoe ny zavatra hitanao.  sy ny zavatra mbola hasehoko anao. 17Izaho no hanafaka anao amin'ny vahoaka Israely* sy ny hafa firenena* izay anirahako anao. 18Hanirahako anao izy rehetra mba hampahiratinao maso, hahatonga azy hiala amin'ny haizina ho amin'ny mazava ary hiala amin'ny fahefàn'i Satàna ho amin'Andriamanitra, ka handraisany famelan-keloka noho ny finoana Ahy sy hahazoany anjara lova miaraka amin'ireo voatokana ho vahoakan'Andriamanitra*.»

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12